Nakatona ny « Radio Fototra », « Madamobil Bis »

ferapara Radio Fototra

ferapara Radio Fototra
ferapara Radio Fototra
Demokrasia fozaorana!
.
Toy ireny nivoaham-paty ireny ny fahenoana ilay onjam-peo « Radio Fototra » nanambara ny fanerena hanakatonana azy. Anisan’ireo radio tena be mpihaino tokoa izy io tato ato indrindra eny ambony fiara fitanterana. « Amin’ny alahelo lehibe no ilazanay anao mpihaino sy mpankafy fa tsy maintsy hikatona amin’ny fotoana tsy voafetra ny Radio Fototra eo amin’ny maridrefy 98.2 FM kanefa efa nahazo alalana handeha sy hanao andrana ara-teknika, mahazo manafatra kojakoja samy hafa, handrakotra ny faritra manerana ny Nosy ». Marihana moa fa Radion’ny Hasin’ny Madagasikara izy io izay mikajy ny tontolo iainana.
.
Mazava ho azy fa tandidomin-doza ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, ao anatin’izao fampielezan-kevitra sy fampahalalana ny vahoaka momba ny lalam-panorenana izao dia hakatona ny onjam-peo tsy mpomba na manohana an’i Andry TGV, izay ilay « demokrasioa Fozaorana » tsy mitsahatra mihemotra, mifanohitra tanteraka amin’ny tena atao hoe « demorasia » Taorian’ny Fanakatonana ny Radio Mbs, Radio Mada, Radio Fahazavana, dia izao nakatona izao indray ny Radio Fototra. Iza indray no hakatona manaraka ? Kanefa iaraha-mahalala fa « bado » na tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny akamaroan’ireo tantsaha maro an’isa any ambanivohitra lavitra any, ny haino aman-jery itony no mba fandratoana fahalalana sy vaovao mitranga. Terena hihaino ny radion’ny mpitondra izany ny vahoaka. Vive Viva et Antsiva e!
.
Tanapenam-bava !
.
Ny mahatsikaiky amin’ity raharaha ity dia ry zareo ihany no nanome alalana hanokatra izany onjam-peo izany kanefa dia hakatona sahady, midika izany fa tsy misy fahamatorana mihitsy ity fitondrana ity. Nodradradraina fa manao « didy jadona » ny fitondrana teo aloha, izao anefa ny fitondran’i Andry Rajoelina no tena manao izany. Efa naseho’ny fitondrana FAT teny amin’ny fihaonambem-pirenena teny Ivato fa azo gadraina ny mpanao gazety, izao habaribariny fa azo hakatona ny onjam-peo. Loza mitatao hoan’ny asa fanaovan-gazety izany, tsy mahagaga aloha raha noesorina tao amin’ny teny filamatry ny lalam-panorenana vao hofidiana ny teny hoe « FAHALALAHANA » e ! nampiharina sahady ny « tsy fisian’ny fahalalahana » na dia mbola tsy nandalo fifidianana aza, maika moa fa… fanapenam-bava tsotra izao ny dikan’izao !
.
Antsojay !
.
Izao fomba mamohehitra izao koa dia mandrisika ny mpanam-bola tsy hampiasa vola eto Madagasikara, taorian’ny tsy fanomezana hamokatra ny fanamboarana « labiera  » iray napangaina fa misy volan’ny filoha teo aloha mihodina ao, taorian’ny tranga ny « Madamobil » izay tsy havela hamokatra ihany koa na dia efa nahazo alalana ara-dalana aza, dia izao ity onjam-peo ity indray no tratran’ny antsojay ! Tsetratsetra tsy haritra no ilazana fa tsy vitan’ny mangalatra (bois de rose) sy manimba ny tontolo iainana ny FAT fa mbola nanakatona ny hany onjam-peon’ny « tontolo iainana » !

13 pensées sur “Nakatona ny « Radio Fototra », « Madamobil Bis »”

  1. Dia mbola hisisika ihany ve ianareo ry Saraha sy Olivier handany vola amin’ny fifidianana, kanefa efa fantam-poko fantam-pirenena izao fa raha vao mandeha io dia HALA-BATO GOAVANA NO HISEHO AO?…
    Jereo aza fa na ny Radio-nareo aza nidiny, ka inona no mbola andrasanareo amin’io fifidianana io?… Sa dia be vola ka dia hiditra foana?
    Mba misaina re ry Hasin’ny Madagasikara a!.. Sa tafiditra amin’ny raharaha « bois de roses » koa ka tsy maintsy manao?… Na koa hoe fady aminareo ny migrevy??? Misisiha foana ary e!

  2. loza ity marina …
    ny any Radio vita ihany fa ny fanambaniana sy fampahoriana ny tantsa no tena mampalahelo kou…
    izao izany hiheno ny radio boite de nuit faholy koa na ny tantsaha na ny zaza …
    zany hoe inona no fitaizana ampahendrena atao sy hananarana ny olona mbola ny zaza ny zatovo ny antitra ary ny olona tsy nianatra sns…ary ireo bado fa tonga dia hieno ny Radio baby boite de nuit eh!!!!!
    lozanao ry TGV fa ianao izao no belzaboba velona ao M/CAR !!!!!

  3. C’est n’importe quoi, franchement, il prend pr qui ce bugs bunny là, je le deteste, je le deteste encore plus! Foza a!

  4. Tsy olana na akatony daholo aza ny radio anti-foza rehetra. Rah sahy zareo dia manin ts ravaina ihany koa ny eny am Magro? Efa tsipaky ny miala aina ny an’ny FAT. Maty hoazy eo ireo ka aza matahotra fa minoa fotsiny ihany.

  5. ALEO HATAONY NY FIFIDIANANA FA TSY QUOI ANGE ?

    OLONA VoavIDINY IZAO NO HANAIKY ANDREO FATINALIKA IREO ?ALEO LE OLONA VITSY KARAMAINY HANAO FIFIDINANA ?IZao ANGE LE FIFIDIANANa mbola tsy hatomboka akory satria DIA EFA TSY EKEN ‘NY communauté internationale ,raha za le olona vidina hifidy raisiko ny vola halatra fa zavatra hataon’ny » sans qualité ça reste sans qualité »,aleo hanao fa

    manambola izay vola halatra be dia be izay koa aleo hividianany ny olona marivo salosana toy ry kriso telo tsy manakambo makaty lava aty @site n’i dada fa tsisy mpanontany ny madagetotra fa « sans qualité » ,tsy vao izao reo putchiste ireo no mitady hanao fifidianana fa lasa rivotra foana ,maivandoha ka TSY HAHATANTERAKA ny tetidratsin’izy sy ilay firenena manapy azy manao coup d’état !!!
    Sao dia heverindreo fatin’alika fa hoe HOE MISY SORATRA HOE DOMELINA DAOLO ny andrin’ny olona rehetra nianatra eto MCAR ?OLONA VORETRA OTRANDRY KRISO TELO KA HANAIKY NY TETIDRATSY HOE I SANS QUALITé no hatao prezida an’i MADAGASIKARA ?HIHIHIHI NA HISY NIFY AZA NY AKOHO TSY HAHITA AKORY!
    NY FRANçAFRIQUE TSY hanjaka eto MADAGASIKARA RA KRISO TELO TSY NAHITA FIANARANA Ö ?
    Madagasikara tsy miverina colonie n’inona 2 fitiavandraDOMELINA VOLA SY harena ,la preuve efa firy VOLANA tsy rahirahin’ny communauté internationale fa fitondrana tazomina @basy ,zaza ratsy taiza tsy manana bepec en poche efa voan’ny androbe no MITOMANY PREZIDA ?TSISY MPANONTANY ?TAZOMY TSARA ALOHA NY BASY!

    Radomelina efa otage dratsi rahonana sy ny reny malalany fa tsy makaiza é!mbola ny SDC NO ambony SY NY UNION AFRIKANINA no Mbola hinoAntenIN’ny CI? ANY KA MIESONA NY RECONNAISSANCE izay aloha dia efa tsara FA NY TSARA ALOHA EFA MIGRèVE NY VAHOAKA FA TSY HIANJERA AIZa TY FITONDRANA MIODAMBASY !!!

  6. Fa angaha moa tsy ity antoko ity ilay nilaza fa manohana ilay Lalampanorenana manala ny Fahafahana ao amin’ny tarigetran’ny repoblikan’i Madagasikara?

  7. nahatapa-tsiany ahy ny nahota an’io hoe Hasin’i Madagasikara io tamin’ny taona lasa. Niandry aho fa tsy nahita. Mantsin’i Madagasikara no reko fofona…

  8. io no mahatonga ilay mots LIBERTE nesorin’ny foza ao @ devise gasy. pfff.
    Hainay foana ny miteny raha mbola foza ny eo.

  9. Fangaha moa ny antokon’i Sarah Georget tsy mpanaohana an-dRajoleina e.Izany mitsy namabaran’izy ireo hoe io ny fitondrana misy dia io ny anay.Miady izany ny samy foza?

  10. Amiko, tsy miady na tsy fiarovana ny tontolo hiainana no ao anatin’ny lohan’ireo, fa fitadiavan-tseza !!
    Fanararaom-paty faona ny an’ny sasany, mba tsy hitenenana hoe an’ny ramalagasy !
    Toy izany koa ireto hoe VMLF ! Sady mampalahelo no tena manorisory. Maha te hiteny ratsy mihintsy, fa tsy maninona efa misy ory ilay vaombolana !
    Tsy hoe tsy fitiavana vehivavy, fa misy ny sasany dia toa io lazaiko io ambony io, manararaotra mitady seza fotsiny, amin’izao fotoana izao.
    Izao no mba hita ao amin’ny bilaogy iray ( IPS – Inter Press Service ).

    « Les femmes militantes de M/car demandent que le droit des femmes de participer directement à la politique figure dans le nouveau projet de constitution du pays.
    Elles voudraient aussi qu’il y ait 30% de femmes politiques AU PARLEMENT d’ici à 2012, et 50% d’ici à 2015.
    L’organisation de défense des droits des femmes « Vondrona Miralenta ho an’ny Fampandrosoana » ( Groupe des femmes en politiques »-VMLF) affirme que cette exigence constitutionnelle est nécessaire etc……………… ».

    Ka raha olona tahak’ireo no milaza fa hanao na mpanao pôlitika, tsy mahagaga raha mivarilavo tahak’izao ny firenena !
    Ka aiza daholo ianareo ry Andriambavilanitra mpanohana ny ara-dalàna, fa izao boto sy adala rehetra izao no hitantana ny firenena â ?

    30 % hono 2012, dia 50 % amin’ny 2015 !
    Dia hoy aho hoe  » Tsy maninona fa rehefa mahatratra 25 % ianareo AMIN’NY 2016 DIA EFA TSARA Ê  » !!!
    Asa, inflation izy ‘ty sa inona ?? MDR !!!!!!!!!!

  11. Ny parti vert anie ka FOZA e! Ny vadin’i Sarah (ilay metisy frantsay atao hoe Patou Georget) no anisany bailleur de fond tgv. Mifanaikitra izany ny samy foza kale!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *