nuages

nuages

HO AN’NY MALAGASY ERAN-TANY IZAY TIA SY MANAHY NY HO AVIN’NY MADAGASIKARA , NEFA MINO SY MAHATOKY NY
FIVERENAN’NY ARA-DALANA SY NY HITSINY ARY NY RARINY EO AMIN’NY FIARAHA-MONONA NY MALAGASY !!

ERITRERITRA, NOFY ,EMBONA ,TSIARO..!

Eritreritra tsy hay fehezina no lasa any ho any ,
Mikareny , mamakivaky ny habakabaka ,
Mandinila sy maka ambony maka ambany,
Ny fianam-pirenena izay nosimbana sy nalana baraka
Tsy nisy fanajana ireo ny voninahitr’ireo olona nisasatra
Namapandroso , niasa ,tsy nahalala andro ,tsy nisy alina
Natao ho fotoam-piatoana ,fa nilofo sy nikoly fatratra
Ny asa-piompiana sy ny voly maro izay noheverina
Fa hitondra ireo karazan-kanina hampiverina
Ny hery sy ny tanjaka nolaniana tamin’ny fiarovana sy fiandrianam-pirenena
Ary hampitombo ny heri-po ,ny heri-tsaina izay any harena
Tsy ho hain’ny mpandroba halaina an-keriny ary tsy hisy mihintsy fifanekena
Entina hanerena Antsika Malagasy hanakalo na hanolo ny fananantsika dia ny FAHENDRENA !

Sakasakana ,ny kajy maro notefena haminganana sy vositry ny Firenena ,
Tsy nisy vokany ireny..Ny vositra ,tsy taitra ,tsy rototra misalo jaky mena
Diamandroso vonona ny hiatrika ny ady aminireo mpangalatra
Ireo harem-pirenena izay ho an’ny fandrosoantsika no fototra sy santatra !

Ry Eritreritro ô miverena!Tsara ny tsiaron’ny omaly fa ny Ampitso koa
Ilaina ho banjinina sy ho dinihina ny vinavinan’izay ilaina hahasoa
Ary koa hizahana ireo tetika sy fomba hanarsana ny lafim-piainana rehetra
Mba hiarahantsika miaraka mitady ny lalan-tsaran’ny fanavaozana trsy voa fetra
Ny firaha-monina milamina , izay baikon’ny teny ifampierana sy ny fifanajana
NY ankizy hihaino ny zoky ,ny lehibe hampianatrasy hanoro ny mpiara-monina tsy mpiray tanàna !
Ireo mpianatra tsy an-tsekoly tokony havory mba tsy ho very andro foana
Hampianaranazavatra hafa noho ny abidy sy roa ampiana roa ,sa ahoana ?
Asehoy azy ireo nahoana ny masoandro no mahasolo fata-pera
Ary koa ho jereny ny rano mikoriana no lasa hery mampandeha ny télé sy ny aoridinatera !
Tsy nofy izany na vinany..fa zava-misy tena ilaina ,nefa tsy ila diplaoma ny fianarana azy ireny,
Koa ny mpampianatra fizika ;,ry enjeniera sy iranareo tekinisianina
Ampianaro ,atoroy ireo mpianatra tsy an-kilasy mpba tsy hivarina ,
Ka hamerina ,rahoviana ,ny fianarana lafo tsy ho voalohan’ny ray y reny..!
Ianareo no hangatahina mba hanentsina ny lavaka izay mety hitelina azy ireny !

Eny ,hoy ny Ntaolo ,iay tsy mahay satro-bory mahay fatam-bary ,
Izany hoe : »Amin’izao fotoan-tsarotra ,mifanankalo ireo fahaizana nomen-Janahary ! »

Mifanampia Isika mba ho telomin’ny tsy fisiana ,na ho harendriky ny fahantrana
Manan-kery lehibe Isika dia ny fihavanana ,koa aoka ifanampy : »Valala iray ifanapahana !! »
Aoka Isika tsy hiandry ny harena iriana ho azontsika voa mifanampy ,
Fa amin’izao fotoana ,izay sarotra ny mihevitra ny ampitso ,ny fitambarantsika no vatolampy
Ifaharantsika sy ijoroantsika miaro ny ny tanjom-pandrosoana ny Firenena ary mitolona
Hahatanteraka ny fanatsarana ny fiainan ’ny Malagasy izay tsy mihonona
Fotsiny amin’ireo bainga voavadika talohan’ity fanonganam-panjaka..fa vonona
Ny hanohy ny asa famokarana ary hampiroborobo ny saina amam-batanan’
Ny Malagasy mba hahatonga Antsika ho tena tompon’antoka mivantana
Eo amin’ny fianamafisana sy ny fanatsarana ny Fiara-monina ary eo amin’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena !

Izany re ny feon’embona halefako ho Anareo..embona tsy tana fa mibohika ao am-po !Tsy ho tererna
Isika hifanaja sy sy hifanampy ary hitady lalandava ny marimarutra iraisana izay mitondra soa..
Ho Antsika Malagasy.. izay manohatra ny herisetra sy ny hosoka .ary ny fanam-penanam-bava
,Izay any sisa herin’ireto tsy valahara ,izay tsy tsy hahita lainga lalandava !



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Eritreritra, nofy, embona
  2. Herisetra !
  3. Herisetra eto Diego
  4. Ry vahoaka malagasy, hihetsika sa tsy hihetsika ?
  5. Alalao ny sehatra

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site