Fahatoniana ara-politika : miala ny FAT, mivoaka ny gadra politika, mody an-tanindrazana ny sesin-tany !
.
Afaka !
.
Nahazo fahafahana vonjimaika (LP) ny mpanao gazetin’ny radio fahazavana, omaly alina tamin’ny 8 oara sy 40 minitra teo ho eo. Hafaliana tsy omby tratra ny an’ireo 10 mianadahy sy ny fianakaviany afaka nifamihina sy nihaona soamantsara. Nandritra ny 110 andro no nitanana tamin’ny ankasoparana azy ireo tany am-ponja.
.
Jono !
.
Jono hataon’ny FAT ny ankolafy telo ny famoahana ireo mpanao gazety ireo. Anisany fepetra notakiana mantsy ny fisian’ny fahatoniana ara-politika. « Efa niaretanay ny mafy ity, hoy Lolot Ratsimba, ny hitaky ny fanalalahan’ny asa fanaovan-gazety no niadianay » koa tsy tokony handady hanana ny rariny.
.
Mazava ho azy fa tsy tokony hampihemotra, ka henekena be fahatany ny takian’ny FAT ity famoahana ny mpanao gazety ity. « Mbola misy mpanao gazety voafonja ao, misy miaramila 40 eo ho eo mbola voatana ao, noho ny hevitra tsy mitovy ve no hanagadrana toy izao ? » hoy ihany Lolot. « Noho ny filazana ny marina nonitanana anay am-ponja » hoy kosa i Josiane Ranaivo.
.
Faly ny ankamaroan’ny olona naheno ny vaovao, kanefa maro ny mangataka ny hamerenana ny Radio Fahazavana amin’ny laoniny. « Voahay ny Radio », « miala ny FAT », « mivoaka ny gadra politika », « mody an-tanindrazana ny sesin-tany » hoy ny vahoaka Malagasy.
.
Sotasota !
.
Sotasota fotsiny no nanagadraina ireo mpanao gazety ireo. Inona no tombotsoa azonareo ? Vaomaika aza nahatonga ny Malagasy hankahala anareo ny fanagadrana ireo namana ireo. « Orakoraka sy hogahoga » tsy fahafaliana no nahazo ny FAT tetsy amin’ny fiandrasam-paty an’i Raoul. Porofo ireny fa tena hankahalain’ny vahoaka ny FAT. Ny Malagasy mantsy tsy miady amam-paty, kanefa efa feno loatra ny fon’ny olona ka dia nitsoatra izy. »Maditra vahoaka » anie Antananarivo e!
.
Ny mety aminareo mpitondra FAT ireo dia miala mora mora, izay no fahendrena indrindra. Raha mbola mitohy io ataonareo io dia ho zava-doza tsy roa amantany no hahazo anareo sy ny fianakavianareo « fampitandremana » ireny teny Mahamasina ireny !
.
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:




Arabaina re tompoko ! ianareo 10 mianadahy tafavoka soa matsara tao ianareo mpanao Gazety isany fa dia tafavoka tao ! ny Tompo anie momba anaraeo….
Mbola tsy sahy dia miteny betsaka lotra moa isika fa mitolona ny fahafahany vahoka malagasy sy ny Tanindrazana sns…….
mahafinaritra ny mahita ny namana afaka amin’ny geja, angatahina ny Tompo hamoaka ireo gadra politika hafa, ry Ralitera, Manoela sns..
Aoka re tsy ho rano raraka an- tany FOTSINY izao niharan ‘ ny fahabibiana izao . KA dia manainga MAVESATRA ny MALAGASY ny TSY hipoiran ‘ ny zavatra toy izao INTSONY .
HO ARODANA ary HO FAIZINA NY FAT !!!
Miaraka ary mankahery ireo izay mbola voatazona ao am-ponja , noho ny tsy hevitra tsy mitovy .
TSY HO ELA IO !!
hamafiso ny tolona fa mbola betsaka ireo voagadra tsy amin’ny antony , aoka hijoro hatrany ary tsy handefitra manana ny rariny isika, koa iriana mba hisokatra haingana ny radio fahazavana izay handrenesan’ny vahoaka ny vaovao marina mba ahamohany koa izay ao am-pony fa manjary eny @ kianja izay tokony tsy hanaovana izany no mamoaka ny alahelo ny vahoka ary tsy hanomezan-tsiny azy velively fa efa feno ny rano ary mipoaka ny tako-bilany!hoy i helen keller : »bien que le monde soit plein de souffrance, il est aussi plein de victoires »! alao hery ary o ! mahereza daholo.
Misaotra amin’ilay rantsan-tanan-droa miarahaba 5(ankavia) + 3(ankavanana) aloha fa kôpy daholo ny mponin’ê!
Arahabaina ireo mpiasan’ny Radio Fahazavana, ary takiana ny hanokafana ny radio fa banga ny filazana ny vaovao marina eto MAdagasikara.
MIARAHABA RE TOMPOKO TSY MATY FO AMAN’AINA E!!!!!MAHEREZA @ asa fanaovangazety…
mitandritandrema ihany re ianareo mpanao gazety re olona fa ny aina tsy ananampiry na misy vola mandefitrolona azy eh!
aza mety hamporisiany olona koa aloha na manaonao fona ,indridra mamadika palitao hotrany Ranaivo Andrianatoandro e!
rehefa manokatra radio dia higadrana indray dia faly ianareo
Ataoko fa voatery ny fat namoaka azy mianadahy avy..
Jereo kely anie fa :
-ny tsy nisy dikany na akony tsara ho an’ny fat ny tribunal nanameloka ny Floha RAVALOMANANA MARC.
-tsy nahomby ny fivoriana natao teny vato ,fa toa lasa ady an-trano sy niteraka lonolony sy nampiseho tamin’reo antoko kaly tonga handray vola fa » mpitaan-damba fotsiny izy ireo fa tsy mikaoty »
Mitady mafy ny fankasitrahan’ny Firaisam-pirenena izy ireo ,ary io famotsorana ny mpiasan’ny Radio Fahazavana dia fika ihany ,izay ho arahin’ny famohana ny olona nogadraina tsy amin’ny antony mifandray amin’ny Lalana..!
Ny fanambarana nataoin’y ankolafy telo dia hentitra sy henjana ary tsy manaiky intsony ny
fijanonana amin’izao tsy fanajana ny rariny sy ny hitsiny ry ny ara-dalana eo amin’ny Fitondrana sy ny Fitantanana ny Tany sy ny Fanjakana izao .
ANDRAIKITTSIKA REHETRA NO MANERY , MANOSIKA IREO TSY VALAHARA IREO HIALA EO AMIN’NY TOERANA NALAINA TAMIN’NY AMBOLETRA !
Amiko aloha rehefa tafavoaka dia ny MANGINA no mety! marina ny Aina tsy ananampiry.Tadidio ny tantara ny nahazo ny tariky DEBA(Ratsiraka, izay tsy ningadra lasa nitsoaka daholo).Izay manahirana ny mpitondra izany dia FAIZINY avokoa.Toetra ratsin’ny mpanao politika malagasy io mba HITAZONANA NY TOERANA SY NY TOMBON-TSOA REHETRA.