Hampiaro ny « Accord de Cotonou » !

Magro 10 Fev 2011
Magro 10 Fev 2011
Magro 10 Fev 2011

Nandray fitenenana teo amin’ny kianjan’ny Magro ny Sekretera Jeneraly ny antoko noforonin’i Ambroise Ravonison (FRDL). Mangataka amin’i Andry Rajoelina izy ny mba hanao ady hevitra amin’ny fahitalavi-panjakana ( TVM) sy ny radiom-pirenena (RNM) momba ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao, indrindra mahakasika ireo fanondranana hazo sarobidy. Tamin’izany ihany koa no niantsoany ny fianakaviambe iraisam-pirenena mba hampihatra ny « Accord de Cotonou  » amin’ireo mpanongam-panjakana (FAT).

Ny depioté voafidy tany Brickaville kosa indray dia nanamarika fa latsaka an-katerena tanteraka ny firenena noho ny nataon’ny FAT sy ny forongony, izy ireo no fositra nampidina ny harin-karem-pirenena raha efa mba niakatra izany tamin’ny fitondrana teo aloha. Tamin’ny andron’ny Dada anefa ny fifaninanana fambolem-bary no nimasoana hoy Leriva Manahira, ankehitriny anefa hoy izy midangana izay tsy izy sady tsy voafehin’ny Fat ny vidim-bary.

Ny Mpitandrina sady solombavambahoaka, Mamitiana Ravelonanosy kosa indray dia nanamafy fa ny ankolafy efatra ihany no afaka mandray fanam-pahan-kevitra amin’ny firenena amin’ny fivoahana amin’ny krizy. « Tsy hahazo fankatoavana » eo mihitsy ireo FAT ireo raha tsy misy ny marimaritra iraisana amin’ny ankolafy telo. Nohararaotiny ihany koa ny nanamafy fa tsy tokony hiroaroa saina ny vahoaka amin’ny vaovao tsy marina ahely, « aza mihaino afa-tsy ny mpitarika antsika  » ihany hoy izy.

Magro 10 Fev 2011
Magro 10 Fev 2011
Magro 10 Fev 2011
Magro 10 Fev 2011
Magro 10 Fev 2011
Magro 10 Fev 2011
Magro 10 Fev 2011
Magro 10 Fev 2011
Magro 10 Fev 2011
Magro 10 Fev 2011
Magro 10 Fev 2011
Magro 10 Fev 2011
Magro 10 Fev 2011
Magro 10 Fev 2011
Magro 10 Fev 2011
Magro 10 Fev 2011
Magro 10 Fev 2011
Magro 10 Fev 2011
Magro 10 Fev 2011
Magro 10 Fev 2011

5 pensées sur “Hampiaro ny « Accord de Cotonou » !”

  1. Accord de Cotonou: c’est bien ce que l’ambassadeur de l’Union Européenne à Madagascar ne cesse de nous rappeler à chaque occasion où il se trouve présent.

  2. Tsy misy zavatra hafa azo antenaina, fa io no MILA AMPIARINA !!!!
    Aoka hidaboka any ny bisous-bisous miaraka amin’ny mpanongana !! Hiomehezan’ny afrikana fotsiny ireto gasy miseho azy milay !!!!

  3. Miresaka Afrikana,

    fa tonga eto ihany koa hono ireto avy ao @ OIF mikasika ny fombafomba enti-manao ny fifidianana (tsy hay intsony hoe hifidy inona moa nefa ny eo aza tsy milamina?).

    Fa toa ny mahita sary an-tsaina ny tany alohan’ny 1947 mahita ireto fotsy sy mainty mandrakotra azy: tafika frantsay mitondra senegaly manani-bohitra an’i Gasikara…

  4. Ankolafy efatra iza ? Ny mpamono olona koa ve hiaraha midinika sy iaraha miasa EH ? Roahy marina fa hariva, tsy tafa intsony ny resaka ambony latabatra, lany fotoana amin’ny consultation, proposition de solution, sns. Izany ve isika no milaza fa pays démocratique ? Tsy ny hevitry ny vahoaka no ampiharina fa hevitry ny mpanao politique tsy mahazaka na 0.001% ny vahoaka akory.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *