.

.
Malgacho-malgache , tena vita gasy marina !
.
Dia ireny niaraha nahita ireny fa dia ady saritaka no niafaran’ilay fikaroham-bahaolana amin’ny samy Malagasy na ilay antsoina hoe « malgacho-malgache », tena azo lazaina hoe : » ady an-tsena » mihitsy e! Be no miandrandra vahaolana kanefa toa hita hatreto fa ho sarotra ny fandidiana. Nitombo isa indray manko ny mpitady seza. Ny mpanelanelana ihany koa (cnosc) tsy mahafehy ny fampihaonana. Tsy tokony ho natomboka ve ny ady hevitra raha tsy efa vory ny « mpifanandrina » rehetra ? I zay vao mandinika ny ady hevitra rehetra ? Tonga amin’ilay fitenena zary lasa ratsy hoantsika ny hoe tena « vita gasy » marina !
.
Rajoelina no sakana !
.
Ny antony lehibe mahatonga izany, dia tsy ilay fototry ny olana no vahana, fa vao maika aza ampiana olana hafa indray. Ny olana teto Madagasikara manko dia ny fanonganam-panjakana. Noho izany, raha tsy miala eo amin’io fanjakana io ny mpanongam-panjakana tsy ho voavaha ny olana politika eto, mila tetezamita « inclusif, consensuel, neutre, crédible » mantsy ny fianakaviam-be iraisam-pirenena, hatreto anefa tsy i Andry Rajoelina mihitsy io tsangan’olona io !
Sady tsy mety miala hitondra ny tetezamita i Rajoelina no mandà ny fampodiana ireo filoha roalahy hikatsaka vahaolana eto. Tsy mahavaha olana araka izany Rajoelina fa toa « vato misakana » hoan’i Madagasikara fotsiny.
.
Mila « raikipohy » vaovao !
.
Tsy sanatria hanakiana be fahatany ny ezaka hataon’ny Cnosc sy ny raiamandreny mijoro akory isika, fa tsinjo sahady fa raha tohizana amin’io endriny io dia ho hevitr’olon-tokana hatrany na ilay « unilateralisme côté HAT » ny fehin-kevitra mivoaka eo. Na aato kely io fivoriana eo Vontovorona io ka « hampodiana » indray ireo « nisitaka » vao tohizina ny dinika. Na hajanona tanteraka mihitsy ka mitady « raikipohy » na formule vaovao indray ny famahana krizy.
Azo eritreretina ve ny « fanerena ireo lehiben’ny ankolafy rehetra hikaon-doha » indray ka eo ambany fiahian’ny satroka manga na ny SADC ? na ny « handraisan’ny miaramila ny fitondrana » indray? sa hotohizana amin’ny ady gasy eto dia vitan’ny moramora sy ny tsetsetra ary fihavanan’ny Ikotofetsy sy Imahaka eto?
.

ady saritaka

ady saritaka



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. TGV – Tafika Gasy Vonona ?
  2. Vahaolana FAT : GADRA !
  3. Hitondra vahaolana sa handamoaka i Pretoria?
  4. Miaramila sa inona ve no vahaolana ?
  5. 19 jona, mifohaza ry Gasy !

22 Comments

  • tonton dit :

    izay anie no nahatonga hoe : male gache e!

  • HoAiza dit :

    Aoka fotsiny, tsy misy fahendrena. Tsy nataotao foana ny ohabolana hoe « ny hendry mody voky, ny adala manesika ihany » rehefa tojo savoritaka to’ireny.
    -
    Itony ReBOZA(ka) Julien dia efa ny fo sisa no mibaiko ny zavatra hambaran’ny vava.
    F’angaha hono izy iny Afrikana Fotsy? or Yellow (asiatique)? or Grey (Egyptien)? A B S U R D E !
    Hoatry ny olona enragé lava izao ingahy iny rehefa miseho télé. Ankehitriny dia TSY MAHAFEHY TENA SY TENY ao anatin’itony fivoriana (izay hitodian’ny mason’izao tontolo izao aty amintsika), no mametaka ny anaran’ireto iraky ny Sadc hoe « ces Noir-Africains »?!
    -
    Ambany dia ambany ny niveau intellectuel-nao Reboz’ô!
    Alefaso Mailaka any aminy itony ry MyDago an:
    « Ceux qui ne sont plus capables de faire valoir leurs idées versent dans les insultes et les grossièretés ».
    -
    Mivadibadika ho péjoratif toa ny fiteny hoe Gasy teo imason’ny FrancTay taloha, ilay terme hoe Malgacho-malgache!

  • HoAiza dit :

    F’angaha ny race-ndry Reboza Julien hono Gena, no milaza ampahibemaso ireto iraky ny Sadc ho « Africains mainty » ê!
    Ireny olona ireny no efa tsy ao intsony, ny fo sisa no mibaiko…

  • jacta dit :

    Io nge efa mazava hatrany MAPUTO ka hatramin’izao fa ady SEZA no betsaka ao e!,ny hoe heverina iRatsiraka sy R8, amiko filana kisa (sotasota) fotsiny izany.Ireo mpanao politika zato sy arivo ireo ve dia tsy havaha ny olana raha tsy eo izy roalahy?.Ny vahaolana dia tsotra, efa adin’ny samy an-toko izao fa tsy akolafy intsony ,dikany ny rehetra no mandray anjara sy midinika ao. Farany izay tsy hanao avelao ho hitan’ny havany eo fa arosoy izay vahaolana malaky fa miandry ny vahoaka. Ny vahoaka no tompon’ny FAHEFANA sy MASI-MANDIDY eo amin’ny taniny.

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    amin’ny fandrindrana ny fitadiavana ny vaha olana , dia misy fangatahan’ny Communaiuté internationale mitaky ny ny fandraisan ‘ ny Malagasy eo aùin’ny izany fitadiavana vaha olana , miankina min’ny fifanarahana nosoniavina tany MAPUTO..
    Raha halalinina io fangatahan’ny CI io dia tsy ny Malagasy no mandinika ny votoatin’ny accords de MAPUTO , no manapaka farany alohan’ny fampiarana ny  » Accords tatsy MAPÜTO !
    Efa tapakin ‘ ny Communauté internationalme ary efa nosoniaviny io Accords io , ny ankolafy efatra koa efa nanaiky sy nanao sonia…!
    IZANY HOE NY ACCORDS TATSY MAPUTO EFA « AZO AMPIARINA « -APPLICABLE – RAHA TSY NANALA NY SONIANY Irajoelina voavidy sy mpanantanteraka ny baikon’ireo mpanjanaka monina eto M.sikara (ireo taranaky ny colons )ary tohanan’ny
    fitonrana frantsay !

    Dia nanjary nitarozaka nandritry izay erin-taona mahery izay !

    Dia ity ny analahidy noraisina : ilay fifandinihana malagasy – malagasy (izay ny ankolafy efatra no no nisolo ny Malagasy Rehetra ) dia hitohy io fifandinihana malasy -malagasy izany fa ilay ankolafy rajoelina dia miaraka amin’ny antoko paolitika !

    Ny CONOS (sociétés civiles ) no mikarakara izay ary koa manantanteraka ny fihaonan’ity « fikambanana paolitika miampy ny CONS amin’ny ankolafy telo (zafy ,ratsiraka nravalomanana marc )!
    IREO NO HANAO SONIA VAOVAO NY ACCORDS TATSY MAPUTO SY NY TOVANA TERY ADDIS AADEBBA..!

    Hisy ady saritaka ve , Hisy sahy hanakorontana iany fihaonana izany ve ?
    Raha mamaky sy mamakafaka symandinika lalina tsara ny votoantin’ ireo accords ireo délégasionina dia azo hinoana fa na eo aza ny hevitra samy hafa ,dia azo heverina fa tsy hisy ho sahy hampandamoka ity fihaonana sy fandinihina Malagasy – Malagasy , ary dia ho voasonia tsara ,manaraka ny Lalana iraisam-pirenena mifehy ny FIFANARAHANA -CONTRAT – toa itony !

    Ary mpelanelana – NY GROUPE INTERNATIONAL DE CONTACT – izay tarihin’ny PRESIDENT CHISSANO dia eo rahateo manaraka akaiky -fa tsy mandray anjara amin ‘ny adi hevitra – mba hanitsy raha toa mivaona ny adi-hevitra..

    Io GROUPE INTERNATIONAL DE CONTACT io IZAY SOLONTENAN’NY COMMUNAUTE INTERNATIONALE no manome antoka fa tsy hisy korontana ,
    KOA NY ADY SARITAKA IZAY METY HIRIANA SY KASAIN ‘ NY SASANY HISY DIA METY HO NOFINOFY IHANY..

    EKENA FATSY HO MORA NEFA IZA NO SAHY HANDISO FANANTENANA NY MALAGASY EO AMIN ‘ IZAO TANJONA NAHATONGAVANTSIKA IZAO ?

  • HoAiza dit :

    I ReBOZA(ka) Julien no tiako ho resahina ery ambony, tsy ao intsony io rangahy io, mendrika itony fampitandremana ataon’i MyDago itony:
    « Ceux qui ne sont plus capables de faire valoir leurs idées versent dans les insultes et les grossièretés. »

  • tanindrazana1 dit :

    Ady saritaka hoe? Izany no efa nitranga hatramin’ny fanokorontanana sy fanonganana nataon-dRajoelina, Raha dinihina ny resaka rehetra sy ny zava-nitranga rehetra teto dia mahagaga raha mbola matahotra an’i Ravalomanana ny HAT satria efa eo am-pelatanany anie ity fitondana fitaka ity e, saingy tsy manam-pahefana marina fa voafehin’ny vola sy ny fankatoavana iraisam-pirenena. Ka tsy mahagaga raha mbola toy izao foana isika hatramin’izany fanonganana izany. Tsy hisy vahaolana mazava akory eo raha mbola ireo no eo: Nanongam-panjakana ireo, nangalatra ireo, namono olona ireo, namitaka ny vahoaka ireo, dia heverinao fa hanaiky moramora eo? Na dia izany aza tsy hisy vahaolana maharitra ho hita na dia adi-gasy aza no terena hanaovana azy…

  • mpitolona dit :

    KA NAREO V HO GAGA FA TSY MAINTSY NY TOE-TSAIN’ILAY LAZAINY FA FILOHANY ( DOMELINA IO)NO TSY MAINTSY TAHAFIN’IRETO MPANARAKA E! SANKALITE RENY FA AZA TAO MAHAGAGA E!

  • Rafily dit :

    Izaho efa nilaza ary hamafisiko fa fandaniana andro sy vola io. Ny CNOSC dia niampy Ray aman-Reny mijoro(najoro)no mpanelanelana? tsy lasa io, efa fantatra ireo olona ireo. Efa leo crise isika ka lasa be finoana fahatany, ry Velompanahy, Rakotomavo, Pasitera Ramino sns… ve hiova hevitra tampoka nefa efa nanao ireny sortie unilaterale ireny?
    Izao ihany no izy, mihetsika isika vahoaka manavotra aina, aoka tsy hiandry mpanao politika sy societe civile hamaha ny probleme. Homen-tsika chance farany izy hifandinika sy hanome vaholana hatr@ faran’ny volana Septembra, vita izay, raha mbola tsy tafavoaka dia hofaizina ireo.
    Efa fantatra hatry ny ela fa Maputo ihany no solution @io nefa tena lalaovina eto isika. Tadidio tsara re olona ireo mpanao Politika be marenina sy be vava ireo fa hifampitady eto.
    Homany daholo ny fitoriana rehetra (asa very, bois de rose, tsena tsy milamina, mpitandro filaminana sandoka, fanodikondinana vola, fibodoana tanin’olona, fanagadrana tsisy antony, sns…)
    Izay aloha fa hifampita vaovao eto ihany isika, ary aza matahotra intsony, fa fanavotana ny aina ity.

  • Fred dit :

    Aoka samy handinika an’izao e :

    - Mahay miray hina toa ny Arabo – sinoa – frantsay – karana – sy ny sia ve isika malagasy ?

    - Tsy mifanambany sy mifanompa toa azy ireo ve isika ?
    - Raha afaka manao izany isika dia HIFAMPATOKY sy miara midinika , ka mitady hevitra ny hiraisan-kina hanoherana ity fitondràna HAT ity.Tsy ny fitanisàna ny tsy mety ataony no hampiova ny jiolahimboto, fa toa vao maika aza mandrangitra azy izany. NY FIRAISAN-KINA NO HERY ary mba mianara mifampatoky sy tsy mifamitaka.

  • Fred dit :

    CONTUMACE : « un DROIT FRANCAIS »

    qui juge SEM Marc RAVALOMANANA
    Cela veut pour l’interet francais !!!!!!

    Alors CONTUMACE a condamné SE Marc Ravalomanana aux Travaux forcés A PERPETUITE d’avoir été à l’origine des morts du 07 fevrier 2009.

    _http://tempsreel.nouvelobs.com/actualite/monde/20100828.FAP7368/madagascar-l-ancien-president-ravalomanana-condamne-a-la-perpetuite-par-contumace.html
    Tohizo leity r’i TGVendrana tsy vanona tsy mataho-tody a ! Mahatetatesa ny vali-kitska kosa anefa !

  • Lesabotsy dit :

    Tsotra fotsiny ny anay.Efa nanao assise régionale isika mazava ny valiny dia ny hametrahana lalampanorenana roa hisafidianana: ny lalamp – panorenana rzfitra federaly sy sy lalam -panorenana rafitra unitaire ka ny vahoaka tompon’ny fahefana izay andriaman – jaka no mifidy fantany ny mahasoa azy.
    Nanao dinika santatra tsy ela akory isika, mazava ny tapaka nanerana ny district 119:
    - ravaho ny HAT fa rafitra tsy fanatatra mazava tsara ny andraikiny sady mandany vola.
    - gouvernementa ihombinana na hapetraka.
    - lalampanorenana roa no hapetraka hofidianana.
    Raha tsy vitanareo ny hifanaraka dia hatsanganay kosa ny gouvernementa anay dia aleo hifampitady eto, iza ny ahazo reconnaissance ny communauté internationale.

  • Fred dit :

    - Tsy mandaitra amin’ny Lalàna Malagasy ny Fitsaràna CONTUMACE izay Lalàna….. FRANTSAY !

    – Etat Souverain ny Etat Malagasy
    – SEM Marc Ravalomanana dia mbola eken’ny CI ary mandray anjara amin’ny SORTIE de CRISE. Noho izany mbola izy no Prezidan’i Madagasikara.

    – Ny Fitondràna HAT dia TSY EKEN’NY CI.

  • Mbola dit :

    Araka ny fanazavana dia efa niaiky ny lehiben’ny Miaramila Mpiambina ny President fa nanome ny Baiko Hitifitra :

    Iza moa io Lehiben’ny Mpiambina ny President io ?

    ny Lieutenant Colonel CHARLES ANDRIANASOAVINA.
    Arynahoana moa i Charles Rabemananjara no ataon’ny olona hoe : Mpamadika ?
    Tsy fantatra loatra fa METY ho izy koa no VOATERIN’NY HAT hiteny hoe : OMEO BAIKO ny miaramila hitifitra : Tsy mitompo teny fatratra aho, fa METY ho izany !
    ary farany :
    Mba fitsaràna NATAO TAIZA io ?
    Raha tany Frantsa, tsy misy tokony hiaran’izany MIHITSY? satria raha malagasy tsaraina ivelan’i Dago, dia Firenena miditra amin’ny Raharaha tsy tokony hidirany.
    Raha miatra io Fanasaziana io , ka tsy mihetsika ny malagasy dia
    TSY MISY DIKANY NY MARS 1947 SATRIA, avy any ivelany (?????) ny fanasaziana. Ny fitsarana eto Dago koa mbola tsy vita, fa MBOLA AO ANATY SARITAKA.

    MIHEVERA IANAO RY MALAGASY !

  • jacta dit :

    Tsotra fotsiny io tsy misy sahy hitifitra vahoaka izany ireo miaramila ireo raha tsy misy baiko avy any amin’ny DEBABE. Iza avy ireo Deba ireo…?(matoa misy ny maty dia nisy ny nitifitra ary nisy ny nanome ny BAIKO). Ny majinika ihany no mingadra.Rehefa tonga i DADA tsy maintsy avoakany ireo!

  • Ravalo hatrany dit :

    SOKAFY NY MASO fa feno coup de theatre foana hatr@ voalohany

    aza manaiky voarebireby ry reto a!

    Coup de theatre daholo ny / Fev ny marina, tahaka ny namonoana ny Psdt Cl Ratsimandrava ihany koa io, hanontanio gle Ramakavelo desiré philippe fa hainy tsar io ,

    betsaka ireo olona novonoina efa maty no notanterina teny Ambohitsirohitra rehefa nipoaka ny basy, porofo ny bala nahafaty azy ireo bala, hafa ary nisy miaramila na polisy nitifitra hamono ny vahoaka t@ iny entina handotoana ny fitondrana Ravvalomanana syny SEM ravalomanna, nisy video hita teto, zareo nivory hanomana ny coup d´Etat, nisy ilay rangahy antitra izay nilaza, fa  » Isika tsy maintsy mahita motif hilazana fa ravlomanana namono  » Izay vao mety ny tetika,
    I general dolin nantona t@ ireny izany hoe fitaka daholo ireny .
    mety nanome baiko ny miaramila izy tq ireny ary mety efa miaramila voakarama daholo ny niambina teo alohan´Ámbohitsirohitra tamin´ireny
    Fa ny aza hadino anefa fa ny palis presidentiel anie  » Zone Rouge » ,Ary zareo anefa nadika izany ary azo tifirina mihitsy,

    matahotra ny hiverenan´i Dada zareo ka mano hamoronana fitsarana izay tsy manakery satria didy navoakan´ireo fitondrana mpanongam-panjakana tsy manakery

  • Lesabotsy dit :

    Izao ianareo vao mahasapa fa ratsy izany voasesitany izany? Tsy nanaitra ary tsy sapanareo mihintsy ny nataon’i Ravalomanana ka nahatonga an’i Ratsiraka sy ny tariny lasa sesitany tsy fidina. Mbola 18 volana anie no nandehanan’i Ravalo izay ka mba hitoviana dia aleo i Ravalo mivainy kely ao en Afrique du Sud mandritra ny fito taona tahaka an’i Ratsiraka sy ny tariny. Ny tody tsy misy fa ny hatao no miverina. Aza manao vain – drahalahy tsy marary. Marary aminay anie ny nataon’i Ravalo ireny.

  • HoAiza dit :

    O Lesabotsy ô:
    - i Ratsiraka dia 25taona teo amin’ny fitondràna. Inona no vokany?
    - Dia mino ve ianao fa raha mbola i Ratsir izay nampiroborobo ny népotisme – corruption – adimpoko – marchant côte à côte avec la FrancTayFric no mbola teo amin’ny fitondrana dia nitranga izao tarehin-javatra mahonena misy eto amin’ny firenena izao.
    Fa satria i Ra8 no nitondra, olom-boafidy demokratika: niroborobo ny firenena, nivelatra tsy misy aok’izany ny vita malagasy – anisan’izany ny orin’asa TIKO, dia teraka ny JALOUSIE = ORY HAVA-MANANA E!
    - ny président Marc Ravalomanana dia président lanim-bahoaka. Ary vao fito taona teo amin’ny fitondrana izy no nahongana tamin’ny alalan’ny COUP D’ETAT, rehefa saika nofofohina mbamin’ny AINY!!!
    - maharary anay ihany koa ny nitranga tany Avaratra tamin’ny taona 2002: habibiana nataon-dry Coutiti sy Soalinina!
    -
    O LESABOTSY O:
    1° lanjalanjaina ny fotoana nipetrahan’ny fitondrana isan-tsokajiny teo, manaraka azy ny balance: any @ négatif sa positif.
    .
    2° ny droit de l’homme sy crimes contre l’humanité dia anisan’ireo didy voalohany tohanan’ny vondro-be-iraisam-pirenena.
    .
    3° SOLIDARITE ny 3 mouvances no ady eo izao leiroa an!

  • HoAiza dit :

    Hatreto aloha, dia efa be ny ranomainty lany momba an-dRatsiraka, asiana haja izy satria efa NANENINA amin’ny ataon’ity jiolahim-boton-dRadomelina sy ny forongony ankehitriny.
    Diniho ity ataon-janaky ny rahalahany Roland Ratsiraka: parle pour ne rien dire, le mec. Tsy omena tsiny velively raha nahazo critique négative io tamin’ny fitantanana ny mairie tao Toamasina.
    - Miandry an’io raika lahy io ny fitsarana lehibe, fa io no henon’ny sofiko tamin’ny alalan’ny onja-peo nanome baiko handoro ny zava-drehetra (tao anatin’izany ireo olona nodorana velona)!!
    -
    Aoka tsy hety ho zarazaraina amin’ilay hoe « diviser pour régner » izay efa fantantsika hoe outils ampiasain’i LaFrantsa, ary hi-dénoncer hatrany ny allure forcing des putshistes, izay mbola hita taratra nandritra ireto fivoriana iny herinandro iny.
    -
    SOLIDARITE LEIROA AN!

  • Rivo dit :

    Lesabotsy, Ny fitsarana malagasy nentin’ny président RECONNU et ELU démocratiquement no nitsara an’i Ratsiraka. Donc, la condamnation était valable.
    Ny fitsarana entin’ny DAHALO, MPANONGAMPAJAKANA, NON RECONNU par la CI ne peut en aucun cas être VALABLE.
    Autrement, n’importe qui prend les armes et condamne qui il veut.
    Fanjakana DAHALO BANANIERA tsy mahazo manasazy n’iza n’iza fa aza mirediredy toy ny tapa-doha.

  • jacta dit :

    Tadidio tsara fa ny famonoana ny vahoaka dia HELOKA bevava tsy tako-nafenina.Tsy misy dikany izany ireny olona marobe maty ireny? Tsy anareo ny maty ka vitavita fotsiny amin’izao! TSY MAINTSY TSARAINA IZAY NAMONO NY VAHOAKANY FA TSY BIBY IREO OLONA IREO ary marina izany.

  • Mbola dit :

    Averiko eto indray :

    - Nahoana moa i Ratsiraka izay namono olona tsy azo isaina, no tsy notsarain’ny CONTUMACE ?

    - Satria izy niverina nipetraka any amin’ny Reny malalany, noho izy efa frantsay rahateo sy nanao soa ho an’ny frantsay.

    Olona maromaro no manosika io fitsaràna maivana io :

    - Ratsiraka
    - Monja
    - TGV Domelina
    - ary ilay atosik’i Ratsiraka : Pierrot Rajaonarivelo.

    Olona samy matahotra ny hiverenan’i Ravalomanana daholo ireo fa mitondra ny karatra frantsay. Noho izany no hanohanan’ny Frantsay an’ireo.
    Raha tsy lany ireo, dia ho very ny Interet Frantsay.
    Averiko ihany koa fa CONTUMACE dia DROIT….. FRANTSAY,

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site