Mangetaheta fahafahana Antananarivo !

Mihaino soamantsara

Mihaino soamantsara
Mihaino soamantsara
Nilaza mazava ingahy Camille Vital fa tsy misy fahazoan-dalana mamory vahoaka omena ny ankolafy telo izany eto, etsy an-daniny anefa ny Prefet de Police sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra efa nilaza fa omena alalana ny ankolafy telo amin’ny Alarobia izao etsy amin’ny kianjan’Alarobia. Mazava ho azy fa Ingahy Vital izany no volo manoa randrana tsy hanehoan’ny vahoaka Antananarivo ny heviny, tsy dia atao mahagaga loatra anefa izany satria ny tenany tsy dia nipetraka loatra teto an-drenivohitra ka tsy tsapany fa « Antananarivo anie ka tananan’ny Fahafahana » na « Ville de la Liberté », ankalazaina atsy ho atsy ny 400 taona an’Antananarivo, ny Fahafahana maneho hevitra, fahafahana miteny no tena maha Antananarivo an’Antananarivo. Raha ny tsiliantsofina heno teny anivon’ny tompon’andraikitra filaminana, dia efa niara-nanaiky izao fanampaha-kevitra hanomezana alalana ny ankolafy telo izao ny « OMC ».
.
Ny azo tsapain-tanana aloha dia nalalaka hoan’ny ankolafy telo ny kianjan’ny Behoririka tamin’ity androany ity, vao maraina dia efa nitanjozotra ny vahoaka. Porofo izany fa mangetaheta fahafahana Antananarivo. Tsy ny fitokanana ny Lapan’ny tanana, na ny fisian’ny Rova etsy sy eroa no maha Antananarivo an’Antananarivo fa ny FAHAFAHANA.
.
vao maraina tamin'ny folo maraina dia tonga ny mpitolona teto amin'ny kianjan'Behoririka
vao maraina tamin'ny folo maraina dia tonga ny mpitolona teto amin'ny kianjan'Behoririka

Tsy adino ny mihira
Tsy adino ny mihira
Tonga foana ny vehivavy
Tonga foana ny vehivavy
Pst Mamitiana
Pst Mamitiana
Nravo ny vehivavy
Nravo ny vehivavy
Nirava am-pilaminana
Nirava am-pilaminana
Mihaino soamantsara
Mihaino soamantsara
Ireo mpitarika
Ireo mpitarika
Ireo mpitarika
Ireo mpitarika
Ireo mpiara-mitolona
Ireo mpiara-mitolona
Endrika tsy vaovao fa tonga mitolona foana
Endrika tsy vaovao fa tonga mitolona foana

vao maraina tamin'ny folo maraina dia tonga ny mpitolona teto amin'ny kianjan'Magro Behoririka
vao maraina tamin'ny folo maraina dia tonga ny mpitolona teto amin'ny kianjan'Magro Behoririka

.

7 pensées sur “Mangetaheta fahafahana Antananarivo !”

  1. Izaho dia efa mamerimberina matetika fa olona efatra ihany nio tena mamely mafy ny mponin’Antananarivo eto!
    1- Andry RADOMELINA sy ny HATainy,
    2- Camille VIT’alina sy ny « imerinaphobie »-ny,
    3- ny Couillonel FAHAVALOMANANA Richard sy ny EMMO-REG-ny,
    4- ary ny Commandant LELON’NY SON sy ny FIS de P…te » ny.
    Eo koa moa ny Jeneraly d’opérette iray sy ny milisiny fa araka ny reko dia toa hoe tsy nahazo karama hono ireo mersenerany dia tsy nety nihetsika loatra intsony! (izany ry pseudo Iarivo no atao hoe mersenera a!)…..NNNNttttsôôôôô!…

  2. Mangetaheta fahafahana Antananarivo hoy ny mpanoratra, fa ohatry ny tsy resy lahatra aho hoe tena mangetaheta tokoa ve raha ireo isan’ny olona tonga mitolona ireo no dinihina? fa aiaza daholo ny mponin’Antananarivo? tena mahatsapa tokoa ve ny maro fa mila fahafahana? aoka re haseho amin’ny alalan’ny fitolomana izany. Ho avy izao ny fetibe karakarain’ny foza, jereo raha tsy betsaka ny olona tonga manotrona = heverin’ny HAT fa mbola maro ny mankasitraka azy, ary tsy omen-tsiny izy raha milaza izany. Isika malagasy ohatry ny manatena mana avy any an-danitra, fa tsy mba tena fitolomana no atao, vitsy ny tena mitolona dia mahazo hery ny mpitondra fôsika. Fa inona no tena andrasantsika hipoaka vao hiroso isika haneho sy hampibaribary amin’ny FAT ny fahasahiantsika manohitra?

  3. Aza adino fa eto Tanà kou no tena be foza na dia eto aza no tena mangetaheta fahafahana ary ireo karazan’olona ireo no manipulen-dry Dmelina sy ieo efa fantatrareo ireo ary dia zay no mahasarota ny raharaha fa ireo omeny ny tsena mora dia tsy miasa tsony ny atidohany..;

  4. Sisi, Rabary!
    Tena marina no teneninareo e!… Hamafisiko etoana foana fa mba mifohaza amin’izay re r’ireto a!… Dia faly amin’ny vola kely izay omen’ireo FATn’alika isam-bolana ireo ve ianareo, hany ka ravoravo ery, nefa ny azy mahazo vahana amin’ny milliard (aferafera)?…Raha tsy faly ianareo dia tongava mba hiara-hitolona isika!
    Izahay eny amin’ny Magro dia mitolona mafy ho antsika rehetra TSY AN-KANAVAKA, ka maninona ianareo no tsy mba mihetsika e?
    Aza miandry ny zavatra ho tonga eo am-pelatananao, alaivo ary sintony ny tokony ho anao!

  5. Tsy adino ianareo any amin’ny Faritra !
    Ndao miara-mihetsika daholo fa hitanareo tsara izao ny fitaka nataon’ny HATay tamin’iny ENY iny !

    Tairo tsara ireo lehiben’ny Faritra sy Maire MPANDAINGA SY MPAMONO OLONA IREO §
    Ndao miaraka daholo fa antsika rehetra Gasikara !

    Ireo taim-bazaha mamitaka sy mametaveta ny zanakareo ireo ! mba asivo !ataovy mamay !
    fa ireo no tena mpanohanany Domelina !
    ALLOOOOOOOOOOOOOO !FIANAR -TOLIARA-MAHAJANGA-DIEGO-TAMATAVE !
    ANTSIKA jIABY MADAGASIKARA E !
    ireo vazaha ao Manakara Mananjary Farafangana Fort Dauphin ataovy mihinana daholo amin’ny Alarobia izao e !

  6. OK!
    Efa ady zao fa aza manaiky ny tapi-maso sy ny masobe tsy mahita ry gasy fa ny razantsika ve namono tena mba hanafaka antsika dia amin’zao ndray dia havelantsika reo mpivarotra Tanindrazana sy mpanalika gasy tarihin’ny Domelina DJ reo… aiza daholo ny nahita fianarana fa olona toa io ve no misora-tena ho mpitondra eto dia ho ekena maty antoka ny zaza Malagasy nandanian’ny Rayaman-dreny vola!!!! nianatra!!! aiza daholo éééééééééééééééééé

  7. Ianareo zao anie no mangeja an’IARIVO é!ianareo no mpanao amboletra sy didoha @hevitra adala tsy mahomby,ataonreo adala vitsivitsy à gauche dia à gauche,à droite dia lasa…simba ny tanananay!!!tsy kilongan’Antananarivo akory anareo, faly manimba sy mandoto ny Renivohitra ,tsy anareo moa na an’dadanareo é! rah endry nareo dia any an-nindrana indray mba atao na any ambanivhotrareo any!ohatra any imerikasinina dia asivo fiareta-tory mihintsy, maninona moa!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *