
Divisions
Ndao hiray hina !
Ao anatin’izao fanatontoloana izao dia malaza ny voam-bolana hoe « Unité dans la diversité », lasa iray izao tontolo izao. Miezaka mivondrona avokoa ireo mitovy tanjona kendrena, ao ny ara-kolon-tsaina, ny ara-toe-karena(G8), ny ara-pinoana, sns…
“Fahasamihafana ao anaty fiombonana” sa “fiombonana ao anaty fahasamihafana ?” sa zarazara hanjakana ?
Miteraka fiahiahiana be ihany eo amin’ny samy mpitolona ny fahalavan’ity krizy ity. Lasa mifampiahiahy be ihany ny rehetra, maro ny antony mahatonga izany :
- ao ny herin’ny vola, teren’ny tsy fahampina ny olona, hany ka lasa fanaovana “bizna” ny tolona. Sarotra ny fiainana koa dia samy mitady izay anjarany eny e ! Ny FAT etsy andaniny migalabona amin’ny fiara tsara tarehy sy mitavana ny tsy nisasarany. Ny maro an’isa tsy miteny “majorité silencieuse” mikatsaka izay mba fivelomanana, mamono eritreritra manaiky tsy fidiny.
- misy ihany koa ny “ady tombotsoa”, ao koa ny “ady seza”, rahatrizay ka mandresy ny tolona dia mba… mahazo toerana tahaka izao, na izatsy, na izaroa.
- fa ao koa ny adin’ny mpitarika “guerre de leadership”, samy te ho « dadany » avokoa ny mpitarika ary tsy manaiky lembenana mihitsy, misy mihitsy aza ny manao “étalage de connaissance” handresendahatra ny hafa, fa misy koa ny mitsinjo ny vody andro merika na ilay ataontsika hoe : “misabaka”, ny manao kajikajy politika samihafa, ny teti-panorona isan-karazany, fa ao koa ny “Jodasy” ankitsirano.
Inona no lesona tsara tsoahina?
Milaza miara-mahita raha miteny, fa nanana ny heriny izany GTT izany tany ampiandohana, ankehitriny misy karazany dimy raha kely indrindra
ny fikambanan’ireo « diaspora » any ivelany any.
Eto an-toerana indray, mifandrirotra sa misavorovoron-kilatoana ny politikan’ny mpomba ny ara-dalana, ao ny Aliance democratique, ny fikambanan’ireo parlemantaire teo aloha, ny ekipa miaraka amin’ny filoha mpiara-mitantanana, ny vehivavy legaliste sy ny vehivavy Tim, sns… (Mahagaga fa na ny resam-pinoana aza toa tafiditry ny devoly mpampisaraka (FFKM).
Ny tanjona anefa iray ihany, ny iverenan’I Dada an-Tanindrazana sy ny ahafahany hirotsaka hofidiana amin’izay fifidianana !
Etsy andaniny ny mpifanandrina miezaka miombona sy mivondrona, ao ny fiarahamonim-pirenena “societé civile” miezaka mitambatra hampivondrona ny hery na ny Coalition des organisations de la Société civile, ny Alliance des organisations de la Société civile ny raiamandreny mijoro.
Dia mody mangina ilay misoratena ho “raiamandrenin’i Malagasy” kanefa mbola “zandry kely” ihany no mpamily ny TGV mihitsoka!
Iza no mahazo tombontsoa amin’izany?
Ao anatin’izay rehetra izany dia manjaka ny FAT, potika ny toe-karena, very anjavony ny ezaka efa azo tsapain-tanana teo aloha, ripaka ny harena voajanaharintsika.Viravirain’ny tsy mataho-tody i Madagasikara.
Iza no andrasana hanarina izany?
Vahaolana amin’ny samy Malagasy, izay indray no voam-bolana dradradrain’ny FAT. Na dia fantatra izao aza fa efa nisy izany tany aloha tany, toy ny tany “Le Hintsy ”Ambohimanambola, Panorama, Teny Ifampierana teny Ivato, Loabary an-dasy, sns…tsy nahitam-bokany daholo izany satria fantatra fa izay tian’i Rajoelina hatao sy apetraka ihany no kendreny.
Tsy misy manda izay fikatsaham-bahaolana akory, fa tsy vahaolana hatao tery vay manta, na teren-ko masaka toy ny voalobo-jaza, fa ny vahaolana maharitra no tsara indrindra.
Samy milaza ny rehetra fa fifidianana no sori-dalana tsara indrindra. Mibosesika ao an-tsaina ny fanontaniana :
Fifidianana inona no atao ? Iza no mikarakara izany ? Ahoana ny lalam-pifidianana ? Ny TVM sy RNM ve mbola toy izao hanjakan’ny TGV izao ? Sns….
Tetezamita iombonana sy eken’ny iraisam-pirenena no vahaolana, ary io no hanomana ny fihaonam-bem-pirenena sy izay fifidianana rehetra hatao eo.
Noho izany, diso daholo ny kajikajy hatao rehetra raha tsy ny fiaraha-mitantana ny « fitondrana tetezamita tena izy » aloha no imasoana voalohany, izay vao miditra amin’izany rehetra izany, izay ilay « esprit de Maputo » !
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:




Ny jiolahim-boto no tena mpanka fy ireny tia fisamatsamahana ireny!!!
Ny mpinono maro dia maro rahateo !
Izany eo ihany fa :Milaza ho manohana an’i SEM RAVALOMANANA daholo : Tonton Ambroise-GTT-TIM-MATITA….nefa raha izao fisamatsamahana izao, dia samy miady ho an’ny tenany no tena marina.
L’UNION fait la force ve ? Ary satria tsy misy ny Union, dia aleo mitohy mimenonana eto, mba ahalalàna fa mba TOKONY ho ny FIRAIASANA aloha no TANJONA.
Izao no tena marina MINOA FOTSINY IHANY! zarako aza TETEZANA LAVA! ny vahoaka no maty…Tsy aleo ve faranana malaky ny tantara mba ho velona sy miaina tsara ny fokonolona eto amin’ny nosy malala ity?
Ny tena tsy tantinay dia ity Ultimatum lava ity ê! raha toa ka manana dossiers tena mitombina marina ny Mpanohitra momba an’ireny bois de rose ireny dia vakio Batsilana fa mahatonga anay mieritreritra hoe hataonareo négociation any amin’ny FAT ireny dossiers ireny dia mahazo vola avy any amin’ireo ianareo dia mangina indray aloha hatreo,ary izay toetra izay no mahatonga anay tsy matoky mihintsy ny mpanao politika rehetra.
izany no atao hoe bala rora;ary toa nariana irery i naivo kely omaly teny tribunal;sao dia tsy mety é!mitsamasaka anie nareo zany e!adino jiaby ny any amponja sy ny mitsoaka !mitsamatsamaka anie zany e!
Et voici les basses personnalités malgacho-malagasy:
- la magistrature dirigé par Me Hery Rakotomanana et au solde et ordre des dirigeants FATy NE DOIT PAS S’APPELER C E N I : élaboré lors de Maputo, dont uns des principaux critères sont l’impartialité et esprit consensuel
- les « Dinika Santatra » stériles et unilatérale, se mettent maintenant sous la couverture du MAP projet dont seul le président Marc Ravalomanana peut bénéficier
- en cours de création = ADESM; de connotation sans ambigüité PADESM revêtant de couleurs communisme
- exetra exetra…
Faut focaliser tous les efforts pour mettre sur pied le gouvernement de transition, LA VRAIE.
Commencez par LIBERER LES PRISONNIERS POLITIQUES!