
mahandro sakafo
Tsy ny toko be telo any Toliara izay tena hita tokoa ny hafanan’ny fitiavan-tanindrazany, na ny ankolafy telo izay mampiseho hatrany fa ny fihavanana sy ny fifamelana eo amin’ny samy malagasy no vahaolana amin’izao krizy izao, na ny tarika Toko Telo zana-dRebika na i Telofangady izay mpanankato manandratra ny maha-malagasy : « manana ny feo gasigasy, ny feom-baliha, ny fitafy tsotra tena gasy » no horesahana eto fa ny :
- CCC : (Comité Consultatif Constitutionnel) na ny filan-kevitra momba Lalam-panorenana tarihan’ny Florent Rakotoarisoa izay anisan’ireo manampahaizana nanana olana tamin’i fitondrana teo aloha. Nanambara fa tsy andraikitry ny CCC mihitsy ny fihemoran’ny datin’ny fitsapan-kevi-bahoaka,  manao toy ny « lelon-jaza » lava izao. Tsy andraikiny ihany koa fanendrena ny daty ary tsy afaka ny handrafitra volavolan-dalà na momba ny Lalà mpanorenana mihitsy ny CCC .
.
Raha izany, inona moa no ilavana ny CCC ity? Miandry baiko avy amin’iza izy? tsy avy amin’ireo FAT nanendry azy ireo ihany?
.
Ireto avy ny mpikamba ao : Florent RAKOTOARISOA, RAZAFINDRAKOTO Misa, Joël ANDRIANTSIMBAZOVINA, RAJAONARIVELO Théogène, Général ANDRIAMISA Amédée, Patrick RAJOELINA, ZAFERA Maxime, R. RANDRIATAVY Lovamalala, N. NJARA Ernest. - Raiamandreny mijoro : tarihan’ny pasitera Ramino Paul, mpikambana mavitrika ao amin’ny antoko AVI naorin’ny Ratsirahonana Norbert izay anisan’ireo ati-doha nikotrika ny fanonganam-panjakana. Raiamandreny izay efa « nandainga indray mandeha sahady » raha nilaza fa « hanatanterahana ny fihaonambem-pirenena alohan’ny fetin’ny Fahaleovantena amin’ny 26 jona », ny filazany daty hanatanterahana ny dinika santatra sns… efa hitantsika ireny ny tantara.
.
Tsy to-teny eo anatrehan’ny vahoaka ireto miseho « Raiamandreny mijoro ireto », misy faritra sahy manizingizina mihitsy fa tsy mahasolontena azy velively ireo.Tsy to-teny ihany koa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izay nilaza fa ny fiaraha-mitantana ihany no vahaolana.
.
Ireto ny mpikambana ao : Tilahy Robert, pasteur Ramino Paul, Madeleine Ramaholimihaso , Gisèle Rabesahala, ny Jeneraly Razafitombo Léon , Ny Pr  Njara Ernest, Ny mpanjaka Tsiaraso IV, Ramasitrakarivo… - CENI : (Conseil Electoral National Indépendant) tarihan’i Me Hery Rakotomanana. Na ity anarana entiny ity aza dia efa nangalarina tamin’ilay rafitra saika hajoro tao anatin’ny fifanarahana Maputo. Izay midika sahady fa kitoatoa sy vonjy tavan’andro. Ingahy Andry Rajoelina rahateo no nanendry ny mpikambana ao tamin’ny filankevitry ny ministra, décret n°2010-141, noho izany dia ny ankolafy tokana ihany no namolavola io fa tsy niaranah’ny rehetra.
.
Ireo mpikambana ao : Rasoatsinampoizina, Aubierge Sidonie, Bruno Rakotoarison, Mamy Auguste Andrianirina, Marie Gisèle Ranampy, Hanitriniala Rafolisisoa , Hary Tiana Ralevasion, James Ramarosaona , Yves Herinirina Rakotomanana , Gervais Tehindro , Henri Rakotoson , Jean, Fanomezantsoa Rakotonirina, Fredon Armand Ratovondrajao, Frediss Alvin Raherison, Maria Sylvie Raharinarivonirina.
.
Marihana fa ny fanendrena ireo dia niteraka ady hevitra lehibe tokoa, raha tsy hiteny afa-tsy James Ramarosaona izay misolontena ny mpanao gazety, hono, iza tamin’ny mpanao gazety no nifidy sy nanendry azy?, toy izay koa ny solontenan’ny  fiarahamonim-pirenena.Ny mpisolovava Me Fredon Armand Ratovondrajao moa dia tsy zoviana amin’ny mpanara-baovao fa anisan’ireo zanaka an-trano ny antoko AVI.
.
Izany rehetra izany no midika fa ny ankolafy Rajoelina irery no nanendry an’io CENI io.
.
Toy ny efa nambara tany aloha dia anisan’ireo « rafitra » mandany ny volam-panjakana fotsiny ireto satria mbola miainga ao Ambohitsirohitra ihany ny fibaikoana ny Toko telo tsy mahamasa-nahandro. Toko tapaka, vilany mitongilana, izay tsy mety harenina hoy ny Ntaolo e!
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:

RAD avy aiza ireo? Nateraky ny FAT ireo sady misoloky ho RAD. RAD complice Putchistes ireo. Esory any fa mamofona FATy
Azafady, azo atao @ teny frantsay na anglisy ho anay tsy dia mahay loatra ny teny malagasy fa indrindra ho an’ny maro any ivelan’i Madagasikara tokony hahalala ny zavamisy? Misaotra tompoko.
hafa mintsy ity ni demisionina ingahy A . Joyandet n’y sasany misy antony ao na dia hoe tsy miankina @ raharaha n’y Madagasikara aza antenaina hisy fiatraikany @ fiverenana @ aradalana eto @ ity Nosy mamintsika ity.
Tena tsy manao hafatsy ny minam-bolam-bahoaka ny mpikambana CENI izay mihisa 16:mahazo fiara 4X4 iray avy ireo mpikambana ireo, entoana Canal Satelite any antranony avy, mahazo ordinateur portable iray avy etc…etc…Dia ho azo antoka ve amin’izany ny fahaleovantenan’ireto mpikambana ao amin’ny CENI ireto satria toa efa corrompus d’avance ireto izy?
On recule au lieu d’avancer, oh elle est bien belle la souverainété si prônée par la HAT:
- Faut apprendre à nos enfants la signification et en quoi consiste le mot LOGIQUE afin d’éviter autant que peut les contradictions.
- Prendre comme illustration l’idée malgacho-malagasy prônée par la HAT et dont le sens est « souveraineté du peuple sous le joug de la France (HIC!) »
PETA-TOKO daholo ê! Que de vertes et pas mûres!
Merci, l’article vient à -propos en ce moment.
Ramalagasy,
il ne peut qu’être enfin raisonnable en démissionnant le FrogMan de A. Joyandet.
C’est le plus méprisable des diplomates que j’ai jamais entendu et ce la toute première fois…
HoAiza
raha mba madaitra hoatra izany ny fitsikerana voamarina ataony vahoaka eto Atanidrazana fatsy arahina heripamoretana s’y fanaovana be marenina fotsiny izao.Manoboka miaro n’y rambony ihany koa ingahy fohy kely ,tantara mitohy antenaina hanova zavatra io ingahy pibata gony indray nô misolo azy mety ho ikotozafy ihany nô lekisisy asa ré……
toute façon tous que est pour …. sont devient dingue.
La démission de JOYANDET est due à la polémique sur sa petite fantaisie de 160.000 euros affr^tant légèrement un jet privé pour la Martinique
A cela s’ajoute un non respect de la loi relevé par le préfet du Var : ce monsieur s’offre une construction illégale dans une zone protégée! se crotant au dessus de la loi…
…en clair il ne ressemble qu’à toute la mentalité de voyoucratie qu’il entretenait dans la françafrique qui convenait fort bien à notre DJ national
Le canard enchainé ne l’a pas loupé
Sarko en profite pour planquer le scandale bien plus grave de Woerth /Bettencourt…(CONFLIT D’INTERET)
Fumée…enfumage
la lutte doit continuer contre cet esprit de républiqe bananière , tous azimuts.. .
inona indray ny rediredy ny ity illétré ity ????
pour les foza et cie, Alerte !!!!!
les wagons de tgv se détachent et à chacun son tour car les merdes jusqu’au coup étouffent m^me si les foza ont des pinces
Blanc et Joyandet démissionnent du gouvernement
Deux secrétaires d’Etat, Alain Joyandet et Christian Blanc,
Toko tapaka ireo ka mampianjera vilany ka mila esorina haingana !