Alina farany any am-ponja ho azy telo mirahalahy ve ny anio ?

Lapan'ny Fitsarana Anosy 08 Fev 11

Lapan'ny Fitsarana Anosy 08 Fev 11
Lapan'ny Fitsarana Anosy 08 Fev 11

Notontosaina io maraina io ny fitsarana ireo mpitarika ny ankolafy telo.Namaly ny antso sy tonga nanotrona ny fotoam-pitsarana ny vahoaka marobe mpandala ny ara-dalana.

Vokany : nolavina ny fangatahana fahafahana vonjimaika azy telo mirahalahy, Fetison Rakoto Andrianirina, Zafilahy Stanislas, Tsarahame Edouard ary rahampitso maraina amin’ny valo maraina no hivoaka ny didim-pitsarana !

Nolavin’ny mpitsara ihany koa ny fangatahana  handefasana horonan-tsary hanaporofoana sy manampy ny mpisolovava amin’ny lafiny fiarovana.Naharitra ora maromaro ny fitsarana ary nolavin’ny voapanga hatrany ny fiapangana natao taminy.

Nanohiny ny mpanotrona ny tenin’ny depioté Zafilahy Stanislas raha nomena anjara fitenenana manoloanana ny Fitsarana izy : »Vonona ny hanefa ny sazy izahay raha izay no ilain’ny firenena amin’ny fijoroana amin’ny fahamarinana », i Nelson Mandela aza hoy izy 27 taona tany am-ponja noho ny fireneny.Toy izany koa ny vaky bantsilana nataon’ny Pasitora Edouard,  » maninona no tsy misy fitsarana mihitsy ny fandrobana sy fanimbana ny fananam-bahoaka ny 26 Janoary 2009 ? hoy izy.

Niverina eny amin’ny fonjan’Ambatolampy avy hatrany moa izy telo mirahalahy ary manantena fa hihaino ny « Fahamarinana » ny fitsarana ka ho alina farany hatorian’izy telo mirahalahy any am-ponja ve ity alina ity !

Velon-kira ny mpanorotra hoe… ny alina any am-ponja raha eo anilanao manjary loha-taona…

.
—–>Jereo koa ny vidéo teny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy

11 pensées sur “Alina farany any am-ponja ho azy telo mirahalahy ve ny anio ?”

  1. Fa ianareo ve dia mbola mino foana fa misy fitsarana MARINA any Madagascar ? jereo tsara fa mbola ho gadrainy ireo, tsy maintsy mihetsika isika hanalana an’ireo any amponja. Dia mpiditra an’i rajoelina sy ny tariny any ANOSILAVA

  2. Mivavaka mafy ho anareo ny tenako ry izy telo mirahalahy a!… Fantatray fa tena mafy izany any am-ponja izany, kanega mino izahay fa hivaly ny vavaka ary, hitohy sy handresy ny tolona ataontsika!

  3. Ouadray reto miaramila vata..y !
    Toy ny tsy natera-behivavy ary mety hivarotra ny reniny atsy ho atsy rehefa may ny endim-boanjo !

  4. Le temps passe, il y a trop d’attente inutile, tsy misy fivoarana ny toe-draharaha. Les assassins continuent de gouverner, pas d’action de la part de nous Malagasy, de la part de l’UA, la SADC, de l’ ONU. Il n’ y a pas de justice sur cette histoire. Lany fotoana @ fandefasana delegation, fihaonana, sns nefa efa nivoaka daholo ny porofo rehetra. C’est con et désolant.

  5. Efa nivoaka ny didim-pitsarana, sursis 1 an no sazy ambony indrindra azon’ireo voapanga.Efa lasa nanao caravane nitsena ny mahery fo any Ambatolampy ny mpitolona;Mahereza fa ny mino tsy maintsy mandresy

  6. Sursis : « Elégante » façon de MUSELER les opposants. Pour ces derniers, il ne leur reste plus qu’à planter des pommes de terre !

  7. Le DJ va commemorer la pose de premiere pierre de la commune de Toamasina. Tout continue pour lui sans aucune considération du coup d’Etat et des meurtres qu’il a perpétrés. Il faut que ces méfaits soient punis.

  8. bonne zany e!!rehafa afaka izy 3 lahy…..izay no nivavahana teto hatrizay….
    momba ny pose pierre zany ndray de feno « maquette » tamaga,nofy² mpifoka bozaka….asa aiza no ahitany vola anaovany izany…

  9. rafle,
    Marina fa efa mba tsara ry zalahy tafavoaka ; kanefa aza adino fa ny sazy azony dia midika fa tsy mahazo « mihetsika » intsony na dia ny « aikikelin-dry zareo » aza.
    Hanao appel ny mpisolo-vava, fa amin’ny dimy taona angamba vao ho dinihan’ny fitsaràna izany fangatahana izany.
    Tampenana tsikelikely ny vavan’ny Mpanohitra an’izao fanonganam-panjakàna izao, na dia ny an’ny « CO-PRESIDENT » aza !!
    « asa aiza no ahitany vola anaovana an’izany ? »
    Avy aty ivelany !! Ary tadidio fa ny zavatra mahamaika an’ireo mpanongana ireo, dia ny manao « TRAVAUX » : mairie de Tana, Taomasina, Antsonjobe, stades couverts par-ci et stades couverts par-là, quelques réfections de route, etc….
    Exemple hafa koa !
    Brève Région Ile-de-France – Madagascar
    MADAGASCAR AU CHEVET DU LAC MASAY
    Dans le cadre de sa coopération avec Madagascar et sa capitale Antananarivo,la Région Ile-de-France vient d’apporter son soutien à une action d’envergure pour améliorer la qualité des eaux du lac Masay. Faisant office de déversoir pour les « boues » provenant des « latrines », ce lac devrait retrouver sa vocation première, les loisirs et la « pêche » ; après des TRAVAUX D’EPURATION, l’aménagement des bennes à ordures ou encore la réhabilitation de canaux d’évacuation des eaux usées ( Journal Région IDF Février-Mars 2011 ).
    Travaux no misy vola be !! Tout le monde va y trouver son compte, à part le peuple !!

  10. Lucide, Kintana et rafle,
    Laissons-les faire ! Tant mieux pour nous !
    Tout ce qu’ils font restera pour nous !
    Fisainana MPIFOKA BOZAKA, MPIDAINA vao maraina daolo izany rehetra izany, manonofy antoandrobe nanahary.
    Ny reconnaissance tsy azo nefa mi « je suis » !!!
    Hiala maina toy ny mpamotsika alika i LAVANIFY-TAIMBODINA sy renimalala. Mba ity zà eto !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *