Noely anaty Fonja

24 décembre 2010

Fonja Ambatolampy

Fonja Ambatolampy

“Atolotro ho an’ny GADRA POLITIKA
Satria ataoko fa mitovy vetso isika”.

NOELY ANATY FONJA

Hono e ! azafady indrindra, teny kely monja:
Dia z’inona aminao moa ny hanaovako Noely àty anaty fonja ?
Fa dia nodradraina ! Natao isam-baovao nalaza sy narevaka,
Natao toa lela antsy izay nahodinkodina hankarary nofo reraka …

Eso ve izany ? Sa tsindry hazolena, sa sehonkerisetra,
Sa tsy hita intsony izay heverina hoe mafy sy amboletra
Hamolahana ahy sy ny namako izay akanga miara-dia
D’izay no hitanao fa hangidy indrindra hamingana ahy ity ?

Angambany tokoa fantatrao fa mafy izany hoe “gadraina” !
Angambany tokoa fantatrao ihany fa dia mihatra aman’aina
Ka afapo ianao, nisafosafo saoka, fa nahavita zavatra
K’iny fisamboran’iny no nohoverinao fa tena tonga lafatra.

Ny fanirianao mantsy dia ny handavo, hamotipotika
Ny hevitra mba nentiko hamitrànana ny simba efa rotidrotika,
Dia ny fiainam-pirenena izay jeren’ny maro fa latsaka ambany,
Mihemotra, Marary. Miantsoantso vonjy mitady zahatra* hiafaràny.

Ihanta Randriamandranto

Ihanta Randriamandranto

Tsy zakanao izany hoe : aoka hototofana ny hantsana mangitsoka
Hita tsotra izao fa mibàna* hianjerana toa tsy hisy hafitsoka.
Tsy zakanao satria mbola milomano anaty vola be
Ianao sy ny havanao. ‘Nareo mikirakira harena tsy voafehy.

Noely ity mandalo … Noely hafakely amiko manokana
Ato am-poko ato, fantaro, tsy miova : ny hevitro dia tokana
“Mila vonjy maika ny maro amintsika, d’ireo mangirifiry
Tsy manan-kanin-kohanina fa fongana avokoa ‘zay kely mba tahiry”.

Ka ny Noeliko ato, asiako ranomaso, rakofako fisaonana
Hisaonako anareo, milomano anaty vola ‘zay tolorako fisaorana
Satria ahafantarako ny anton’ny Noely ho an’ny olona rehetra
D’ireo madio am-po, sy tsotra toy ny zaza, sy ireo mazava toetra.

Mbola hisy Noely hafa hivadibadika ao, an-taona maromaro
Mbola hisy anjely hilaza, sy koa mbola hitory fiadanana, fantaro!
Amin’izay Noely izay, samy ahatsiaro isika, mety hifankahita
Amin’izay Noely izay mety hifanojo isika, hijery zava-bita,

Ka izaho ahatsiaro fa naiditrao tany anaty fonja
Fa ao anatinao, mety hisy kosa henatra hanonja … !!!

= IZAHO IHANY =

*Zahatra: vatan-kazo atao fitàna ambony rano.
*Mibàna: misokatra be.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Repoblika fahaefatra ao anaty Tetezamita mahadomelina !
  2. Nivoaka ny fonja i Manoela !
  3. Inona ny fahatoniana ara-politika ?
  4. Volana 18 izay ?
  5. Vahaolana FAT : GADRA !

1 Comment

  • Ziry Onésime dit :

    Mivavaka ho anareo rehetra izahay ry Président Fetison sy ianareo rehetra!… Tsy maintsy hisy farany izao rehetra fa MINOA FOTSINY IHANY!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site