Nanao valandresaka hoan’ny mpanao gazety, ny sabotsy 04 septambra tao amin’ny Carlton Anosy, ireo vondron’ny olom-boafidy TIM sy ireo birao politika tratra antso. »Tsy misy delegasioana hafa mahazo manatrika ny fivoriana ao anatin’ny TIM raha tsy izaho no mitarika » hoy Mamy Rakotoarivelo, « mazava ny taratasy nataon’ny filoha mpanorina dia ny filoha Ravalomanana ». « Ny fiantsoana ny filankevitra nasionaly Tim nataon’ny Raharinaivo dia tsy manara-dalana » hoy ihany izy.
.
Inty entinay aminao ity ny fanambarana nentin’izy ireo tamin’izany, miaraka ny anarana sy sonian’ireo mbola « zanak’i Dada » sy manaraka ny baikony :
.
FANAMBARANA VONDRON’NY PARLEMANTERA TIAKO I MADAGASIKARA
Izahay, Vondron’ny Parlemantera Tiako I Madagasikara, mpikambana avy hatrany amin’ny Kongresy Nasionaly sy ny Birao Mpanatanteraka eny anivon’ny rafitra fitsinjaram-pahefana (Faritra – Distrika) anatin’ny Antoko Tiako I Madagasikara, dia manao izao fanamarihana manaraka izao :
- Araka ny andininy faha-8.2.1- 8.3.1 sy 8.3.3 ao anatin’ny sata mifehy ny Antoko dia voafaritra mazava tsara ny andraikitry ny tsirairay ary toy izany koa ny fahafahana mampiantso fivoriana isaky ny ambaratonga rehetra,
Noho izany,
- Momba ny fiantsoana ny Filan-kevim-pirenena dia ny Filoha Nasionaly amperinasa irery ihany no afaka manatanteraka izany .
- Tsy foana akory ny toeran’ny Filoha Nasionalin’ny Antoko. Ny Filoha RANDRIANASANDRATRINIONY Yvan dia efa nampiseho fa tsy mankato ary tsy nampiantso Filan-kevitra Nasionaly ao anatin’izao krizy mianjady amin’ny firenena izao. Ny Parlementera TIM, ny Tompon’andraikitra rehetra ary ny Mpikambana ao anatin’ny Antoko dia manaraka tsy misy fepetra io fanambaran’ny Filoha Nasionaly io ho fanajana ny fitsipika mifehy ny Antoko.
- Tsy afaka misaraka mihitsy ny TIM izay maro an’isa sy ny Ankolafy Ravalomanana. Tsy misy afa-tsy ny taratasy voasonian’ny Filoha Nasionaly RANDRIANASANDRATRINIONY Yvan sy ny Ray Mpanorina ny Antoko SEM Marc RAVALOMANANA, araka ny fanambarana izay nataon’izy ireo ny 07 aogositra sy ny 01 septambra 2010 no mamatotra ny Parlemantera sy ny Antoko TIM.
Ho an’ny vondron’ny parlementera
RANDRIANJATOVO Henri (VP)
.
COMMUNIQUE DE PRESSE COLLECTIF DES PARLEMENTAIRES TIAKO I MADAGASIKARA
Nous, Collectif des Parlementaires, en tant que membres de droit du Congrès National et du Bureau exécutif respectifs des Structures décentralisées (Régions – Districts) du Parti Tiako I Madagasikara, tenons à apporter les précisions suivantes :
- Au terme des articles 8.2.1- 8.3.1 et 8.3.3 des statuts du Parti, les responsabilités au sein du Parti sont bien définies quant aux compétences de convoquer toutes réunions à tous les niveaux ;
En conséquence,
- En ce qui concerne la convocation du Conseil National, seul le Président National en exercice est habilité à y procéder.
- Le poste de Président National n’est pas vacant. Le Président RANDRIANASANDRATRINIONY Yvan a déjà manifesté sa désapprobation de la tenue du soi-disant Conseil National. Les Parlementaires TIM, les Responsables TIM ainsi que les militants TIM adhèrent sans réserve à ce communiqué du Président National par respect de la discipline du Parti.
- Le TIM et la Mouvance RAVALOMANANA Marc ne peuvent être séparés. Le TIM étant majoritaire dans la Mouvance. Seule une lettre dûment signée par le Président National RANDRIANASANDRATRINIONY Yvan et le Père Fondateur SEM Marc RAVALOMANANA, conformément à leurs communiqués du 07 Août et du 01 Septembre 2010, lie les Parlementaires et le Parti TIM.
Pour le Collectif des Parlementaires,
Le Vice-PrésidentRANDRIANJATOVO Henri
.
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:
- Mbola maro an’isa ireo manohana an’i Dada !
- HMF, « Ray aman-dreny mijoro ihany koa ireo nogadraina sy atao hazalambo »
- Ireo miseho imaso ireo mpiray tsikombakomba amin’ny mpanongam-panjankana
- 07 febroary « Meloka ireo miaramila niambina ny Lapa » ?
- Ireo mpanongam-panjakana no matahotra antsika vahoaka
























« Le TIM et la Mouvance RAVALOMANANA Marc ne peuvent être séparés. »
- MERCI.
tena 55 zany ny parlementaires sisa nivory 4 sept teo ;mamitaka fa olotsotra ny ankamaroany!fikan,antitra :lasa any @naivo doly ny parlematera milay ;apombo sisa aty zany fa ny fotsimbary efa lafo
Tony kou aviavy, to otran analphabète mba nampianarina … nanisa!
sao ianao no aviavy?hhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhha res dad
AMIN’NY ZAVATRA TAHAKA IZAO ANGAMBA DIA TSY HOE IZA NO « RESY » ARY IZA NO « NAHARESY » FA HOE: IZA NO MANANA VALEUR DIA IZA NO TSY MANANA?
NY ATAO HOE « MANANA VALEUR » DIA IREO OLONA IZAY MITANA NY TENY NOMENY ARY MIFOTOTRA @ PRINCIPES DE BASE IZAY ANANANY.
IREO TSY MANANA VALEUR KOSA DIA IZAY MPAMADIKA PALITAO ARAKARAKY NY VOLON’ANDRO.
NY AN-DRAHARINAIVO ALOHA METY MISY FANERENA AVY ANY AMBADIKA NOHO ITY TRIBONALINY ITY E.
Inona kosa moa no hiandrasany an’iDADA eo tsy hita antenaina(maty sa velona) ny ankizy efa mitomy lava izao,AIZA IDADA HITONDRA MOFO!.Ho tonga AHO e!,ela izay…
DISO IANAO RY JACTA a! ny ZAnak’i Dada mbola manam-pinoana, sy manana faharetana, ary tsy foana ny fanantenana fa TSY MAINTSY NY FILOHA MARC RAVALOMANANA ihany no hamonjy antsika hiala amin’izao lavaka mikitroka izao, na ianao Jacta mamaky io aza MANAIKY FA ny FILOHA RAVALOMANANA IHANY NO MAHAVITA an’i Madagasikara sy ny vahoakany. Sa tsy izany hoy Jacta!!
Olona tsy misy hazon-damosina ny olona tsy mijoro amin’ny heviny! na inona antony nivadihany na inona, Tena very ny maha IZY azy tsy misy fototra intsony! tahaka an’i Andry Rajoelina, Olona sans valeur!!!
Aza manilika aviavy any amin’olo rehef’izao ny fanoratra:
« hhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhha res dad »??!!
MON OEIL!
Miarahaba ireo olom-boafidy mijoro amin’ny fahamarinana !
Ireny lasa niaraka amin-dRaharinaivo ireny no ireo mpitady seza ka kakatsara ny antok ny fialany.
Ny tena sakaiza dia ny namana tsy manary ao @ny sarotra, fa ny sasany dia ny tombotsoa ho any tenany ihany ataovy maro ny sakaiza fa vitsy no tena matoky
ho aiza angaha voan’ny ambalavelona?
Miarahaba ny zandrin’i zoky, Dia tena jamban’ny Classico mitsy reto zanak’idada ireto ka.Ze zvt rehetra atao lazaina daholo hoe afa ihany i dada.Samy manana ny hafa ihaniny io, mba jero anie ny fahalalahana e, ary dadanareo zany aza manantena anzany e, izy zao mialokaloka any antanin’olona any.HO AVY DADA E, ATSANGATSIKA NY TETEZAMITA TENA IZY E, KA MANAIKY IHANY FA EFA TETEZAMITA ZAO FA TSY DADA TSONY NY FILOHA? Ny sasany zany aza mo mahita hoe aleony hono mihinana mofo @ zao fa ny diberan’idada iohany no tiany.OVAO NY TOETSAINA E.IO LO NO EO DE ALEO IZY HIASA FA IO VO NAMPIALA AN DADA SATRI TSY NAHOMBY NY GROS BRAS