Miaramila ! (2/2)

tafiditra ny Bani
BANI
BANI

Inty koa voarainay anio. Efa hitanao ilay voalohany ? Jereo koa ilay hoe « Ampamoaka »

Araka ny loharanom-baovao marim-pototra azo dia tonga tao amin’ny mpitsara zoky olona ny Komanda Roger Luc. Ity farany moa izay nambaran’ireo olona tao amin’ny Komity Miaramila ho Fanavotam-Pirenena tamin’ny fanadiadiana izay voarakitra an-tsoratra natao tamin’izy ireo dia nanambara fa miandraikitra ny fandraisana ny any ivelany izy no niantoka ny sécurité an’ireo mpivory isan’ny tompo-kevitra amin’ny fampihavanana ny miaramila koa izy.

Ny raharaha tany amin’ny BANI Ivato moa no niantsoana azy nefa fantatra koa fa efa andrasana izy  tamin’ny raharaha FIGN ary voalaza fa efa niandry azy ny Procureur  de la République.

Tsy nande irery anefa ny Komanda Roger Luc fa nitondra azy tamin’io fotoana io ny Kolonely Sedera lehiben’ny Para eny Ivato izay lehibeny rahateo, araka ny tatitra rehefa nihaona tao izy telo mirahalahy mianaka dia nanambara tamin’Atoa Doyen ny lehiben’ny Para fa «Raha ny Komanda Roger Luc no andraisana fepetra amin’ity raharaha BANI ity dia tsy ho voatana fa hitraotra ireo miaramila parachutiste eny Ivato».

Teo moa dia toa hoe niantso ny Procureur de la République ny «Doyen des Juges» ary nande nanao tatitra tamin’ny Rtoa Ministra izy mirahalahy mikasika ny teny izay nambaran’ny Kolonely Sedera.

Raha nandre izany Rtoa Ministra dia niantso ny PM ka nanambara ity farany fa leo tabataba sy korontana izy ka alefaso mody ny Komanda Roger Luc.

Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe misy ve sa resaka fotsiny ny «Fahaleovantenan’ny Fitsarana» ary mazava izany izao ny resaka fa ny baikon’ny fitondrana Tetezamita no tanterahin’ny Fitsarana fa tsy ny marina no tadiavin’izy ireo. Ary toa manao raoka ombin’ilay boka ny Fitsarana, ireo izay manara-dalàna ihany no enjehina toa manao tsindrio fa lavo. Araka ny resaka heno koa aza moa dia misy mihitsy ny milaza fa matahotra ny Komanda Roger Luc sy ny Para eny Ivato ny fitondrana Tetezamita.

Tsy tokony hisy tombo sy ala ny raharaham-pirenena, ny marina tokony karohan’ny Fitsarana. Maro ireo nandray anjara tamin’ny raharaha BANI iny ary efa any amin’ny mpanao famotorana ny anaran’izy reny araka ny heno moa dia toa hoe baiko avy any ambony no sakana tsy anaovana fanadiadiana azy ireny.

4 pensées sur “Miaramila ! (2/2)”

  1. Matim-bola ny mpiasan’ny Fitsaràna !
    Ohatra iray omeko : Misy olon-dehibe sy ankizy maromaro miara-manao adalàna ( ex : mangalatra ). Raha ho saziana izy ireo, izy no tena tokony omena tsiny ? Ireto ankizy tsy vory saina, sa ireto lehibe tokony hananatra ?
    Tsy niteny aho hoe nisy nanome tsolotra ( izany tsy misy fantatra ) ; fa matahotra ny ho very karama, ka naleony very voninahitra sy haja !
    Resaka be efa nataon-tsika teto izany ! Toa izany koa ireo miaramila ireo ! Ny fonctionnaires !

  2. Mba msesho mvavaka le mnistra iny kay losfer miarak am andry belzeboba .Tokony mbebaka no ataony ao am ministera fitsarana refa maraina de roahana devoly manomboka am andry ,ministra de ny tgv retraretra fa tena mterak ozona oany madagascar

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *