parlementera teo aloha

parlementera teo aloha

Nanao valandresaka hoan’ny mpanao gazety, io atoandro io ireo « parlemantaire » ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana. Nitaky ireto olom-boafidy ireto fa tokony hifanaraka aloha ireo « societé civile » vao hiditra ho mpanelanelanana. Mandeha ny fanomanana ny dinika santatra, hoy izy ireo, kanefa ry zareo ao amin’ny FAT ihany no mikarakara azy, « manao hitsin-dalana » foana ny FAT ka miafina ao ambadiky ny « coalitioan » hoy ny deputé Hery Raharisaina. Tsy hanatrika io « dinika santatra » io ny vahoaka any amin’ny distrika lavitra hoy ihany izy. Tokony hisy hatrany ny fahatoniana ara-politika raha tena hamaha olana maharitra, noho izany, avoahay aloha ny gadra politika, vahaolana politika no ilaina eto. Tokony ho olona mpanampam-kevitra ihany koa no hanao ny dinika dia tsy iza izany fa ireo « lehiben’ny ankolafy ».

.

parlementera teo aloha

parlementera teo aloha

Ilaina ny fanelanelanana iraisam-pirenena hahazoana fankatoavana iraisam-pirenena, ary manamafy hatrany fa tsy vahaolana ny fizirizirian’ny FAT tsy hifampidinika amin’ny mpanohitra.
.
Nanolotra vahaolana ihany koa izy ireto, izahay no « olom-boafidy » mahasolontena ny vahoaka, noho izany dia « avereno amin’ny toerana aloha ny « parlemantaire rehetra » hitondra ny tenin’ny vahoaka, tsy misy tany demokratika tsy manana parlemanta raha tsy eto Madagasikara hoy izy ireo.
Farany nanamafy ny senatera Ravatomanga fa tsy manakana ny dinika samihafa ry zareo, kanefa notsipihany fa mandeha amin’ny anarany tenany manokana ireo olon’ny Tim mandeha mitady vahaolana hafa ankoatra ny hifanarahan’ny be sy ny maro.

parlementera teo aloha

parlementera teo aloha

parlementera teo aloha

parlementera teo aloha

parlementera teo aloha

parlementera teo aloha

parlementera teo aloha

parlementera teo aloha



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Hitondra vahaolana sa handamoaka i Pretoria?
  2. Miaramila sa inona ve no vahaolana ?
  3. Vahaolana FAT : GADRA !
  4. Pretoria 2, vahaolana maharitra !
  5. Dinika fantatra mialoha ny tsy fahombiazany

8 Comments

  • Ziry Onésime dit :

    Mahatoky anareo tanteraka izahay fa tsy hivadika amin’ny teny nomena ianareo fa hiady hatramin’ny farany!

  • legema dit :

    Lazao foana ny marina leiretsy a!
    izay tsy mahataty mipitsika
    - io « coalition » io dia tsy inona akory fa mpisolelaka eo akaikin-dRajoelina eo a!
    - taiza no tsy nahitana ilay pasteur BOTABOTA iny raha vao resaka vola. Miasa mafy aloha izy izao satria misy saosy ao e! Niaraka t@ Sophie iny, nikiky an’i Pierrot, Mamy Ratovomalala, Tantely Andrianarivo, nokaony i Hery Rafalimanana izao izy milaza fa « izy irery ihany hono no eken-dRajoelina teny »
    -jereo fa misy Pasteur akamany miaraka aminy ao mitango dia mitango e! nefa rehefa hanaratsy HMF izy dia mahay tokoa anie izany e!
    Tsy hitanareo ihany koa nga ilay Mompera @ conferansa iny foana, akama daholo ireny fa tsy kianina ary mbola tsy nantsoin’i Colonel Richard Ravalomanana mihitsy fa akama daholo.
    - Amin’ny fomba ahoana moa no anekentsika fa Ramino Paul dia neutre na hotapahany aza iny volombavany iny. Tsy mampino mihitsy izany fa takalon’ny fanafahana ny zanany « lahy tokana » voaheloka namono olona io (ilay mpiasan’ny RTA e! » dia navoaka fa gadra politika hono. Tsy maintsy NAJORO ilay raiamandreny mazava ho azy.
    - Tsy misy marina ireo fa te hanao amboletra rajoleina dia mody dokafana eo e!
    - Andrimatoa minisitra ô! (Hyppolita) kay ve ka ilaiana ihany Pdt Chissano e! nefa rehefa tsy teto izy hafa tokoa izato vava e! fangah tsy manambola tsy toko tsy foroana ny Fat ? no toa mangataka mafy mihitsy izato izy.
    Fantatry ny rehetra nge fa ianao io mihitsy no te andray io fitondrana io teny Antanimena e! fa sendra vavabasy dia nihemotra (ianao sy i Ranto Rabarisoa). Hainay fa tena vonona ny handray tokoa ianao rehefa tonga teny. Tsy mena-mivadika io ry HAT a! ary havany akaiky anie ilay minisitra Gal nopain’ny sergent eh! (zaodahiny) fa vola io ka lasa Hypocrite ny Hi-pot – lita
    Lazao ny marina e! ary mamporisika anareo parlemantera teo aloha fa ilaina izany.
    Izahay dia tsy hitsahatra ny hilaza ny marina sy azo antoka eto fa fantatray izany ary izay tsy mahatany mipitsika

  • Freddy dit :

    Izaho ve no reraka sy kivy ? Mihevitra aho fa tsia !
    Ny any hevitra mety amiko, dia tsy hisy fiovàna azo antenaina, raha mbola toy izao ny fandehantsika.
    Toa very ilay hevitra voalohany hoe izay hilàn’ny HAT mihitsy no tanjona.
    Amiko dia isika vahoaka ihany no Tompon’antoka, manao hetsika, fa kosa, raha toa misy fanentanana avy amin’ny SEM RAVALOMANANA Marc hoe :
    Miraisa hina eo ambanin’ny VONDRONA IRAY, izay safidiny. Tsy manendry aho hoe vondrona izao na izao fa VONDRONA IRAY izay ATOKISAN’NY Prezida RAVALOMANANA, dia miray ao daholo.
    Izay no haingana sy mahavita azy.
    Ireo milaza ho legalista rehetra dia TOKONY MIRAY DAHOLO, ary MANAIKY izay toro-marika lazain’ny Prezida.
    Fa raha izao fisaratsarahana na FISAMATSAMAHANA izao dia tsy hisy vokany mihitsy.
    Tsy manambany ireo vondrona legalista aho akory, fa MIANTSO FIRAISANA, ary manolotra ny tokony ho ataontsika marina.
    Ny tany demokratika sy tena miaro ny andrim-panjakàna dia TSY MISY Antoko maro toy izao aty Madagasikara izao, hany ka afaka miady tsara sy mahay miray hina.
    Jereo fa naha ny isan’ny miaramila any Dago fotsiny aza dia mino aho fa mahatratra any amin’ny 2 na 3.000.000 any ho any. Eto frantsa fotsiny dia 120.000 no isany miaraka amin’ny Officiers.
    Tsy hisy tany hilamina any amintsika raha mbola mitohy izao. Jereo koa ny isan’ny Fonctionnaire, nefa firy no tena ilaina ? Minono sy mitsetritra no betsaka, ary olona tsy mahavita azy akory ny telo ampaha efany(3/4). Mazava ho azy fa manjaka tsy misy probl ny vazaha na karana, satria be mizarazara fotsiny, mifangarika sy mifanaratsy.
    Izany no olanatsika : TSY MISY FIRAISAN-KINA fa samy miseho azy ho BOB daholo.

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    Oadray r’IMAKAHA !Ela izany an? Koa inona no mahasempotra Anao oa izao ?
    Mipetraha aloha é ary aoka hisotro ity rano-boasary iIanao.
    -Tsy izany Razoky ! Fa isy olona foka ,miteniteny foana ao amin’ny forum MyDago !

    Misty mirediredy aho ,ry sahy milaza fa misy miaramila roa na teo tapitrisa hono any Mdagscar !
    Ary eto frantsa dia 120000fotsin !
    Angamba tsy takitry ny sain’io olona io izany tapitrisa iazny, ?
    Firy marina Razoky ny isan’ny Foloalindahy any Madagasikara ?-IMAHAKA !a isaina atao miarmila aza
    ny réservistes sy ireo efa miarmila nisotro ronono..dia tena beloatra ny tapitrisa !
    Ireo miaramila am-perin’asa dia 20000 ny miaramila ary eo amin’ny 10000 na 15000 ny zandary !
    Tsy ataoko ao anatin’ny Foloalindahy ny Police sy ny mpiasan’ny douanes…!
    Mba fantatrao ve ny vola entina maeloa ny miaramila.Roa na telo tapitrisa dia ny Sinoa no mey manana izany isa izany.
    Fa angamba mifoka rongony na ne te-hiteny ny zavatra tsy fantany ity olona ity..!
    Tsy aleo ve r’IMAKAHA mangina toa izay mirediredy toa izany..!
    Be anie r’IMAHAKA ny mivadika ati-doha amin’izao fahasahirana izao e !

    Mampamangy an(Dranabavy any..! Mety handalo any Aminareo Izahay fa ho hita eo e !

  • Lesabotsy dit :

    Mikasika ny parlementea rehetra tamin’ny andron’i Ravalomanana Marc haverina eo amin’ny toerana nisy azy teo aloha izany vao misy démocratie eto Madagasikara. Tsy mahavaha olana izany ary tsy misy olona hanaiky an’izany eto. Inona marina moa ny dikan’ny teny hoe retour à l’ordre constitutionnel amintsika eto Madagasikarara amin’izao?
    Araka ny fomba fahafantaraka,dia ny fametrahana iombonan’ny ankolafy efatra ny REPOBLIKA faha efatra, fa tsy hoe fametrahana an’i Ravalomanana eo amin’ny toerany naha filoham – perenena azy teo aloha akory.Tokony hazavaina tsara oloha ny fomba fahazoana ny teny.

  • Freddy dit :

    Azafady mba atovy mazava ny resaka Radoko Selesy a ! Iza moa ity IMAKAHA lazainao ?

  • jacta dit :

    MINOA FOTSINY IHANY dia andraso amin’izay ny fifidianana fa aza dia mieritreritra lavitra loatra, ny vahoaka efa minjaly noho ny ADY POLITIKA-DOZA tsy misy ilaivana azy.

  • denise dit :

    Tsy hahita akory fa miareta tory e!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Vos idées et arguments sont valables.
  • Utilisez avec modération les majuscules pour vos mots entiers. Vous n'en serez que mieux lu(e) et compris(e).
  • Les insultes et grossièretés sont les moyens de ceux qui ne trouvent plus de mots cartésiens et raisonnables.