Tafika mioko

Tafika mioko

Isan’ny mampametram-panontaniana antsika rehetra ny mety hivahana na tsia ny krizy eto Dago. «Misy farany anefa ny zavatra rehetra», tsy maintsy hiova ny tantara, ny fotoana fotsiny no andrasana.
.
Ny tafika no fototry ny olana
.
Tsy sanatria dia filam-baniny anareo «ry zalahy be basy», fa anisany nahatonga izao krizy izao ianareo. Nanana olana teo amin’ny filoha voafidim-bahoaka Ravalomanana Marc ianareo, tsy zakan’ireo be galona ny toetran’io filoha io, nolazaina fa «manindry» sy tsy manisy hasiny ny «fahambonianareo». Tsy tantinareo ny «baiko» sy «pression» henjana nomeny. Dia nitadiavana atsanga tsy aman’orana lava izao.
.
Nisy «jeneraly» iray tafaresaka tamiko ary nilaza fa ny fahadisoan’ny filoha dia, nisy resaka fanavahana ara-poko ihany aloha tao hoy izy fa ny nanambaniany anay be galona , nametrahany vehivavy hitantana ny minisiteranan’ny fiarovam-pirenena no olana taminay. «Tsy zakanay hoe vehivavy sivily no hibaiko anay», hoy izy.
.
Nanomboka teo ny fingampingana maro isan-karazany, taty aoriana voaporofo daholo izany. Ny praiminisitra sady jeneraly lehiben’ny governemanta dia tsy nanao ny andraikiny an-tsakany sy an-davany, Ramatoa Manorohanta Cécile izay ministry ny fiarovam-pirenena tamin’ny fotoan’androny nanipy hoditr’akondro hatrany ny filoha, ohatra iray ny tsy fanafaran’io ministra io ny fitaovana toy ny baomba lakrimozena tamin’ny fotoanandro nampivaivay ny tlona tetsy amin’ny 13 mey, izany no tsy nandefasana izany tamin’ny raharaha 07 febroary 2009, ny 08 febroary ihany anefa dia nametra-pialana izy ary taty aoriana dia niaraha-nahita ny fiarahany tamin’i Andry Rajoelina, ny nanekeny ho minisitra indray, efa nokajikajiana mihitsy izany paik’ady izany, ny komandy isan-tsokajiny tsy nibaiko ny ambany fiadidiany, ny manamboninahitra ambony lasa haingon-tanana fotsiny, ny vata miaramila dia sahy naniratsira ny lehibeny, samy nikomy daholo ianareo. «Tsy nisy nadray baiko» intsony.
.
Ratsy tanjona !
.
Tojo tamin’ny tanjona nokendrenareo ianareo, niala am-pahandrena ny «filoha voafidim-bahoaka» nanoloana ny vava-basy nanerena azy.
.
Fantatry ny filoha Ravalomanana tsara izany, koa nafindrany tamin’ireo miaramila ambony galona am-perinasa ny ampahana fahefana teo ampelatanany ny 17 Martsa 2009. Ny nahagaga anefa dia tsy hain’izy ireo no nitana izany fahefana izany na dia fotoana fohy nahafahan’izy ireo nivory sy nanapan-kevitra na hitantana na tsia ny firenena aza , nisy ihany koa aloha ny faneren’ireo andiana miaramila mpikomy tetsy amin’ny capsat notarihan’i komanda Charles Andrianasoavina azy ireo ny hamindrana indray ny fahefana amin’i Andry Rajoelina.
.
Mampametram-panontaniana ihany ny dingana hahazoana galona eto Dago ? Hatraiza moa izany no maha ambony galona ny manamboninahitra iray ? ny nahatsikaiky aza dia naleon’ilay amiraly tokony ho «filoham_pirenena» nanao minisitry ny raharahambahiny izay tsy mety mahazo vokatra tsara mihitsy na dia miketrika mafy aza, tsy mety mahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena mihitsy manko izy hatreto. Tena tsy zakany tokoa aloha raha izany ho lasa filoha e !
.
Efa nisy soritra fandrosoana teto !
.
Lasa sesin-tany atsy Afrikatsimo ilay filoha nankalain’ny Tafikany, be ireo mahatsiaro ho kamboty velon-dray tsy fidiny amin’ny vahoaka Malagasy. Efa hita mantsy ireo fiaingan’ny fampandrosoana sy fiakaran’ny harinkarena faobe, be no fotodrafitr’asa tafajoro. Niaraha nanaiky fa efa mba tan-dalàna ny Malagasy tamin’izany. Tsy ny hanasoa vahoaka tokoa moa no tanjona raha hitantana firenena ? sa hanasoa sokajina olona vitsivitsy?
.
Tsapa ary azo tsapain-tanana ny fivoarana teto Dago, indrisy anefa potika tao anatin’indray mi-pimaso izany reheta izany noho ny fanonganam-panjakana nataon’i Andry Rajoelina nampian’ny Tafika Malagasy.
.
Nisy fotoana mba nahatsiaro ho nanana adidy kely ihany ny Tafika ka nanery ny mpitondra FAT hanome ny sori-dalana hivoahana amin’ny krizy. Hatramin’izao anefa mbola mitsapatsapa hatrany i Andry Rajoelina, tsy misy tondro zotra mazava hapetrany. Ny tsy fisian’ny fankatoavana iraisam-pirenena no lesoka lehibe amin’ny FAT, azo inoana anefa fa raha mbola io fitondra-mitanila mandeha irery io no hataony dia ho lavitry ny afo ny kitain’ny fankatoavana iraisam-pirenena.
.
Ireharehan’ny Tafika mihitsy ny hoe izy no «dernier rampart», hatreto anefa dia tsy tsinjo mihitsy izany ary tsy misy antenaina aminy. Ny mifikitra sy manaiky an’i Andry Rajoelina ho «lehibeny» hatrany no hita na dia fantatra aza fa tsy dia lasa lavitra ny «vina» atolony. Tsy azo lavina aloha fa izy no filoha mba mahavita manolotolotra ny Tafika Malagasy amin’ny tombontsoa sy tambin-karama isan-karazany, kanefa mitondra hatraiza moa izany ?
Hoan’ny Tanindrazana ?
.
Tafika tsy maharo vahoaka !
.
Manjary mampisy elanelana goavana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana ny fahatsapana fa tsy mahavita miaro ny valala be mandry intsony ny «mpiaro azy» manjaka loatra mantsy ankehitriny ny tsy fandriampahalemana izay anjara asan’ireo «be basy», mitaraina ny any ambanivohitra amin’ny asan-dahalo, (ohatra : miakatra an-tanan-dehibe daholo izao ny mponina any ambanivohitry “Mahazoma” (distrikta Maevatanana) sady lasan’ny dahalo ny fananana no mbola vetavetainy ny vady sy ny zazavavy any an-toerana, amin’ny andro antoandro be nanahary, tsy azo aleha amin’ny alina intsony ny lalam-pirenena fa misy manakan-dalana sy mandroba, manjaka ny vaky trano mampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika, ny fanendahana sy ny sinto-mahery manginy fotsiny. Toy ny valala voatango ny vahoaka Malagasy, tsy tongotra hitsipaka tsy tanana handrangotra. Tsy voafehin’ny mpitandro ny filaminana intsony ny jiolahy.Ary ny tena mahalasa ny saina aza dia ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana , ny fitaovam-piadian’ny mpitandro filaminana ihany ve ireny hampiasain’ireny olon-dratsy ireny ?
.
Izany rehetra izany no mahatonga anay mametram-panontaniana hoe :
mbola ilaina ve ny Tafika Malagasy ? Ireny tranga ny 26 janoary 2009 ireny mantsy dia manaporofo fa raha ny 99 andro no manao ny asany ara-dalana ny mpitandro filaminana kanefa ny indray andro no mikomy tsy manatanteraka ny asany dia ireny «fandrobana faobe» ireny no vokany, lasa tsy mahatoky ny fampiasam-bola eto Madagasika intsony ny mpanambola, very asa tsy fidiny ny tanora, manantena ny «vaky magro» foana ny mahantra, lasa valifaty politika no hiainana eto.
.
Ny fidiran’ny Tafika amin’ny resaka politika no tena fositra lehibe amin’izany. Azo saintsainina ve fa raha samy hanao toy izany daholo ny sokajin’olona eto Madagasikara dia hisy zavatra handeha eto ?
.
Hikomy tsy hitsabo mandritra ny andro vitsivitsy ny dokotera koa tsy an-jatony ny ho faty ? Tsy hizara fahalalana ny mpampianatra koa tsy ho dondrona ny zana-bahoaka ? Tsy hampivavaka indray alahady ny mpitandrina koa tsy ho idiran’ny devoly daholo ny ondriny ? sns…
.
Be no miraviravitanana amin’izao fotoana izao, tsy azo antenaina ny mpanao politika, voaloko volom-boasary daholo ny eritreretina ho manam-pahaizana, hatrany ampiangonana aza misy ny mpiangona mifindra fiangonana satria izatsy na zaroa ny mpitondra fivavahana. Ny mijoro ho olon-kendry sy raiamandreny voasesika vola. Ireo avaram-pianarana tsy manana hery fampiharana. Dia hiraviravy tanana eto ve isika ? Sa hiariary toy ny Tafika andrefan-tanana fotsiny fa tsy mahavita ny andraikiny ?



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Tafika Malagasy tafiditry ny mercenaires Frantsay ?
  2. Tafika Malagasy misavorovoro tanteraka !
  3. Mikorontana tanteraka ny Foloalin-dahy sy ny Tafika Malagasy
  4. Rajoelina sy ny tafika no tompon’antoka
  5. Very Hasina sy Soatoavina ny Tafika malagasy

20 Comments

  • mpankafy dit :

    milay ilay article solo razafy an! tsara fa tohizo e! mankahry anareo hatrany ry mydago-ko!

  • akamasoa dit :

    Ilaina ny tafika fa tsy ireo tafika amin’izao fotoana izao mihitsy. Tafika putschistes? Mahamenatra

    Betsaka ny Vehivavy sivily (prezida na minisitry ny fiarovana) any amin’ny firenena hafa no mibaiko miaramila, fa ny miaramila-potaka gasy ihany no tsy tsy mahazaka izany. Aleony ho DJ mpandrongony no mibaiko azy.

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    Ny Firenena mihevitra fa ilaina ny Tafika ,na vatican aza manana andiana miaramila ( gardes suisses) na dia « symbolique) aza..
    Maro ny antony no ilàna azy.!
    Miaro ny Tanana ,ny Firenena inrindra ireo Firenena mifanolo-bodirindrina ( frontières communes )raha toa misy olana tsy voavahan’ny fifanarahana dia mifandona ny Tafiky ireo Firenena roa manana na tsy manana sisintany iraisana..!
    Ny Tantaran’ny olombelona dia manome ohatra be..
    Nato haingo ny TAfika indrindra rehefa mandray vahiny ,dia ny miaramila no manolotra ny voninahotra ny Firenena mamangy..
    Manana « services  » koa ny Tafika :mikasika ny fahasalamana ,koa mandray anjara amin’ny voina areaky ny cyclones ohatry io service io ,Tamin’ny mbola nisy fiaramadina(avion ,na hélicoptère ) dia ny Servce de santé teny IVATO no nisahana ny évacuation sanitaire .
    Izaho no médecin-chef teny IVATO ary teo ny éva-san ,dia nisy koa ny EMMIR (équipe médicale militaire d’intervention rapide )
    Telo karazana izy io :
    -ny aérpportéee izay rarachutistes daholo ny docteur ,ny infirmiers , aryhalatsaka amin’ny parchutes daholo ny entana (tentes ,fanafody sy ny appareils ilaina..)
    -ny aéro-transportée dia ny avion na ny hélicoptère no mitondra ny rehetra (miaramila syny entana)
    -équipe automobile ,izay mampiasa ny fiara transporteurs de troupes sy ny mbulances ary ny jiip )
    Izaho no namoina azy io ..!
    Misy ny « service  » du génie ,izay manambotra lalana ,mametraka tetezana..! Ny « pompiers  » dia miaramila fa « nafindra amin’ny ati-tany ny fisahanana izany
    -Dia tsy ho adino ny « service civique  » ia hevitra sy hetsika lehibe tokoa saingy tsy nisy « officiers  » niofana nanao agronomie..!
    Io sevice io no tena ilaintsika indrindra eo amin’ny famokarana tany midadasika..Fa diailaina ny officiers agronomes sahala ny officiers médecins

    Ny tarehy tsara ny Tafika antsika ireo nolazaiko ireo..:
    FA TSY MISY MIHINTSY ANTONY NA POLITIKA ,NA TECHNIKA NY FANDRAISAN’NY MIARAMILA ANJARA AMIN’NY FANDMINANA KORONTANA.

    EN PREMIERE RESPONSABILITE DIA NY POLISY NO MAMPANDRY TANY RAHA MISY NY KORONTANA..
    AVY EO VAO MIDITRA NY ZANDARY..!

    Tamin’ny fitantanan’ny Général RAMANANTSOA GABRIEL dia tsy nandray anjara tain’ireo emmo sdy e-tay ireny ny miaramila!
    Mety izany no antony namoronana ny frs..!
    Tamin’ny korontana 13 mai 1972 dia tsy niditra ny Tafika..!

    Ny fandraisan’ny Tafika anjaratami’ny fampilaminana ny korontana dia tamin’ny fitondran-dratsiraka..
    Ary nisy aza « faux étudiants  » miaramila nampiasaina tamin’izany ary tamin’izany indrindra no nidiran’ny miaramila betsaka tao amin’ny fitondrana..
    Tamin’ny andron’ny gouvernement militaire dia azo nekena ny fandraisan’ny miarmila andraiktra amin’ny ministera ,raha mifanaraka amin’ny fahaizany ny asan’ny minitera : tsimandrava ,ministre ny ati-tany ,rakotomalala joél ,ministre ny poste (service transmission nefa tsytransmission fotsiny ny asa ny poste) ,ny
    Colobel rabetafika roland, directeur général du gouvernement teo akaikin’ny Général.., hainy ny mitantana sy mibaiko ary nanana charisme izy..

    Ny sisa azo lazana dia iaina ny Tafika ,ftsy MISY MIHINTSY ANTONY HAHATONGA NY MIARAMILA HINANDRINA AMIN’NY MPONINA..!
    NATAO HIARO NY MPONINA IZY IREO AHA MISY MANAFIKA NY FIRENENA..NOHO IZANY TSY DIA ILAINA HANANA FIADINA TONGA LAFATRA NY TAFIKA FA KOA TOKONY HANANA FIARAMANIDINA, HELICOPTERE SY AOTOMOBILINA (JIPY ,CAMION TOUT TERRAIN..IZAY METY ILAINA HO AN’NY FANAMIANA YVAHOKA :OHATRA NY AVION ENTINA MIADY AMIN’NY VALALA (service anti-acridien )..

    MILA HOVANA NY ENDRIKY NY TAFIKA ,IZAY TOKONY HIFANOJO AMIN’NY ASA HAMPANAOVINA AZY ARY DIA NY
    « FRMATION NY OFFCIERS  » NO MAIKA HAMPIFANARAHANA
    AMIN’NY HEZAKY NY FIRENENA EO AIN’NY FAMPANDROSOANA : NY OFFICIERS REHETRA DIA RAISINA MANOMBOKA EO AMIN’NY LICENCE VITA , IZAY HIDITRA AO AMIN’NY ACADEMIE MILITAIRE MANAO FORMATION MILITAIRE DE BZSE TELO VOLANA DIA AVY EO

    -a)manohy ny formation d’officier izy
    -b) no sady manaony fianarana hahatonga azy ho ingénieurs : électronique ,informatique ,automatisme ,géologiedes TP ,dans tous les domaines de la pétrochimie : exoloraration ,crackig , exploitation ,forages ,sécurité ,stockage et commercialisation..)mines , hydraulique (irrigation ,barrages (gestion de l’eau., agronomie , élevage , vétérinaires.., médecin (efa misy io fa mila hatsaraina )..sns, sns : droit ,dipomatie ,mécanique , aviation ,langues ndrindra ny Malasy sy ny Tantara-pirenena ary ny litératiora malagasy ..
    Ny fanofanana ny miaramila vatana sy ny manamboninahitra lefitry dia manaoformation militaire ary mifanina amin’ireo cat ,bt efa misy ao amin’ny Tafika fa hampifanarahana amin’ny fampandrosoana ny Firenena (informatique..

    FA FOANANA NY FANDRAISANA ANJARA AMIN’NY FANDAMINA NY KORONTANA..!
    ARY MANDEHA TSARA NY FIARAHA-MONINA : METY NY FITONDRANA ,MANDROSO YTOE-KARENA..NAOANA MOA NO HISY KORONTANA ?

    FA TSY TOKONA HISALASALA NY FITONDRANA RAHA MISY FANONGANAM-PANJAKANA : MAMPITIFITRA IZY SATRIA NY VAHOAKA NO MIJALY SY MIZAKA NY NY ALIKAN’NY MPANONGAM-PANJAKANA !

  • Vonona dit :

    Ny zavatra tsapa sy hita aloha hatreto dia tsy izy ny miaramila gasy.
    Raha lanjaina ny anjara entina amin’ny famotehana an’i Madagasikara toa izao dia mitondra ny anjara betsaka indrindra miaraka amin’i tgv ireo miaramila gasy.
    Mila ravaina ary soloina miaramila vaovao tena mipetraka amin’ny maha-miaramila azy ireo miaramila tsy ankanavaka ankehitriny ireo.
    Mila asiana fanontanina amin’ny vahoaka ny fanamboarana ireo tafika gasy tsy mamokatra ireo.

  • Fred dit :

    -Mpandany Vola
    -Mpitsaoka ady
    -Miakatra grady amin’ny ancienneté na vendrana sy tsy misy ilàna azy aza.
    - Vola tokony ho an’ny fanatsaràna ny fiainam-bahoaka lany amin’ireo mpanenjika vehivay ireo fotsiny.

    NY TENA MARINA ?

    Tena hanesorana maro dia maro mihitsy ny isany, fa betsaka ny tsy misy ilàna azy.
    Tsy azo alefa any ambanivohitra akory hampianatra fa manambaka sy mamitaka vahoaka no betsaka. Ny miova ho jiolahy no ho betsaka.

  • volaniaina dit :

    oh! ry fred ah!
    izy ireo hono ange ka tsy ny tiavany any DADA Ravalomanana tsy nanome azy ilay pyramide de maslowe eh!

  • volaniaina dit :

    ka io pyramide de maslowes io no tedaviny fa mila miadana sy tena milay ry zareo jereo anie ny sary eh!fa ny vahoka no miaro ny akolahimbohotra nefa izy no tokony hiaro ny vahoka ary izy no tokony handamina ny vahoka sns……nefa izy no manambana ny basy ny vahoka sy mitaingina voiture izao ve tsy mahamenatra e!
    sady mijampy damba no manambana mbasy olona antanamplo ve!

  • jacta dit :

    Raha arahina tsara ny tantara dia iRATSIRAKA no nanimba ny tafika,nasaina nanao politika ry zareo;nitoy tamin’iR8 ny tantara ary teo vao tena loza,tambazana vola sy terana ary dia NISAMASAMAKA tsy nisy nilaiva azy(tombontsoa sy harena ary toerana no masaka tao an-dohan-drizareo nefa TANDROKA ARON’NY VOZONA). Vokany iR8 ihany no foteran’ny RAMBONY.Io mitoy io ny vokany sy ny fahendreny(andalany), ny vahoaka tokony harovany indray no TOFIRINY ny dahalo sy ny mpangalatra AROVANY sy omeny fitaovam-piadiana(mampanofa basy fa kely sosy).ASA TSY FANTATRO NA ILAINA NA TSY ILAINA NY TAFIKA!.

  • Bilao dit :

    Mandany ny volam-bahoaka fotsiny ireo..Tokony amparitaka manerana ny nosy mba hamokatra na hiasa ampandroso an’i madagasikara fa tsy andefa baomba kapoaka eran’ny tanana fotsiny..Ny sasany aza ny mitana fitaovam-piadiana tsy hainy..Tokony ho ravana ireo dia soloina miaramila special mintsy hiaro ny firenena sy ny vahoaka ao aminy…Ary koa mba ho miaramila mahay sy maranitra fa tsy ho voavidim-bola lava izao dia hamono ny mpiray ra aminy…Aleo tsy manana toa izay hanan-dratsy…!

  • Lekivy dit :

    Ho an’i Dr Robin. Mazava ny hevitrao ary tsy mahagaga satria ianao tao anatiny. Ho ahy dia tokony ahitsy ny fanontaniana eo amin’ny matoan-dahatsoratra. Tsy azo eritreretina izany Firenena tsy misy Tafika izany. Tsy azo lavina anefa fa maro loatra ny olana iainan’ny tafika sy ny vahoaka amin’izao fotoana izao ka mila jerena ifotony izay toerana sy fizarana andraikitra omena ny tafika amin’izao vaninandro izao. Tsy tokony avela hikonokonona irery izany ny tafika fa mila sokafana ny adihevitra. Efa nisy fepetra noraisina momba izany tany MAPUTO. Ny fahavononana hampihatra izany no andrasana, nefa mahakely finoana raha izao fizirizirian’ny mpitondra FAT sy ny fanaovan’ny Tafika bemarenina izao.

  • tiafihavanana dit :

    tsotra ny valiteniko . tsy ilaina ny tafika:
    - mpamono vahoaka
    - mpampanofa basy
    - mpandroba vahoaka madinika
    - mpandany ny volan’ny malagasy
    alefaso any anaty ala hiasa tany sy hamboloy vomanga .
    tafika tsy misy ilana azy

  • GBD dit :

    Rehefa tsy miaro ny vahoaka ny tafika , dia tsy ilaina

  • volaniaina dit :

    sady nahay vava be i BOBE DENARD GASYt@ iny volana mars 2009 iny hoe : tsy hafaka hiompy ombivavy roa izahay tafika! fa isa

  • volaniaina dit :

    sady nahay vava be i BOBE DENARD GASYt@ iny volana mars 2009 iny hoe : tsy hafaka hiompy ombivavy roa izahay tafika! fa isafidy izay tokony ho tazomina dia i TG OMBY VAVY KELY NAHY no tiany tafika fa DADANAY tsy tiany fa hatahorany izao efa azony tafika @ joh elle ny pyramide de maslowes izany ka ny zanaky ry CEGAME manao mariaga @ limogine kou…..

  • Rafily dit :

    Aleo ravana dia vita. Manangana brigade special hiaro ny firenena, hajanona ny fiofanana sy fianarana any ivelany indrindra any Frantsa fa mamoha-doza, sady isika manana sekoly afaka hampiofana azy ireo.

  • FranckRR dit :

    Raha vao nanota fady, nanitsaka -nanafika- an’Ambohitsirohitra ny adian’olona vitsivitsy nirongo basy sy tafondro dia nirodana ny nilàna ny tafika eto Madagasikara.
    Raha tsy sahy miatrika ny fitsarana t@ izany izy ireo dia tsy hiverina @ intsony ny tena ilàna azy : vato fehizoro ny lalàna !

    Ny tafika anie dia solo-tsandry ny vahoaka hiaro azy @ zavatra mety mitranga avy any ivelany ary koa hiaro azy @ safidiny.

    Koa raha ny tafika manaiky adian’olona mandromba fahefana azo avy @ fifidianana, inona intsony moa no azo hianteherana ?

  • Fred dit :

    Volaniaina >>>>>

    Raha mila piramida izy ireo dia : hanaovantsika iray eny Tsiafahy ! dia asiana soratra hoe :
    Ato no milevina ny miaramila mpamadika sy
    Mpandany volam-bahoaka.

    Jeneraly sy Ofisie niakatra grady
    t@ HAT.

  • volaniaina dit :

    pyramida ireo alefa any afganistan eh!
    sady hazahony gasy sy ny vadiamanjanany kou…

  • volaniaina dit :

    IZAO HONO NO TETAVINY EH!
    ——————————————–
    _http://www.google.com/search?hl=fr&&sa=X&ei=kgeOTOnBLsvL4gbowrncCg&ved=0CBcQBSgA&q=pyramide+de+maslow&spell=1
    ———————————————-
    _http://www.declik.magusine.net/spip.php?article94
    —————————————————–
    efa novaindry ry zareo fa tsy hotranio t@ volana marsa 2009 fa h@ fiatohana fiara ,feno fiadanana tena hoe hotrany mpanjaka na milliardaire ny fianani tafika tena hy antohona daholy ny fiainany iray manotolo h@ plaisirany @ vehivavy,tena belle avenir ….
    na ny filoha ao DAGO AZA TSY MAHITA IZANY NA NY TAFIKA AMERICAI SY NY TAFIKA FRACE TSY NAHITA IZANY FA TENA EFA NOVAINAY NY CITE TENA SITA MBAZA MARINAka azo ovaina sns…..
    tena voafahindalitra tsara izao ny tafika gasy raha mahita izao eh!
    IZAO ZAO HITANY HOE NAKAIZA NY TANTELIKO TETO LANINAY VITSIKA LEGALISTE VE TSIA LANINY FOZA OH!

  • vonjeo ny gasy dit :

    amiko tsy misy ilaivana azy ny tafika malagasy mpamono vahoaka sy mpanagalatra ireo aiza ianareo ry polisy sy zandary ianareo no opj fa tsy ireo sambory dia omeo ny vahoaka hitsrany azy fa ireo no fanetriben’ny firenena .

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Vos idées et arguments sont valables.
  • Utilisez avec modération les majuscules pour vos mots entiers. Vous n'en serez que mieux lu(e) et compris(e).
  • Les insultes et grossièretés sont les moyens de ceux qui ne trouvent plus de mots cartésiens et raisonnables.