Ireo hanakorotana amin’ny Asabotsy

izay nilazan’ny filoha Marc RAVALOMANANA fa hiverina izay dia tsapa tokona fa mikoropaka ny FAT. Be tokoa mantsy no ratsy vitan’izy ireo ka mitady lalana mba tsy ahatanteraka izany ry zareo.

ireo manaraka ireto dia efa nilaza ampahibeso ny fa nakorotana kasainy

1)      Ny jeneraly ravalomanana risara ,izay nadrahona fa raha voaembatsembana ny lalana mampifandray an’Antananrivo sy Ivato dia tsy hitsitsy izy ireo ka entiny @ izany ny EMMOREG.

2)      Manaraka izany koa dia nanamafy ny jeneraly ndrianarijaona (CEMGAM) fa izay mohoa-pefy dia tsy asiana antra mihitsy. Fantatra tsara anefa fa ny mihoa-pefy @ FAT dia ny mitsioka sifflet, mitondra baiboly, prospectus, na voninkazo. Ary raha tsy mahita an’ireo izy dia hamorotany toy ny hoe tsy nanaja mpitandron’ny filaminana, na hoe naniratsira filoham-pirenena sns…

3)   Ao koa ny jeneraly marius noël (2e adjoint du COMGN), voa vidy vola ka nivarotra ny asa fiarovam-bahoaka tokony ataony ho fanaporetana vahoaka, nilaza fa hisambotra olona.

4)      Eo koa ny Contrôleur Général de Police rakotondratsimba johnson (DGPN), izay fantatra @ fidirany @ resaka politika sy ny volan-drisorisony.

5)      Ny Contre amiral hyppolyte ramaroson nilaza fa manana fanotaniana maro hapetraka @ filoha.

6)      Ao koa ny minisitra sandoky ny fitsarana christine razanamahasoa nilaza fa raha tonga izy dia tsy maintsy ho samborina satria enjehin’ny fitsarana.

7)      Ny jeneraly alain ramaroson, nandrahona mafy hoe tsy tokony hody ny filoha.

Hita mibaribary @ izany fa matahotra ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana ny FAT ary manafin-javatra. Fantam-poko fatam-pirenena mantsy izao fa ny FAT ihany no namo olona teny Ambohitsorohitra t@ 7 fevrier 2009., ireo mpangalatra ny varin’ny TIKO sy bois de rose.

Ireo nanodikodina volam-panjakana sy nanararaotra @ izay vao nahazo toerana tao @ FAT.

Fantatry ny vahoaka ireo ary tsy handalo fotsiny izany fa hisy vavolombelona maro ahita izany  dia isika vahoaka Malagasy ho tonga maro be eny Ivato, ireo mpanao gazety isan-karazany, ireo iraky ny SADC sy ny Firaisambe Afrikanina ary indrindrindrindra izao tontonlo izao. Tsy maintsy hiaran’ny sazy izay mitsivalana eo.

Angatahina noho izany ny fianakaviambe iraisam-pirerenana hanitatra ny sazy any @ mpanao ploitika sy miaramila ary tranom-barotra. Ary hampiatra izany koa ny vondronna eoropena sy ny afrikana ary ny Amerikanina. Rehefa tsy izay dia aleo ny tafiky ny SADC no ho tonga hampandry ny tany.

Aza hadino anefa fa tsy hisy ho tanteraka izany raha hiandry sy hijery fotsiny RaMalagsy. Tsy maintsy mandray andraikitra isika ary misedra ny tahotra. Nahavita ny tany Thailand, Egypte sy Tunisie, ka nahona ny Malagasy no tsy ahavita.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *