hirondelles ne dansent pas par hasard

hirondelles ne dansent pas par hasard

Dia talanjona aho mamaky ny tranokala itenenan’ireo olna zavatra tsy mitombona ,tsy misy , ary foronon ’ny maro aminy..!
Izany no misy dia satria mampiasa ity  »pseudo ity ny Malagasy ,fomba izay tena mifanaraka amin’ny fisainan’ny maro : miafina ao ambadikin’ny tamboha , miery an’elakelan-trano dia sahy manompa , manipy ranomaloto izay manadlo .Imasoimaso nefa ireny manao fitondran-tenana jiolahiboto ireny dia miendrika toa ny olona hendry..sy tsy manan-tsiny..
Izany toetra izany ,tsy dia misy hirahirahina azy ,fa azy ny azy , fa izany no fototry ny fihatsarana ivelan’ny tsihy..ary avy amin’izany toetra izany no iatomboan’ny fanadaingana..sy ny fitiavana manely tsaho..sy mamitaka ny mpiara-monina !

Amin’izao fotoan-tsarotra izao eo amin’ny lafim-piainana maro ,dia tsy mahagaga raha toa ka maro ny Malagay  » mahana , malina sy tsy minom
Lesona lehibe noraisin’ny Malagasy tamin’iny fakana an-keriny ny Fitondrana izay niaro lainga fa handroso tsaratsara kokoa noho ny teo aloha ny Firenena ..!
Tsy misy mino intsony sy mahatoky intsony intsony ny filazan’ny sasany!
Mandinika sy lasana eritreritra ny hendry sy tsy manaiky ny fika sy ny fitaka..!

Ny mahatonga ahy iresaka ity fomba ratsy ity dia ny fahatsapako fa na dia ny votoatin-dresaka naterak’io fanonganam-panjakana io dia misy sahy ny milaza lainga be ,manely tsaho be ..Toa ny hoe :
-I RAVALOMANANA MARC no naniraka an-rrajoelina anakorontana ny Firenena
-mpinamana be ny Filoha RAVALOMANANA MARC sy ny Filoha frantsay…fa mody miadt fotsiny izy ireo noho ny vola be ho azo amin’ny pétrole..
sy sns sns..
Fa toa izny no fisainana ary fomba-paolitika maimbo izay entina hanaratsiana ny Filoha RAVALOMANANA MARC..ary hanodikodona ny sain’ny Malagasy ..

Raha ny Accodrs nosoniavina tany MAPUTO ny 09 août 2009 koa aloha dia maro ireo filaza fa tsy misy intsony io accords io ary efa mifanaraka ny an-daniny sy ny an-kilany mba haravona amin’izay ity kirizy ity..!Izay ilay hevitra mampilendalenda antsoin-drizareo hoe  » la-olana malagasy-malagasy !
Ity Accords ity izay nosoniavana tany MAPUTO dia manana lanaja sy fenitran’ny  »traité internatioana  » tsy azo rovitiny na ravana na fafana !
Efa misy fifanarana maro iarahan’ny Sinoa sy ny Frantsay hanakenda an’ny Madagsikara ara-toekarena : azon’ireo tanterahana izany ,satria hoe ireo Sinoa mipetraka eto M.kara dia lava-tanana ary mahay mivarotra ny Malagasy…

Mety tsy Malagasy koa anie no manely izany  » atsanga tsy amanorana izany é! Ho mora ho an’ny Sinoa no manenika an’ny GASIKARA !
Nefa koa azo heverina fa lany lainga ireto izy ka manao vavan’ny very hanina !
Sa tsy maty am-bavany ?

FA ISIKA REHETRA AFAKA MISAINA SY MISAINA AM-PAHALALAHANA MBA AIZA ISIKA AMIN’IZANY RESAKA IZANY ? INONA NO MBA HEVINTSIKA ?
DIA HO AZO REBIREBEBA SY FITAHANA SY HO JONOINA VE ISIKA KA HANAIKY FA TSY MISY INTSONY NY ACCORDS DE MAPUTO ? KA HO SOLOINA IO ACCORDS IO FA MANDRERAKA ?

Ireo tapi-dalan-kaleha no mikaikaika ,no mihezaka handemy ny sain’ny Malagasy marivo salosana..!

ISIKA DIA TOKONA HIJORO ARY HANDRARAKA IL MBY AN-DOHA..!
AMIKO DIA IZAO NO FOTOANA HAMPISEHOANA FA TSY MATY VONOINA ISIKA ! IZAO NO FOTOANA FA VOLAMENA NITSAHANA TAM-POTAKA ISIKA NEFA
MBOLA MAMIRATRA !

AMPIFANATOANY , AMPIFANDRAISO

-NY FITSIDIHANA FARANY NATAON’NY GIC NOTARIHAN’I DR SZIMAO TETO AMINTSIKA,
-NY KABARIN’NY FILOHA RAVALOMANANA MARC TAMIN’NY 31 DECEMBRE 2010 IZAY NANAMAFISANY FA IZY NO NANIRAKA AN’ATOA RAKOROARIVELO MAMY NANANTONA IREO ANTOKO PAOLITIKA  » MENDRIKA AHO ANTONINA  »,
- NY CONFERENCE TELEPHONIQUE NATAON’IREO CHEFS DE FILE TELO (RATSIRAKA ,ZAFY , RAVALOMANANA MARC
-ARY NY FAHATONGAVAN’ NY DELEGATION GIC AMIN’NY 11 JANVIER 2011 IZAO !

IREO HETSIKA IREO NO ZAVATRA MISONGANDINA ATRIZAO..ARY NA DIA TSY DIA BE MPILAZA AZA DIA HANTENAINTSIKA HITONDRA DINGANA LEHIBE EO AMIN’NY FITADIAVANA VAHA-OLANA ,SATRIA ELA NO TSY NISY SEHO -JAVATRA TOA IZAO !

NY HITSIKITSIKA VE DIA MANDIHANDIA FAHATANY ?



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site