Rado, Georges Andriamanantena

Rado, Georges Andriamanantena

Inty ny fiarahabana tratry ny taona alefan’ny namanstika eto amin’i MyDago, Rje. Koa dia ankafizo ary e !
.

Indramiko ny dia-penin’i Rado “Taom-baovao” hiarahabako anareo rehetra
namana mpiara-mitolona tratry ny taona 2011.

“Koa raha lazaina ho vaovao
Izato taona diavinao
Vaovao mankaiza moa
ary inona tokoa
no ifaliana sy hobiana?
Ny maha-vaovao ny taona
Tsy ny hira izay miraona
Tsy ny dihy sy totorebika andohana maraina
Fa ilay fikasana anaty: ara-po sy ara-tsaina
Hanavao ny tetikasa
Sy ny fomba hoenti-miasa
hanatanterahana azy.

Tapitra eo ny vazivazy
Tapitra eo ny eritreritra
Fa ny fanapahan-kevitra
hisian’ny zavatra mivaingana
vita tsara sady haingana
tamim-panoloran-tena
ka mipetraka, ho tazana
ho fanasoavam-pirenena
eo anivon-tanindrazana
Izay no maha-vaovao izato taona ifaliana
Fa tsy ny fikasana moana
mijanona ho firariana.

Raha ny izy izany izao :
Tsy ny taona mihitsy akory
no lazaina ho vaovao
F’ilay fihetsikao mitory
ny asa hotanterahinao”

“Taom-baovao”
Rado (13 janoary 1979)

Andriamanitra manankarem-pahasoavana anie hamindra fo amintsika tsirairay avy ka hitantana hatrany ny diantsika mandritra ity taona vaovao 2011 ity,
hanome antsika hery sy fahasalamana, hampitraka raha sendra potraka,
hampahery raha mandalo fahakiviana, hanampy raha tojo fahasahiranana.

2011 : Taom-pandresena ho an’ny vahoaka sy ny Firenena Malagasy !



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Miarahaba tratry ny taona e !
  2. Tsy ampy taona hitantana firenena akory i Andry Rajoelina
  3. An-kitsi-po ho antsika Malagasy tsy vaky volo !
  4. I RADO na hoe Georges Andriamanantena
  5. Erin-taona ny kianjan’ny demokrasia

8 Comments

  • KintanaMananDrambo dit :

    Indrisy dia indrisy mantsy !
    Koa raha tsy nahomby ny zavatra natao tamin’ny 2009, ary mbola tsy nahomby ihany koa izay rehetra natao tamin’ny 2010, dia aoka marina isika hieritreritra !
    Misy fomba iray anisan’ny ao an’eritreritro !
    Aoka izay ilay fiandrasana an’Andriamanitra « hanampy » ry zareo â ! Ny zavatra hita atramin’izao, dia ny asan’ny devoly no manjaka !
    Asa sy hetsika, fa tsy kabary intsony izao ê ! Ny vavaka, dia any an-tranon’ny tsirairay avy !
    Ny bainga mivadika, no vavolombelon’ny asa vita izao ! Ny tsy fankatoavan’ny CI an’ny « fitondrana malagasy », dia tsy mahafa-po, ary tsy ampy !

  • kristelle dit :

    hoatra olona misy devoly izany koa iKintana hhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhha

  • Mbola dit :

    Dia miaraka aminao aho r’i KM !
    -
    tena ampy izay, fa ny famporisihana ny miaramila hanao ny TENA ADIDINY no tokony ho atao !
    -
    Tsy ny fanomezan-tsiny azy ireo no ampivoatra, fa ny fankaherezana azy !
    Tongava saina amin’izay ianareo miaramila eeee !
    Ny Tanindrazana -Ny Lalàna – Ny vahoaka
    Misaotra anareo hanampy anay vahoaka, hampiala ireo jiolahimboto jerenareo ireo !

  • Babyfoot dit :

    Hi hi hi hi hi !
    Nitsangana t@… i Nadia. Sa vita ny saison letsy ?

  • KintanaMananDrambo dit :

    Izaho indray no lazaina fa misy devoly, kanefa ‘ty no nosazian’ny olona tany Antaninanandrano tany ! Lazaina koa fa i Gbd dia tia vetaveta ! Tssssssssss…….
    Ary mba inon’ty aloha ilay voatifotry ny toto-ondry iny ny masony ê ?
    MDR !!

  • kristelle dit :

    hoatra fantako iny vehivavy iray iny.andraso tsara hoe tadidiko?
    ilay Rija koa aza toa fantako ?andraso andraso

  • Mbola dit :

    1) Tres Bonne année et heureuse année 2011 à Volaniana Alexandra aloha e!
    Ny volo-koditrareo fotsiny no tsy mitovy fa ny paozy sy ny coupe de cheveux dia mitovy mihitsy : Tena raitra e!
    2)
    Ny faniriako mafy mihitsy izao r’i Volaniaina dia ny fandoroana sakay ihany !
    3) Rahoviana ihany oa fa mba hihaino ny marina ny sofin’ny miaramilantsika e ???
    4) tsy tena mazava amiko ity iarivo ity :
    atao hoe mitovy probleme amin’i Kristelle, nefa TOA be « ineptie »….. MDR !!!sady mahay mitsikera an’i Dada fa tsy manan-kolazaina mikasika an’i akamany (domelina)
    5) iarivo : faly mitsikera fa TSY MANANA PROPOSITION NA IRAY AZA.
    Aoka izay ny famaliana azy fa mamily resaka mitovy amin’i Kristelle no tena tadiaviny !

  • Bemafohy dit :

    Somary be adidy amin’izao fotoana fa tsy manary ireo namana mpanara-dalàna.MAP ihany no ady eo amin’ny lafiny rehetra mihintsy (madagascar action plan hoy koa ny filoha Ravalomanana).Hitako tamin’ny gazety fa nisy jiolahy niaraka tamin’ny basy nanafika 4*4 teny ambatobe.Raha zohina izany dia tsy atahoran’ny olona ny mankeny rehefa may ambondrona.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site