Ho any ianao,kanefa….
Aza ataonao fantany
‘zao fahoriako izao.Fa aoka hiafina aminy
ny ketoky ny jaly
nanempaka ny aiko,tanatin’ny longoa
izay namandrihany ahy…
ny dinitry ny foko manorika ahy mangina,fa sempo-tsasak’alina
misaina ity anjarako,
Aza ataonao fantany !…Raha manontany izy,
iangaviako ianao handainga indray mandeha !
Lazao fa nanadino ny momba azy rehetra
ny saiko manontolo.
« Rako-boninkazo hoe ireo lavenon-dasa
natoraky ny Adaoro »
Ireto diary ireto lazao fa efa may
sy tapitra efa kila…
….Fa ny volofotsiko,
ny ketrokentron’ handriko*Afeno dia afeno !
Azonao izany ?Etsy kely koa
hafarako ianao !
Jereo raha sambatra izy !Mba hamantaranao
dia ireto no fambara :
« Ao an’ efitranony : misy voninkazo
tsy maintsy mavokely…
Eo an-doha-fandrianany :
ny sarin’olotiany…na iza n’iza izay »
Raha izay no hitanao dia efa sambatra izy
ka aza asiana resaka momba ahy akory,
f’izany rahateo no niriko ho azy…Izay no hafatrafatro
ka tazony tsara …Ary dia veloma !
Saingy etsy ange !
‘Ty tànanao ity, aza akasi-javatra
mandra-pifandray ny tànanao sy ny azy…Eny e ! Ampy izay.Tongava soa aman-tsara !
Dia akatony mora
io varavarako io
fa hitomany aho…RADO 27 janoary 1966
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:

