.
Nanao valandresaka hoan’ny mpanao gazety io hariva io ny « alliance democratique », nahitana ny antoko TIM, MFM, Teza, AMF3FM, Madagasikara Firaisakina. Mahakasika ny raharaha 07 febroary sy ny fitsarana mitanila no ventin-dresaka tao nambarany fa :
Hatramin’ny nandraisan’ny FAT ny fitondrana tamin’ny alalan’ny fanonganam-panjakana dia nanjary fitaovana entina manampim-bava sy managadrana ireo rehetra tsy mitovy hevitra aminy ny Fitsarana eto Madagasikara.
.
Porofo mitohoka amin’ny tenda mampiseho ny fitohizan’izany ankehitriny ny fomba fitondrana eo anoloan’ny fitsarana ny raharaha 07 febroary. Ny filoha Marc RAVALOMANANA sy ny avy ao amin’ny Ankolafy tarihiny ary ny miaramila sy zandary ary polisy izay nanantanteraka ny adidiny araka ny voatondron’ny lalà na (marihana fa ny lalà na no manery ny mpiambina hiaro avy hatrany ary tsy miandry baiko ny Lapa-panjakana : « ordre de la loi ») no entina hotsaraina fa hodiana tsy hita ireo tompon’andraikitra hafa tamin’iny raharaha iny :
- Ireo atidoha nikotrika sy nitarika olona (Rajoelina, Ratsirahonana, Monja Roindefo sy ny Governemanta an-dalambe najorony) haka ny Lapa-panjakan’Ambohitsirohitra izay iaraha-mahalala fa faritra mena ;
- Ny Praiministra tamin’izany izay mody atao vavolom-belona ankehitriny, nefa isan’ny tompon’andraikitra vaventy teto amin’ny tany sy ny fanjakana ;
- Ny Ministry ny fiarovam-pirenena tamin’izany isan’ny Tompon’andraikitra voalohany ihany koa, ka notoloran’ny Fitondrana Frantsay marim-pakasitrahana « Légion d’honneur » tato aoriana ary nataon’ny mpanongam-panjakana ministry ny atitany !
- Ny Lehiben’ny EMMO-REG tamin’izany izay tsy nahavita ny andraikiny tamin’ny fisakanana ny olona tsy hanatona ny Lapam-panjakana, nefa ireny iaraha-mahita ireny ankehitriny ny fandravana amin-kery ny hetsika tontonsain’ny mpanohitra izao fitondrana izao !
Manoloana ireo toe-javatra ireo dia takianay ny hitondrana ny raharaha 07 febroary eo anoloan’ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-pirenena (Tribunal Pénal International) mba hisian’ny fanadihadiana tsy miandany ary fitsarana tsy mitongilana hanasazy ireo tena tompon’andraikitra tamin’iny raharaha iny.
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:





Merci aux TIM, MFM, Teza, AMF3FM, Madagasikara Firaisakina.
Voilà , … les preuves sont à la portée de TOUS,
lequel TOUS est un multiple de MILLIONS!
Tsara be lay hevitra amin’izay tsy mitanila ny fitsarana.Ry Andriamatoa Ranjeva no tokony ho resahina amin’izany miaraka amin’i Ramatoa Naika Eliane ary Patricia Lehmann.Dia antsoina ireo magistrat mitokona hanampy amin’ny fandrafetana ny atonta taratasy ilaina rehetra miaraka amin’ireo miaramila efa misotro ronono izay niasa tamin’ny fitsarana miaramila hanome tanana amin’izany.Mazava ho azy fa ny sociétés civiles sy ny GTT dia antsoina hitady olona mpahay lalà na iraisam-pirenena hanohana amin’izany fandrafetana antonta taratasy izany.
Tsy tokony hipetrapetraka isika fa dia mitohy ny tolona, ho tonga @ faha roa taonanay @ fangalaram-pahefana ry RAdomelina sy ny FOZA.
Misy fitaonany ny zava-drehetra, aminy azony ny fitondrana satria mahay manao herisetra sy manana basy ry zareo na dia vitsy, fa ny bala no miha lany fa ny vahoaka tsy mankasitraka maro noho ny bala. Misy farany ny zava-drehetra ka dia afaka mifaly sy manga;latra ny FOZA fa ho avy ny tsy mety ary eo @ fifidianana mifankahita.
Hevitra mety ny hitondrana ny raharaha any @ TPI, manampy ny dossier izay efa napetraky ny GTT.
Mitohy ny tolona ary masina ny Tanindrazana
Tena hevitra tsara mihitsy izany ka
Aiza ka ry zareo manao fahadisoana indray avo vava aleo andeha amin’izany mihitsy , hita eo zay tena topon’andraikitra taminy raharaha 7 febroary , fa angaha moa ny fitsarana ankehitriny sahy mitsara any radomelina sy ny fatin’alika
Mitohy ny tolona tsisy manaiky resy eo
Masina ny tanindrazana
Manohana tanteraka izao hevitra tsara izao izahay. Efa manjaka loatra eto Madagasikara ny tsy fahamarinana.
misaotra antsika rehetra manohana an’io soso-kevitra io, ar misaotra an’ny My Dago.
Tsy tokony ho valan-dersaka fotsiny izy ity fa arahan-k’asa mivaingana mihitsy!..
Izaho aza mbola te-hanamafy hoe: maninona moa i My Dago, na izay mikarakara an’io « dossiers » io raha manangon-tsonia sur forum (récolte de signature) dia ampiarahana amin’ny « rapport » izay alefa any amin’ny TPI any? Mety voa mainka manamafy ny zava-marina izany!… Sa ahoana ny hevitrareo?
Fa inona no antenainareo eto e? Vahoaka efa manaiky ny ho andevozin’i Frantsay. Ny miaramilan-tsika efa mpamadika sy tsy misy hery, vehivavy aza mbola mahery. Ny mpivarotra tanindrazana sy ny mpanendaka manampahaizana mahafehy ny heriny sy ny toerany. Izao indray nangalan’ny Frantsay 30 lahy ny miaramila hoe hilahatra amin’ny 14 juillet, nefa ny tena marina dia homena formation rapide any France mba hiaro ireo Jiolahim-panjakana. Izao misy olona firy ianareo eto amin’ny MyDago manao vavany fotsiny? Ny Ambassade Amerikanina efa manomboka miarotena. Dia hoy aho hoe: »Ho raikitra ny gidraka eto MAda »
Mety ary ankasitrahana ny hetsika ataon’ny Alliance démocratique..sy ny fanapaha-kevitra noraisiny..Tsy misy ho kihanina na hampiana izany…
Mazava sy mitombona ny fiampangana an’io tranga teny Ambohitsirohitra io koa tena ilaina ny fitsarana io heloka bevava io !
Mahagaga fa rehefa misy hetsika toa izao dia maro ireo te -hijapy izany hevitra izany ka dia ireo fa miseho daholo ireo « spécialistes mpampamoa ny varavarana efa midanadana ! ».
Asa na ilaina ny tosika momba izany satria fistarana io fatsy fiadian-kevitra..!
Ny fiampangana mazava..Ny » dossiersn’ny heloka bevava mafonja « ,koa tsy hitako ny antony hanaovana izao sy izao izay tsy ho tonga any amin’ireo mpitsara ,izay hitsara « selon leur âme conscience et en toute indépendance des faits avérés « ! !
Mety ilaina ny fanaraha-maso mba hahafantarana hoe aiza ho aiza ny fizotran’lay dossier indrindra eo amin’izao fisokafan’ny fotoam-pialan-tsasatra izao..!
Tsy efa nitabataba nanao io hetsika io ny gtt iray ? Maro mantsy izy ireo ka tsy hay intsony izay nikoaka sy nihevina ?Koa aiza sy inona no vokatr’io hetsika io ? Sa tabataba sy horakorako sy kopakopaka fotsiny ?
Tsara io soso-kevitr’i Ziry io fa tokony atao haingana.Mitady ny hanitatra ny dialogue national ry zareo HAT hialana amin’i MAP.Tsy miala amin’ny MAP isika satria ny questionnaire karakarain-dry zareo dia tsy maneho ny safidim-bahoaka.Hita mihintsy hoe:sciences-po no ao ambadik’i TGV fa tsy misy ho voarebirebin’i Joyandet-doza eo.MAP ihany na miala Rajoelina.
Efa betsaka ny fangatahana sy faniriana hatramin’izay fa toa tsy misy lasa lavitra kanefa dia hevitra tsara daholo.
Eto amin’i MyDago dia mbola ahitana lahatsoratra mitombona sy misy ventiny fa indrisy iza marina moa ianareo ? iza ny TIM, iza no GTT, iza no collectif? Iza iza iza ….? mbola misy indro kely ny tolona satria toa samy manao izay hanitra ho azy KA izay te hanampy dia tsy mahalala hoe ho aiza ka haninona ?
Asa aloha fa io fizarana io dia ahitana fa mbola misy ny tsy mety.
Heverina ihany koa angamba fa misy fomba hazoana mangataka hoe aiza ho aiza ny toe-bola eto. Ary tsy ireo mpanongam-pahefana ireo no tokony hanome izay tiany hambara fa fikambanana tsy miantoka.
hiotsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha,
_http://www.mediapart.fr/journal/france/010710/le-ministre-du-budget-rembourse-30-millions-deuros-liliane-bettencourt
enga anie ka hisy vokany ny hetsika atao! io zao no antenaina ampiseho ny marina rehetra! dia misaotra ny mpikarakara
ZIRY ONESIME
>>>>>Manohana tanterak ny hevitrao kosa aho ka ! Tena mety sy marina izany.
Maro dia maro ny sary hita tamin’ny Internet, azo atao anaty dossier daholo ireny, raha ny hevitro, miaraka amin’ny Taratasy izay tsara karakaraina tokoa .
Ny indro kely dia izao : Efa maro izay hevitra nipongatra ho hatao izay anefa dia maty an-dà lana ny ankabeazany. Andao, andao, anefa tsy misy fahatanterahany, fa very an-javony fotsiny.
Koa tolorina an’i MyDago indray izany ny famoronana PEJY MANOKANA izay hanaovan’ny rehetra sonia na PETITION.
Raha sanatria moa ka tsy afaka ny hano izany MyDago, dia milela-paladia ny Collectif GTT International, hamoaka izany PEJY MANOKANA IZANY, mba tsy ho resaka be fotsiny.
Ny fotoana sarobidy, ka izay haingana no mety sy tsara.
Ny tsy azoko fotsiny : ilay titre milaza hoe halefa any @ TPI ilay affaire ny 07 février. Nefa ireto olona ireto milaza fotsiny hoe « takianay ny hitondrana ny raharaha ». Takiana any @ iza ? Any @ FAT ?
Avoahay ny marina é!!! Andriamanitra tsy andrin’ny Foza andrinay!!!
Fa tena tsy azoko mihitsy ilay fomba fiasa. F’angaha moa tsy efa nisy « dossiers » napetraky ny GTT any amin’ny TPI?
Ary ny tena mampiteny ratsy sy mampanontany tena mihitsy ny amin’ny hoe misy saina ve sa isika manao zavatra sa dia mitovy amin-dry zareo HAT ihany koa amin’ny fomba fiasa dia ny hoe efa nomena hevitra na ny GTT international, na Collectif GTT, na ireo mpitolona any Madagasikara ny amin’ny zavatra tokony atao sy ny antony anaovana azy. Izao anefa dia toa tahaka ny hoe hevitra vaovao ilay ho any amin’ny TPI kanefa efa ny ampitson’ny 17 martsa 2009 no efa nolazaina izany. Fa inona ity fomba fiasa ity e?
-Ity serasera ity zalahy rsy ampy velively satria be no tsy afaka mampiasa na be loatra ny lalan-kombana eto amin’ny tranokala;
-Raha resaka PETITION zalahy be izay efa nisoratana izay fa leo tsy mitondra mody koa.
-Marina ny voalazan-drAlidera A.R. etsy ambony, tsy lavorary izay hatao satria miparitaka ary be loatra ny hevitra indray mitompa kanefa tsy voantontosa hatramin’ny farany.
INONA ary no hanombohana azy ?
Aiza isika no hiara-mirona mba hahafantatra sy hampahafantatra ny be sy ny maro e ?
Mba miangavy re Tompoko o !!!
aiza ilay tana-maro e ????
MBA HAFAINGANO RE NY FITONDRANA NY DOSSIER FENO SY MAFONJA ENY AMIN°NY TPI. ENTINA FA TSY HANGATAHINA ENTINA. RAHA ILAINA DIA MIFAMORY NY LEGALISTES AZO ANTOKA ARY HATSANGANA NY VAOMIERA HANOMANA IZANY DOSSIER IZANY MIARAKA AMINA MPITSARA VONONA TSY HITONGILANA ARY TENA HANAMPY. MIHAZAKAZAKA NY FOTOANA ARY TSY MANAO AFA TSY NY MI-DIABOLISER NY FILOHA RAVALO IRETO FATY IZAY TENA TSY MANAO NA INONA NA INONA AFA TSY NY MIHINANA VOLAM_BAHOAKA SY MANGEJA NY TSY MITOVY HEVITRA AMINY.NY VAOVAO AQZSO NY FARITANY DIA NY FAFY LAINGA NY RADIO NY FOUZA KOA AZA MITAREDRETRA RE ISIKA FA AOKA HO TENA VONONA
sAMY NAHENO NY FILAZAN ‘NY FILOHA RAVALOMANANA MARC ISIKA NY 08 JOLAY !
Tamin’io resaka nataony io dia nanome vaovao izy mikasika ny fanongam-panajaka..izy.Hivereno henoina ilay izy fa voalazany fa ny Firenena mikambana no hisahana ny Fitsarana mikasika iny korontana iny..!
Raha ny fijeriko ary ny fandraisako ny tenin’ny Foloha RAVALOMANANA MArc DIA tsara NY NANDRAISAN4NY firenena mikambana io olana io §
kOA NY HO TOHIZANA VE NY hetsiky ny ALLIANCE DEMOCRATIQUE IZAY AO ANATIN4NY MOUVANCE RAVALOMANANA MARC ?
ny tokony tsy adibnontsika dia hoe ny tafiak malagasy dia natao hiaro ny tombontsoa frntsay,araka ny voasoiratra ao amin’ny accord de coopération,izay bo voalohany indrindra,
Izay vao hanomboka ny raharaha matomatotra kokoa : ONU, TPI sy ny sisa!
Matoky isika rehetra e fa hisy farany daholo ny zavatra rehetra e!!
A l’ instar de bon nombre de téléspectateurs, lecteurs et auditeurs, j’ ai été particulièrement sensible à l’ analyse que Raymond Ranjeva a faite – au cours de ces derniers temps – de la crise politique de ces derniers mois à Madagascar; de même que sur la recherche de ce que l’ on appelle communément la » sortie de crise « , notion malheureusement galvaudée aujourd’hui compte tenu du trop grand nombre d’ entités, de vrais – faux partis politiques et/ ou associations dites civiles; mais, derrière lesquels se cachent des visées politiques se réclamant tous du bien – être du « vahoaka » ( encore une notion utilisée à toutes les sauces ! )
Voilà , un homme intègre, plein d’ expérience, dont les interventions restent neutres cad non partisanes contrairement à tous ceux et toutes celles qui ouvrent la bouche et dont on connait la casquette politique qu’ ils ( elles) défendent .En fait, à Madagascar, on est actuellement en plein délire politique, où la démocratie – sauvage tend de plus en plus à être de mise. Croyons – nous sincèrement qu’ au nom de cette prétendue démocratie pouvoir sortir de cette crise délétère? On n’ en est plus au stade des quatre mouvances; mais, d’une foultitude de mouvances.L’ institution de celles – ci a été donnée par Andry Rajoelina en personne pour faire perdurer la crise et profiter au maximum de la situation ainsi créee ; d’où, les déclarations intempestives de ses émules de la HAT et autres pour défendre ce qu’ ils appellent tous les » acquis de la transition ». Avec un peu de jugeote,posons – nous la question : à qui profite vraiment la transition actuelle ? Les légalistes devraient dresser avant qu’ il ne soit trop tard le bilan de la mauvaise gouvernance, les faits du prince, de TGV et de la HAT au cours de ces 17 mois de crise. Que représente la CI – France, Turquie, Sri Lanka, Pakistan , Grèce, Libye … – dont se targue Hypolite ? Ce sont tous des pays préssés de faire du « business » avec des dirigeants de passage ( lire, de transition )
Bemafohy
vaovao farany : démission i joyandet …kaboty indray ny dossier fransafrika!
very indray i Andry
Rakotoson
misaotra miteny ny intervention i Raymond Ranjeva
hoy izy hoe:fa mila « potserina ny vay »
sy hoe Ravalomanana vaofidy indro
Andry tsy nisy nifidy azy………..
Taloha mpivavaka be ny zanaky dada fa @izao soratin’i Bakary izao lasa teny ratsy no hita eto angamba mety taktika vaovao hampandroso ny tolona io.Minoa fotsiny ihany hoy i dada.
Potika tanteraka i TGV sy ny tariny raha vao mandeha eo io fitsarana io. Betsaka ange ny porofo manameloka an’iry zalahy ireo raha tena amin’ny rariny no hanaovana ny fitsarana. Matoky aho fa ho tanteraka io satria efa miditra an-tsehatra Raymond Ranjeva izay vice-président-n’ny TPI.
Ry ingahy Bakary, raha ny eto an-toerana no hiandrasana dia sarotra ny raharaha satria i TGV izay tokony ho melohina indray no miseho azy ho mpanameloka. Ny TPI dia an’ny firenena rehetra.
mapihomehy ahy daolo ko nareo ato!!! sao d i dada no potika tam raharaha 07 febroary sy ireo mersenera nokaramainy anisany izany ny anadahiko!!!!
hita fa vendrana foana ny TGV, tsy efa mazava ve irena ampamoaka ireny,
mahandrasa fa efa tsy ela intsony ny farany dia hamafa ny kho ianareo mianakavy.
I dada tsy mikitika anareo avelao amin´ny toerany maha filoha voafidim-bahoaka ho azy,#fa mahatatesa ny valin-kitsaka ianareo TGV fa hivly aminaeo ny fanonganam-panjakana nataonareo sy ny alahelon´ny vahoaka malagasy, vonoinareo sy nampahantrainareo mianakavy,
i Bakary mody manao « zanak’i Dada », miteny ratsy hanosoram-potaka ny ZANAK’I DADA ! Taktika toy ny KODETA teny Ambohitsirohatra iany no averin’ny Hat. Tena TGVendrana marina !!!
P.S. : Tina=Nadia/Rakrisy