Aoka izay ny sain-jaza ! Ampy izay ny andrakandrana !

Jeux d'enfants Madagascar

Jeux d'enfants Madagascar
Jeux d'enfants Madagascar

VITA TEO NY ANDRAKANDRANA KITOATOA NOHEVERINA FA HAHAVA NY OLANA ! AOKA IZAY NY SAIN’ANKIZY !

Mangina sy sina ny Tanana ,ary ny Malagasy toa milamina ,toa tsy rototra !
Nahoana no tsy taitra no tsy maika ny Mponina ?Izany no sary tsotra ita sy tsapa §
Ireo azy ho » mpanao paolitika »toa kenda ny sakafo nandrahoany niaraka tamin’ny frantsay ,niarany nohanina tamin’ny fat ,iay nanodikodinany ny sain’iDr Zsimao..!Faly tokoa nandrapaka sy nitsako ka nony nitelina dia nisy sakana be..izay nahakenda azy..Tsy voatelina ilay sakana izay tsy inona fa ilay »ravi-daisoa » nanoratana ny fifanarahan’izy ireo (feuille de route ) dia tsy nisy nandray ,tsy nisy namaky ..tsy nanaiky !
Kofona ,nisondrovaka..ary kepaka ary nahita ho lazaina intsony…
Asa ny fijerin’izy ireo ny » Communauté Internationale ( Firenena Mikambana , Union Africaine , Union Européenne , SADC , ny Firenena lehibe : amerika , Chine , Allemagne , Inde..Japon..) natsy mahalala lalàna ,na tsy mahazo resaka fa dia vendrana tokoa ireo olona ,fikambanana nanantena fa ahazo vahana ny fat..!
Misy ireo nikiaka fa tsy misy ilà,a izany accords de MAPUTO izany intsony..!

Ny Copmmunauté internationale anie ka tsy olon-tokana é § ka azo avilivily ,ka azo viraviraina é! Na azo fetsifetsena sy ilainalaingana na fitapitahana…
Nihevitra ireto nahandro sakafo fa hampilendalenda ny Union Africaina na ny SADC ,na ny GIC ity sakafo nandrahoan’izy ireo !

Mangina sy sina ny Tanàna ! Tsy taitra tsy maika ny Malagasy satria sendra ny olona mitonatonana , niseho azy ho nahay nahandrio ,kinanjo sakafo manta tsy azo ho hanina no narosony…

Ataoko fa ny eboebo sy ny sekosekon’ireto olona nanaonanao foana ireto dia nanatara be ny famerahana ny Tetezamita Ifanarahana sy tsy manavaka izay hikarakara sy hanomana ny fifidianana ,indrindra ny fifidianana nyizay ho Filoha-pirenena..!
Koa ireo aoka ifarana eo ireo kitoatoa nifanesy izay nataon’ny fat sy ireo mpanara-deniranopotaka !

Isika mbola misaina ,afaka misaina dia tokony hifantoka amin’ny fametrahana aingana io Tetezamita Ifanarahana sy tsy manavaka io..satria io sy ny Charte de Maputo no hanampy Antsika hilamina , handry fehizay ary handroso sy hivaotra !
Tsy vitan’ny andrakandrana sy ny kitoatoa ny raharaha-pirenena ! Aoka izay ny sain-jaza !

3 pensées sur “Aoka izay ny sain-jaza ! Ampy izay ny andrakandrana !”

  1. Un coup d’état bien maquillé,mais ça reste un coup d’état ,un gouvernement unilatéral sans qualité! c’est un gouvernement illégal ça sent la colonisation ,diviser pour régner!

  2. Je remercie RAKOTOARIVELO MAMY et l’ensemble des Dirigeants de la Mouvance RAVALOMANANA MARC pour conférence de presse exposer les dysfonctionnements de la HAT qui croit et fait croire à ceux – ,qui ont la capacité de comprendre les raisons qui anient ces putchistes à continuer à détruire ainsi le Pays et à faire souffrr les Malgaches et les moyens de justifier ce pouvoir inculte , cynique , spolieur et prédateur des aides destinées à améliorer les conditions de vie des Malgaches-, qu’elle a été , u’elle dans le juste et le vrai !
    Un tel exposé au piblic des activités ,effectué en face des journamistes soit-disant informateurs de la Population avide  » de vraies nouvelles « (vaovao marim-pototra),constitue une bonne un temps fort de la communication politique par le thèmes traités et par la grande attente et de curiosié des Malgaches.
    Encore merci et curage !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *