Ankolafy telo, toko telo nahamasa-nahandro

mahandro sakafo

mahandro sakafo
mahandro sakafo

Nampihorohoroana ny mpitarika Lalatiana Ravololomanana, no tevatevatevaina ny Ray aman-dreny Emmanuel Rakotoavahiny, no gadraina ny Pasteur Edouard Tsarahame sns…. Satria mijoro @ marina.

Ry tapaka sy namana ao @ ankolafy telo. Izay miaraka vato izay misaraka fasika. Tonga ity ny ora ka aoka hifindra toerana any @ ireo mpampihorohoro ny tahotra. Aoka hiverina eto an-tanindrazana ireo filoha teo aloha sady filohan’ny ankolafy.

Miandry koa isika Iizany fiverenan’ny filoha teo aloha Didier RATSIRAKA, ary hanao ny fifamelana tena izy.  Mahatoky ny fijoron’ny ankolafy Ratsiraka ny vahoaka, ary tsy ny resaka no ahitana izany fa ny hetsika eny an-kianja. Hiaraka @ ankolafy Ratsiraka ny vahoaka eny Ivato rahampitso. Ny siosio aza milaza fa mety hiara ho tonga @ filoha RAVALOMANANA ny filoha RATSIRAKA. Raha izay no mitranga dia arahaba soa arahaba tsara tsy miantsy miaraka ny ankolafy telo.

Ny Profesora Zafy ALBERT dia hametrahan’ny vahoaka adidy lehibe dia ny fandraisany anjara tanteraka @ izao fiveran’ny fanantenana izao. Izy koa moa dia andry hijoroan’ny tolona. Ireny ampamoaka nataony ireny dia efa porofo ny fitadiavany ny marina izay afenina eto @ ity firenena mamintsika ity.

Tsy hisy ahasaraka ny ankolafy telo fa mojoro satria Malagasy iray ihany. Eo koa no trena ahitan’ny vahoaka ny fitiavan-tanindrazana misy eo @ ireo filoha roa dia ny filoha Didier Ratsiraka sy ny filoha Zafy Albert.

Manainga ny any @ faritany rehetra mba hanao izay tandrifiny. Izay afaka dia tongava eto Antananarivo, izay tsy afaka kosa dia mandraisa anjara araka izay azo atao, ary porofoy fa mpanohana ny ara-dalàna isika.

Hatahoran’ny FAT tokoa mantsy ireo mponina avy any @ faritra, ka izany no tsy nahasahian’ny FAT nitondra ireo mpitarika telo lahy nogadraina tany Toamasina fa I Toamasina dia mjoro hoan’ny ara-dalàna. Ny toko be telo any Toliary moa dia efa nampiseho fa tsy ekeny ny FAT, ka aoka hitohy ny hetsika ataonareo izao satria mijoro hoan’ny tanindrazana ianareo.

Ny filoha Zafy Albert dia nahazaka olona marobe tany Antseranana saria tena mijoro @ marina ny vahoaka. Ny faritry Mahajanga dia nisongadina t@ fidinan’ny ankolafy telo tany @ iny faritra iny, hita fa mijoro ho @ ara-dalàna ny vahoaka.

Ny ankolafy telo no ho avin’ity firenena ity satria izy ireo no tena mahazo tsara sy manaiky ny atao hoe fifamelana sy ny fiaraha-mitatana. Mifanaraka tsara any tadin-dokanga mikasika ny fifanarahana tany Maputo sy Addis Abebas ary tany Prétoria.

Tena mitady vaha-olana tokoa ny ankolafy telo hanalàna izao atambo nateraky ny fanoganam-panjakana natoan’I rajoelina sy ny forogony izao.

Ho tonga eny Ivato daholo isika ao @ ankolafy telo rahampitso. Andro iray toa zato io ka tsy azo hapetraka, raiso ny ampiga dia mijoroa tokoa ho olom-pirenena.

Ireo filoha telo tokoa mantsy dia mampatsirao ireo zanak’Andriamanitra tsy maty tao anay afo dia I Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Mbola mampatsiahy ihany ireo magy telo namangy ny fahatarahan’ny Jesosy. Ireo no took telo nahamasa-nahandro. Mijoro sy miara-dia ny ankolafy telo ka ho toherintsika  izay manohitra izany.

ANKOLAFY TELO ENY IVATO NY 19 FEBROARY

7 pensées sur “Ankolafy telo, toko telo nahamasa-nahandro”

  1. Tsy voatery ho ny ankolafy 3 ihany angamba fa izay rehetra mahatsiaro fa ilaina ny fiovana @ izao dictature izao dia tokony ho avy avokoa.

  2. Rice is « becoming a luxury » in Madagascar !
    Antananarivo, 15 february 2011.
    The price of rice, the staple food in Madagascar, has doubled in the past two years, forcing residents of the Capital to halve their consumption. « At almost 2.000 ariary (1 us dollar ) a kilogramme, rice has become a LUXURY ITEM ».
    Tiana Randrianirina, a rice seller at the maon market in the capital.
    Net News Publisher
    Louis XVI, aurait dû vivre au 21e siècle ! Pauvre de Louis !!

  3. Mila miomana mafy isika. Nilaza ny FAT matsy fa hisy tafika vahiny hono ,marsenera,hiaraka @ Ravalo ka tonga dia andray andraikitra ry zareo. Isika vahoaka dia tsy miala. Mazava loatra fa ny mihazakaza dia ailaina rahampitso fa homany araka izany ny zavatra entina sy any ankanjo hanaovana. ny Ranodia zava-dehibe f atsy maitnsy handefa lacrymogene ireo bibidia ireo.
    Raha sanatria ka misy mahazo ny filoha Ravalomanana dia korotana be tsy hifankahitana eto. Izahay dia efa mihpmana @ rehetramihitsy ,indridra ny @ tohin’ny rahampitso kamiankina @ fihetsikin’ny EMMONAT ny tohin’ny tantara… samia tia tanindrazana sy olon-kendry ka ianareo miaramila aza manaikylalaovin’ireo mpanogam-mapajankana @ izay vola kely omeny anareo. MIJOROA RY MIARAMILA LEGALISTE.

  4. BE noho ny vitsy reo fatin(alika ireo ela izay namotehany an’i Madagasikra zay ka tsra miintsy ra8miaraka amitafika ny CI ,nyONU ,ny allemand ,mila mitondra tafika alooha izy fa tsy tonga 2 amizao é!
    Raiso ny basy dia tazony any aminareo ,toray cocktail momtov ny tang raha vao hidaroka anreo ,ry zareo manao fanamiana dia raiso ,kidnaper fa TYS MIARAMILA INTSONY RENY MITADY TOMBOTSOBAZAHA IRENY FA MILICE ?qu’est ce qu’il fout le ministre fraNçais DE COOPERATION à MadagascAR ,qui L’invite à venir làas-bas?

    MADAGASCAR et la Côte D’ivoire ne sont pas des départements français!ça suffit le vol DE NOS RESSOURCES MINI7RES PAR CES ETRANGERS VOLEURS ‘ des intérêts économiques IL Y A QUE 9A QUI COMPTE ?QUITTE 0 MENTIR ?OUI NOUS SOMMES LE PREMIER PARTENAIRE éCONOMIQUE DE MADAGASACAR ALORS QUE C’EST GRÄCE à NOS ARGENTS Qu’ils nous aident, Ridicule !!!

    ,en France dès qu’on parle de Madagascar ,les gens ne savent même pas ou se trouve notre pays ,sinon pays pauvre ,pays pauvre ,voilà ce qui sortent de leur bouche ,alors qui profite les béNefices des miliards d’euros argents volés par TOTAL PAR Le gisement DE NOtre pétrole!!!
    ON verra bien demain !MA FOI ,LA FrançaFRIQUE SERA ENTERRée demain à MADAGASCAR!
    Que DIEU NOUS GArDE ET TOUS LES VAZAHA QUI SONT ENTRéS SANS VISAS POUR FAIRE LE TOURISME SEXUEL SERA PUNI ou alors ils ont intérêt à quitter notre pays le plus vite possible !
    Et tous les karanas voleurs pauvres chez eux aussi n’ont qu’à rentre r immédiatement chez eux sinon les pauvres Malgaches recuperent tous les biens qu’ils nous ont volés !

  5. Na inona na inona zavatra ratsy hitranga eo rahampitso, dien’izao dia LAZAO IZAY NAMANAREO REHETRA ( indrindra fa frantsay ), fa manana andraikitra lehibe amin’izay hiseho eo ry zareo frantsay !
    Tsy avy eo vao hilaza hoe : Izahay tsy nahafantatra an’izay miseho any ! Tadidio ireo allemands NOTEREN’NY AMERIKANA SY ANGLISY, nijery ny fatin’ireo jiosy maty tany amin’ny camps de concentration !
    Andro iray tsy toa zato rahampitso !!!
    Ho ela velona anie Madagascar Firenen-tsika, sy ny vahoaka malagasy afaka !
    Masina laotra ny tanindrazana !!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *