Ireo tsy te ho F.A.T.

Ao @ F.A.T dia misy ireo olona avy any @ ankolafy telo tia seza sy voninahitra ka nivarotra ny Fanahiny toa an’dry Alain Andriamiseza sy Rahaharinaivo, izy ireo anefa raha dinihina dia tsy tena mitovy @ FAT hatr’izay fa toa manaiky ny hifanantona ihany ary mangataka, ohatra ny hivoahan’ny gadra politika. Lazaina mazava eto anefa fa tsy misy mitamby @ Raharinaivo sy ny forogony mihitsy na kely akory aza. Sazy no sahaza an’ireo adaladala ireny ka namadika tanindrazana.

Misy hery samy hafa kely sy lehibe koa, eto @ firenena, tsy ao anatin’ny ankolafy telo no tsy ao anati’ny F.A.T. Izy ireo dia saika mahatsikaritra fa ny FAT dia fahadisoana lehibe eo @ fianian’I Madagasikara. Tsy  iza izany fa ny

FTSV: Isaac RamamojIsoa : nosakanana tsy ho eny Ambohijatovo haneho hevitra.

MONIMA kamioviombio-n’I Monja Roindefo, izay nofitahina dia nahilika.

CAPSAT –n’I Charles Andrianasoavina sy I Noel Rakotonandrasana nanaovanan’ny F.A.T tohatra fiakarana.

Leader Fanilo Voahilika i Benja Razafimahaleo sy I Nathalie Rabe,

MTS-n’i Roland Ratsiraka izay sakana tsy avoaka @ RNM na TVM ny vaovao momba azy.

AKFM-n’I Ny Hasina Andriamanjato izay nampiasaina dia avy eo itsy nohenoina intsony

Ireo voafitaka t@ 7 fevrier, 26 janvier ka antao sorona hakana ny fahefana.

Antoko maintso n’ny M/kara : izay sakanana tsotra izao ny Radio fototra-ny

Kung fun’I Avoko izay vao niteny tonga dia nohenjehina

Apokalypsy,-n’I Pasteur Malhiol izay tadiavin’ny FAT tsindrina fa toa miha mahazo toerana ny mpitarika azy.

Fréquence plus: Izay nosimbana ary no darohana ny olona rehetra tao. Sady tsy niala tsiny no tsy nanonitra ny F.A.T

Ny mpivarotra amoron’-dalana nohon’ny hamafisan’ny fiainana nampikatsian’ny fanoganam-panjakana nefa dia henjihina, sakana tsy hivarotra, alaina ny entany…

Miraisa hina ianareo, atambaro ny hery, fa tsy rariny izao. Ny fianjeran’io fitondrana nagalarina io no mahatonga izao fahasahiranana izao.

Marihina fa misy koa ireo vondron’olona na hetsika tsy ao anaty ankolafy telo nefa dia miombon-kevitra sy miara-dia @ ankolafy dia ny AMM, fikambananan’ny ben’tanana, ireo mpanjaka sy ny vondrony, ny CNOSC, firahamonim-pirenena ary ny HMF, ny F3M, hetsiky ny mpiasam-mpanajakna.

Ireo indrindra no tena antsoina mba hanohy sy hiara miasa akaiky @ ankolafy telo ary hiara hihetsika sy hanetsika ny Malagasy rehetra. Fanantenana lehibe tokoa hoan’ny firenena ny fisian’ireo hery ireo NEFA raha tsy mihetsika ianareo dia toy ny vola ariana eny an-dalana fotsiny izany.

Ny mitabe tsy lanin’ny …foza ka miantso anareo ireo ny vahoaka mba hiara hihetsika aminy indrindra fa @ fitsenana ny filoha Marc Ravalomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana ary indrindrindra ny @ fanalàna ny mpanogam-mpanjakana farany izay haingana indrindra.

Ny firaisakinantsika dia tsy hoan’olon-tokana fa hoan’ny firenena sy ny taranaka. Koa miantso anareo voalaza eo ambony eo mba hifanome tanana sy hanao izay tandrify ny tsirairay mba hiverenan’ny tanintsika indray @ ara-dalàna sy ny fandriam-pahalemana ary ny rariny.

Atambaro ny hery hanatsarana an’i Madagasikara tsy viravirain’ny ireo mpandroba ny tanindrazana.

FIRAISANKIANA NO HERY

3 pensées sur “Ireo tsy te ho F.A.T.”

  1. ah!ah!ah! aza mirediredy e! fa mamon’ny inona izato izy? manantena ny tsy misy! mandehana aloha mba manao mpanohitra dia mahandrasa tantana e! Izahay teo nahandry ny fitondran’oussy ndRavalomanna dia mba miandrasa koa fitondrana foza e!

  2. HO AN’NY FIRENENA
    HO LOVA HO AN’NY TARANAKA SY FARA-AMAN-DIMBY

    Ny valera iraisan’ny olombelona ety, iraisam-pirenena etsy sy eroa, tsy azon’iza na firenena iza hitsakitsahina am-paladia

    I Simao ve no dokotera minia mampitovy:
    – ny ankolafy mijoro amin’ny herin-tsainy sy vata-tenanay sy manaiky lembenana amin’ny zava-dratsy mitranga eto @ firenena isan’andro lav’izao
    – sy etsy anilany ireo mitondra ny fanjakana @ alalan’ny BASY ary azon’ny aretina raiki-tapikasa aromotana = HAT

    I Simao zany no varimbarian’ny lavitra (vola maniditsidina samborim-potsiny hoy izy). Dia terenao hihevitra anao ho sady dumb & blind zany zahay ra-dokotera Simao, ka hoe hiala maina eo anoloan’ny rediredin’ny mpanonga-mpanjakana vitsy an’isa imatimatesanao sy mampivadi-dela anao eo imason’ny tena vahoaka isaky ny mbetika
    – efa tenenin’ireo olona manam-pahaizana malagasy manana traik’efa @ lafiny iraisam-pirenene hoe: kansera no tsaboina, nefa dia toa ny varavaran’ny fasana indray no halebiazina
    INONA NO HILAVANAY NY KARAZAN’OLONA TOA IZANY Ê: tsy izahay no hanaiky izany, efa ampy ny baikon’ny Frantay tamin-dra-senegaly fahiny hoe TIA hano, TSY TIA izahay vahoaka … HANONAREO amin’izao fotoana

    IZANY NO HANGATIHANA AVY ANY AMINAO RA-DIPLOMATY Ô: tsy hisorona fa ho mpanelanelana TENA MAHAVITA AZY. Sao lay hampiteniteny foana ny olon-tsotra fa misy fetrany ny fahafahana mihaino blablabla tsy mamokatra

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *