J-4 Tonga soa sahady Andriamatoa Filoha !

compte à rebours

compte à rebours
compte à rebours

Tonga ny ora sy ny fotoana efa nandrasan’ny vahoaka Malagasy maro an’isa, ho tonga amin’ny Sabotsy 19 Febroary 2011 ny Filoham-pirenena Malagasy. »Hiverina ary hitodi-doha aty an-tanindrazana aho amin’ity herinandro ity. Matokia ianareo fa hijoro sy hiray hina isika ho an’ny malagasy tsy ankanavaka. Koa mitrakà ary mijoro fa tsy ho avelantsika ho lavo ny tanindrazantsika. » hoy ny hafatra napetrany androany.

Toy ny akohokely notsipazam-potsim-bary ny vahoaka naheno izany, be ireo mbola misalasala sy tsy mahatoky, ao kosa ireo feno haravoana ka velon-kira : « Tongava, tongava, hoy ianao fa manantena foana aho… Ny alahelo, tsy hisava raha tsy eo anilanao ! Matokia, matokia, hoy ianao fa tsy maintsy ho hita eo izay hatao… Tongava re ! tongava re ! tongava mamangy ny tanana misy anay, tongava aza misalasala hoy aho, tongava manaraka ny ranomasimbe…’

Haingana dia haingana ny fiparitahan’ny vaovao, be ireo avy any amin’ny faritra no mangataka sahady ireo izay malala-tanana hanaiky handray sy hipetrahan’izy ireo amin’io Sabotsy io, efa manomana ny fandaharam-potoany ny tokan-trano tsirairay. Ireo mpinamana sy mpiara-mivavaka, andro lehibe hoan’ny vahoaka Malagasy ny Sabotsy hoavy izao.

Izahay eto amin’ny MyDago.com dia miarahaba tonga soa sahady Andriamatoa Filoha !

13 pensées sur “J-4 Tonga soa sahady Andriamatoa Filoha !”

  1. Manofisa Angidina Ravalo a!! Ts hisy mints lou zany ra zao. Mba fito taona farafaaratsiny miainoaino kely any zay vao mba mieritreritra n iverna e

  2. Zava-dehibe tokoa izany ary zavatra mahafaly. Fa midika koa izany fa tonga ny fotoana hanehoan’ny malagasy fa olona manan-tsaina marina izy…

  3. Feno angidina ny lohany io mpitatatata eo ambony io Ravelomanantsoa ô
    tsy manantsaina fa poakaty ny lohany
    marary saina

  4. Menatra angaha i gamara kely ? Ary tena nitovy eritreritra isika ry ravelomanantsoa !!!!!! Danza be !!!
    MDR !!!!!

  5. feno zaoridira tonga ity ny fotoana fanadiovana ary izahay olo-kendry dia efa vonona hanampy azy, efa voavidy ny vidy kifafa, efa nanao lavaka be ihany koa.

  6. Feno, zaoridira
    Feno, kifafa eny analakely
    Feno, borosy coco eny isotry hikikisana ny maloto niotrika nandritra ny 2 taona
    Feno, seripiera eny amin’ny petity vitesy

  7. feno vera maloto ao ambotsirohatra
    feno tavoahangy maimbo taoka ao ambotsirohatra
    feno fofoke tsy nahalevo-kanina ao ambotsirohatra
    mila desinfectena ambotsirohatra

  8. Ela ny ela keno ny kapoakanareo ry Feno a, anjaran’ny tena vahoaka izao no haneho ny heviny.
    ho hitanao @ asabotsy hoe haotry ny inona ny tena vahoaka ary hoatry ny ahoana ny Foooza
    aleo diovina ny tanana fa FENOFOZA.

  9. Matahotra angaha ka FENOina tag ny rindrin’ny Mahamasina ? hoe RE = Benn Alli = Moubaraka! sady hita fa tsy mahay manoratra ny anaran’olona ? inona no atahorana sa FENO daholo izao ny zavatra rehetra hirodananareo foza ?
    Mba misaina sy mamadibadika vao miteny fa ianao io angamba tsy FENO vary ny kibonao fa FENO FOZA

  10. Inona moa no tena atahoranareo foza ny hiverenany eto ? ianareo ihany no efa niteny fa efa naloany vahoaka izy dia aleo izy hilatsaka eo dia ho hita ao izay tiany vahoaka e!!! fa antoko politika miforona iray isan’andro nefa tsy mahalany na prezida mpokotany iray no milaza azy fa mitondra ny feony vahoaka eto!! Aleo mba avela miteny na indray andro fotsiny izahay vahoaka fa aza terena aminy basy dia ho hitanreo hoe mba misy tiana hambara koa ange izahay fa tsy ry begalona no miteny hoe efa tsy tiany vahoaka iny. NY TENA METY DIA ANDAO HANANGATSAINA DAHOLO IZAY MANKATO NY FAHATONGAVANY FILOHA DIA HO HITA EO NY ISANY .Satria efa mandeha sahady ny ramatahora mba tsy hivoahany vahoaka hitsena ny filoha.Mba omeo indray andro ny vahoaka hampiseho @ iraisampirenena ny feony (@ Sabotsy izany), fa mbola tsy nadoro Radiompirenena ny vahoaka mpandala ny aradalana , Tsy mbola nandoro fivarotana gasy mitovy aminy ny mpitady ny marina ( voir citic, sns,….) nefa ary @ leader price miaramila firy no miandry ao? Tsy mitovy @ Egypte sy Tunisie zany isika fa miaramila mpivarotra Tanindrazana ny antsika . Trois étoiles na quatre étoiles tsy misaina ny antsika , Mpivarotra Taniçndrazana , atakalo 4X4 sy tenues i Madagascar .

  11. FINARITRA RY VAHOAKA ??? SAMIA MISAINA: MISENTO: MIRITRERITRA: TSARA????
    NY NATAONY, NY FANAONY, IHANY NO TATATANY ALAIN RAMAROSON ?TSY HITA FATY NY NANAOVANY NY VAHOAKA TENY AMBOTSIROHITRA SANTIONANY INY ???? KOA MBA MAHATSIAROVA TENA IANAREO TGV??? AZA MAMITA BAHOAKA MOA EEEEEE ??INONA NO TOMBONY RAHA AZONAREO TGV DAHOLO NY HARENA ETY ???NEFA NY FANAHINAREO ANY AMIN NY AFOBBBBBBE???? MITANDREMA EEEEE

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *