Mamy Rakotoarivelo & Fetison Rakoto Andrianirina

Mamy Rakotoarivelo & Fetison Rakoto Andrianirina

Mamy Rakotoarivelo sy Fetison Rakoto Andrianiriana fa tsy Raharinaivo Andrianatoandro !
.
Mazava izany zao, araka ity fanambarana tonga eto apelatananay ity fa tsy mpitondra tenin’ny antoko Tiako i Madagasikara intsony i Raharinaivo Andrianatoandro. Izay manao Filankevitra Nasionaly ny antoko TIM, hono, amin’izao fotoana izao etsy Ankorondrano. I « Dada » mihitsy no nanao sonia ity filazana fa Ingahy Mamy Rakotoarivelo sy Fetison Rakoto Andrianiriana no mahazo misolon-tena ny antoko.
.
« Tapina ny daomy e! »
.
Araka ny nambaran’i « maître Raharinaivo » dia izy no nanorina ny antoko Tim koa izy no tompon’ny teny farany, « Samy mieritreritra ny hampody an-dRavalomanana daholo, fa ny anay aleo aloha amin’ny ‘mandat’ manaraka no hody izy » hoy Raharinaivo ! Izao ny filoha Ravalomanana mihitsy no nanome ‘mandat’ ireto roalahy. « Tapina ny daomy e! ». Ahoana tokoa moa no hiaraha mitondra amin’i Rajoelina kanefa reny sazy henjana ireny no nataony an’i Filoha Ravalomanana ?
.
Namadika palitao sa namadika an-dRavalo?
.
Tena fomba ratsin’ny mpanao politika Malagasy mihitsy ity mamadika palitao ity. Ny mahagaga anefa dia saika ratsy fiafara daholo ireo « Jodasy » hatramin’izay, diniho ny tantara.
Ny mampalahelo dia misy tamin’ireo solombavambahoaka Tim nilokaloka ery teny an-kianja fa tsy hivadika amin’i Filoha Ravalomanana, kanjo tsy nalazo akory ny ravinana nihinana dia feno Jodasy ny tanana. Vola kely « deux millions Fmg » sy famerenana ny fiara tsy mataho-dalana no nampivadika ny zanak’i dada. Mahantra marina isika, ny tena marina dia mahantra ny toe-tsaintsika raha tahaka izany. Aiza izay fitiavan-tanindrazana amin’izany?
Maro no nilaza fa izay no nahatsara ity tolona lavareny ity, « arakaraky ny mahalava azy no ahitana ny tena zanak’i dada marina » !
.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Hafaliana tany Arivonimamo
  2. Et qu a dit le Pdt Fetison ?
  3. Echange de lettres entre Ravalo, Fetison et Chissano
  4. Sezarenina
  5. Valin-tenin’i Fetison amin’ny fanendrikedrehana

21 Comments

  • Mahery dit :

    Au moins les choses sont claires

  • Fred dit :

    Tiako mba hotsarainareo izao hevitro izao raha azo atao !

    Marina fa mazava ny raharaha, anefa hoy aho, efa nisy ny fanapahan-kevitra entitra tapaka malaky loatra toy izao. Any ka miteraka fisaraham-bazana eo amin’nyolona mety hifampiresahana mazava, na hifanatonana, mba hanazavàna hoe tsy mety izao, fa dia aleo manapaka MIARAKA hoe: Aoka re mba ho i Mamy sy Fetison no tondroina e ! (ohatra amin’ny teny tsotra izany fa raha ny marina moa dia tsy maintsy ho dinika maharitra vao mahalaza izany).
    Ny tiako ambara, dia mianatra MIFANATONA, MIFAMPIDINIKA,MIFANAZAVA araka ny fomba demokratika aloha vao manao fanambaràna, mba tsy hisy hihena ny olona manohana.
    Rehefa misy ny fisalasalàna avy amin’ny andaniny sy ankilany dia ireo no tokony ho atao.
    Sanatria tsy mikera aho hoe tsy mety izao tapa-kevitra tampoka izao, fa hevitra toy ny an’ny rehetra ihany ny ahy e !

  • GBD dit :

    Bien dit Fred
    mifanantona, mifamdinika, mifanazave = démarches démocratiques.
    J’espère que la leçon est comprise : être capable de s’ouvrir , de négocier avec les forces vives , mouvances ou non , pour éradiquer tout ce qui est putschiste ou relent de putschiste.
    Faire que nous n’ayons pas l’image de simples porteurs de chaises ou de chercheurs de siège prêts à retourner sa veste.

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    « NY TOMPON ‘ NY TIM  » dia mazava fa izay namorana azy ary ny anaran ‘n mpamorona dia azo jerena any amin’ny Préfecture taloha izany..
    Na tiana na tsy tiana ,na ekena na tsy ekena dia ANDRIAMATOA RAVALOMANANA MARC no fantatry ny Vahoaka ho  » lehiben ‘ ny TIM  » ary izy koa no fantatra fa nikarakara sy nanonndro ireo olona hitantana ny TIM..
    I raharinaivo dia secrétaire général n ‘ny TIM tany amboalohany fa NIALA ! NAHOANA ARY INONA NO ANTONY ?

    Tsy izaho no hanoro ny Filoha RAVALOMANANA MARC ny tany ho oleny…Hainy ny misy y tany maska azo hamafazana ,indrindra fa ankehitriny dia voiadinihiny amin’ireo va hafafy ,iza no efa no lo ,no efa voaloto (contaminés ), iza ireo niray tsikombakomba tamin’ireo niseho fa namadika (sylla ,rajemison ,zazah ,raharinaivo, zoarimihaja…).
    Tst hatoro izany ny Filoha ary tsy hilaina ny mihatsara ivelan’ny tsihy amin’ny fifanantonana ,ny fanazavana , ny fifampandinihina…Atao fihavanam-bato : tapaka dia izay ,samy maka ho azy..!
    Tsy inoako fa ny Filohadia mbla atoky olona namadika azy ! Ny Vahoaka ,izay manohana azy ,mifidy azy dia tsy hanaiky ny firaisan’ny afo sy ny rano..!

    Ny fitantanana ny Firenena dia amin’ny teny nifampy ierana ,amin’ny teny ifanomezana : izay ny démocatie amin’ny fijerin’ny Malagasy fa tsy
    fiambarana na ny firaisan’n foza ao anaty arona iray !

    IZAY KARY OMALY , MBOLA KARYIHANY RAHAMPITSO !
    NY MPAMADIKA OMALY DIA MBOLA HAMADIKA RAHAMPITSO..!

    MBA HAHASOA NY FIARAHA – MONINA DIA TSY MAINTSY MALO ISIKA ,ARY ILAINA NY MANAO SIVANA HAMAVAHANA NY VARY SY NY TSIPARIFARY !

    NA INONA NGIDINN’IZANY NA INONA IA TSY MAINTSY HATAO IZANY ,INDRINDRA AO ANATIN ‘ NY TIM VAOVAO !

  • rama dit :

    ny ahy manokana dia tsara ho an ny JODASY ireny é ary nataon Andriamanitra ny coup d etat dia hita miavaka h@ zao ny hoe ANJELY sy ny DEVOLY ary raha tsy tapitra hita ny JODASY rehetra tsy hivaha ny krizy ok

  • ELAS dit :

    Mbola eo ihany ireo MAIZINA tsy misy hafitsoka efa ho 2 taona izao. Dia mbola mety hibodo eo MANDRAKIZAY satria ny olo-mendrika tsy hiady amin’adala. Mibaribary izany fa tsy misy fitiavana tanindrazana velively akory fa olona te hihinana daholo. Ny be sy ny maro mitady vary iray vilia isan’andro moa ny be takolaka mitady misimisy hatrany satria tsy mbola nisy voasazy teo hatramin’izao.
    Inona tsara moa no azon’ ireo vahoaka maro be hatao amin’izany? Kamboty izy ireo. Very izy ireo tsy misy mpitantanana hatao modely.
    TSY MISY VALINY ETO NA EROA IO FANONTANIANA IO.
    Porofo fa na tranokala eto na fifandraisana andavitra na fari-pahaizana ambony na komity vahiny na antoerana na fifanakalozan-kevitra na fivoriana dia RIVOTRA FOTSINY IHANY.

  • GBD dit :

    Elas
    en democratie , les divergences peuvent surgir.Nous n’avons pas la mentalité de ces dictatorions de la HAT.

  • GTT Philippines dit :

    Tampindalankaleha
    Impasse
    Tampina ny daomy
    Midona ny kapoaka poakaty
    Tara tanteraka i Raharinaivo sy ny ekipany fa maro ny miaro ny tombontsoan’ny Madagasikara ka tsy haiky izao fandambolamboana lava izao.

    DADA ihany é, ary izy irery iohany;

  • raisonnable dit :

    Tsara ref tong saina n sasany hamaha krizy fa tsy mtady ny tsy hita lava zao e, mtad ny tombotsoam-pirenena,fa tsy manompo olona 1.ny sasany ao @TIM ar zany ef leo n rediredy lava,.DADA tsy ita otrzay ef mapamangy.

  • akamasoa dit :

    Tsy mahagaga fa adin’ny samy malama vava sady samy te ho sangany kanefa tsy mankaiza. Aza adino ry Joda-Sylla-hy, ry Jemi-sahona ao Suisse, ry njiva-sahona, ry ranjeva marosaly, ry voanjobory …

    Adinonareo sahady angaha i Fetsison sy ny « loa-bary an-dasy »

    Olona tsy manana my maha-izy azy fa mahamenatra raha ireny no antsoina hoe elites

    Mampalahelo i ravalomanana fa olona toa tsy misy fotony daholo ireto manodidina azy.

  • Deba dit :

    NY AHY MANOKANA DIA TSOTRA: AVELAO HIVADIKA IZAY TE-HIVADIKA. MISY NY MANANA NY PRINCIPES-NY MISY NY TSY MANANA FA MANARAKA NY HAFA FOTSINY.
    NA TSY MAHAFANTATRA MIKASIKA NY TIM AZA AHO DIA TSAPAKO @ VAOVAO AZOKO FA MBOLA TSY MISY MAHASOLO AN-DRAVALO ALOHA HATRETO. BETSAKA TOKOA NY NAHITA FIANARANA FA TONGA @ ILAY HOE « INSTRUITS FA TSY CULTIVES ». TSY IANARANA ANY AM-PIANARANA IZANY FA VOA-JANAHARY NA DIA MILA BACKGROUND AZA.
    AHOANA NY HEVITRAREO @ ITY: « CE NE SONT PAS LES GRANDS PAYS QUI FONT DE GRANDS HOMMES, CE SONT LES GRANDS HOMES QUI FONT DE GRANDS PAYS »: IZA @ IREO MPITONDRA @ IZAO FOTOANA NO AZO LAZAINA FA « GRANDS HOMMES »? RAHA GRANDS HOMMES IZY: INONA NO EFA VITANY NANDRITRA IZAY 40, NA 50 NA 60 TAONA NIAINANY IZAY?
    I DEBA SY RAVALO KOSA ANEFA NISY ZAVATRA VITANY FA NY AN-DRAVALO BETSAKA ARY VETIVETY KOKOA.

  • raisonnable dit :

    Ho an’i deba:I DEBA SY RAVALO KOSA ANEFA NISY ZAVATRA VITANY FA NY AN-DRAVALO BETSAKA ARY VETIVETY KOKOA: marn zany ka n alatra sy ny fampahantrana nataon-dratsiraka tanaty 26 taona fitan-dravalo 7 taona.

  • Deba dit :

    « LE CHOC DES MOTS, LE POIDS DES PHOTOS »: TENA NANDAITRA IO HO AN’NY SASANY. NA TSY ANY AN-TOERANA AZA AHO DIA MAHALALA HOE IZA NO NANGALATRA SY MANGALATRA @ IZAO FOTOANA IZAO.
    KABARY TSY VALIANA MANKO NO BETSAKA REHEFA HANARATSY OLONA @ IZAO FOTOANA RAHA I MADA NO RESAHANA.
    IZA INDRAY NO TSY MAHAY ILAY HOE « QUAND ON VEUT ABATTRE LE CHIEN, ON L’ACCUSE DE LA RAGE »?

  • kristelle dit :

    bravo raisonable ! tena ny mpamono olona samy mpamono olona hiany no miaraka

  • Rivo dit :

    Bravo DEBA ! tena ny domelina sy mpangalatra iany no miaraka

  • ktiry machary dit :

    mawola ,misy pamily fiara be zay rivo adala no Anarany sao izy io?

  • Raberabe dit :

    mawola, misy mpimôly be miboridana zay Ktiry no Anarany, tena izy io !

  • Mbola dit :

    Betsaka ny resaka efa vita ! Aoka izay !
    Mipitipitika ho antoko etsy sy eroa ny vahoaka manohana an’i Ravalomanana, fa

    ALEFASO IZAY TOKONY HO ATAO E ! Ny taim-bava tsy ho lany, na avy @ Mpanohana na ny Mpanohitra.

  • Vonona dit :

    Mpisandoka ry Raharinaivo eh ! io tsy mila azavaina fa ny nataony dia efa manamarina izany.
    Dia manao ny fomba ratsin’i tgv sahady. Areti-mandoza mamindra amin’ireo izay mikasokasoka aminy ireo areti-mandoza ataon-dry zareo ireo : manendrikendrika, mivadi-pitokisana, mandainga.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Vos idées et arguments sont valables.
  • Utilisez avec modération les majuscules pour vos mots entiers. Vous n'en serez que mieux lu(e) et compris(e).
  • Les insultes et grossièretés sont les moyens de ceux qui ne trouvent plus de mots cartésiens et raisonnables.