Le Président Ravalomanana va à l’essentiel : La sortie de crise le plus rapidement possible

PROPOSITION DE SOLUTION FACILITANT LA SORTIE DE CRISE PRESENTEE PAR LE PRESIDENT RAVALOMANANA MARC AU PRESIDENT CHISSANO JOAQIM

Après l’embarquement » empêché » du samedi 19 février ,lePréident RAVALOMANANA MARC s’est entretenu avec quelques dirigeants Des Pays membres de la SADC
et à la uite ,il arencontré le Président CHISSANO du GIC à MAPUTO..!
Le Président CHISSANO ,comme pour se défendre face à un Président RAVALOMANANA MARC ,irrité et remonté ,a présenté les » feuilles de route » jusqu’ici proposées par le GIC n’ont été que des propositions à soumettre aux parties prenantes aux négociations sur la crise à Madagscar..!
Et le Président RAVALOMANANA MARC de déclarer ,commr pour justifier sa volonté de rentrer au Pays le 19 février pour participer à la recherche de solution pour la sortie de crise..
Il rencontré le Président CHISSANO pour lui remettre une proposition de solution de sortie de crise ,venant des mouvances ,qui devraient en discutater à MADAGASCAR.
Le Président CHISSANO a promis d’envoyer dans les 24 heures ( à compter du 22 février 2011) aux instances qui étudient les négociations sur la sortie de crise à M.CAR
Je Vous ai photocopié u extrait du journal Gazetico ,rapportant cette rencontre entre les Président RAVALOMANANA MARC et CHISSANO JOAQIM !

» Gazetiko
Envoyé par: Besa tena izy (Adresse IP journalisée) Date: mer 23 février 2011 23:46:35
Nandefa taratasy ho an’i Chisssano Ravalomanana
Mangataka ny hisian’ny fihaonan’
izy efa-dahy eto Madagasikara

Ankoatra ny fifampidinihina hamahana ny krizy dia lalana hafa azo eritreretina ny hiverenany an-tanindrazana koa ity.
Tsy mitsahatra ny mitady ny fomba rehetra hahatongavany eto Madagasikara i Marc Ravalomanana. Nandefa taratasy tany amin’Ing. Joaquim Chissano, filoha mpitarika ny fanelanelenana amin’ny krizy eto amintsika sy ireo mpiara-miasa aminy toa an’i Simao izay efa eto an-toerana indray Ravalo omaly. Mangataka ny hisian’ny fihaonambe eo amin’ireo mpitarika ny ankolafy efatra (Didier Ratsiraka, ZAfy Albert, Ravalomanana ary Andry Rajoelina) sy ireo vondrona politika hafa azo ekena fa tokony manatrika izany i “Dada” mba hahafahana mandinika sy mamarana tanteraka an’ilay sori-dalana alohan’ny fanaovan-tsonia ka hitondrana azy eo anatrehan’ny fihaonamben’ny SADC. “Tsy tokony hisy sori-dalana mitsangana sy azo ekena eo raha tsy misy ny sonian’ny mpitarika ny ankolafy efatra” hoy izy ao amin’ilay taratasy. Tsy any ivelany no nambarany hanaovana an’io fihaonana io fa eto Madagasikara ary faran’izay haingana mihitsy. Ankoatra ity taratasy ity dia efa nihaona mivantana tamin’Ing. Chissano Ing. Ravalomanana. Nomarihin- “dRamose” tamin’ity taratasiny ity fa vonona ny hody an-tanindrazana izy sy ny Filoha Didier Ratsiraka saingy notakiany kosa ny fiarovana azy ireo sy ny delegasiona miaraka aminy. “Tokony ho mpanamora an’ity fihaonana ity ny SADC ary hanohana izany kosa ny sehatra iraisam-pirenena” hoy izy.

Manan-kery

Mbola nahazo toky, noho ny zava-nitranga teny Ivato tamin’ny asabotsy, i Marc Ravalomanana fa mbola betsaka ny olona mpanohana azy eto Madagasikara ka nambarany fa tsy tokony hatao tsinotsinona amin’ny fitadiavam-bahaolana. “Ny antokonay no manan-kery indrindra eto Madagasikara. Porofon’izay ny heriny eny ifotony ka tokony ho tafiditra ao hatrany ny hevitray sy ny fomba fijerinay amin’ny famahana ny olana” hoy izy. Nanindro-paingotra an’ireo antoko maro niforona amin’izao fitondrana izao aza ity Filoha teo aloha ity ka nilaza fa “ireo antoko politika madinika izay tsy manana fototra ireo akory dia tohanan’ny fitondrana FAT ara-bola fotsiny mba hanosika azy amin’ny fifampidinihina”.
Tsy manda ny hanaovana ny fifidianana i Marc Ravalomanana saingy takiany kosa ny tokony hametrahana ny CENI tena mahaleotena tanteraka.
Ny Tahiry R. »

7 pensées sur “Le Président Ravalomanana va à l’essentiel : La sortie de crise le plus rapidement possible”

  1. izany aloha dia marina e ! ireo olona mpanara-poza dia tena vitsy dia vitsy, izy ireo izay tsy mba nianatra, teraka teny ampovoan-tsena ary tena fadiranovana amin’ny fiainana, dia rariny ve raha hatao fitaovana hiakarana ireo olona ireo radomakely ?
    izany hoe rehefa tsy mahay mitantana ny raharaha dia manao didy jadona hanefenana ny kilema ary mitady andevo hiaro sy hilanja.
    Ny olana dia izao, ry loham-poza, efa foana ny fanandevozana ary ny lalàna maha-olona dia milaza fa tsy azo hatao ny manambaka na mandrebireby ny olona malemy saina.

  2. MAP,seulement le MAP et rien que le MAP qui stipule aussi le retour de Marc Ravalomanana.Joyandet,Kouchner et maintenant Raincourt sont tous au service de Françafrique mais comme le proverbe dit jamais deux sans trois ce dernier va comprendre aussi que l’ingérence politique n’a jamais rien apporté que des problèmes et n’a engendré que des tensions.

  3. Ils n’ont qu’à s’occuper de leur chômeur !!!!
    Nous leur avons dit de ne pas s’ingérer dans nos affaires à plusieurs reprises ,c’est comme nous parlons aux sourds,nous allons parler à EVA JOLIE pour qu’elle parle tout haut ce qu’on dit tout bas chez eux ,elle sait bien pourquoi la françafrique s’invite à MADAGASCAR! car nous avons un dj écervelé mal élevé ,mal instruit à qui on peut donner presque rien du tout juste lui donner un pouvoir illégal en échange d’un grand contrat de marché qui vaut des milliards d’euros ! intéressant ce Madagascar pays pauvre non!!!

  4. Que le sang impur abreuve nos sillons.

    Avis aux Français qui souhaitent encore rester à Madagascar, et vivre en paix avec les Malgaches.

    Sachez vous êtes nos hôtes. Nous vous respectons, alors respectez-nous.

    Est-il concevable qu’un ministre de la soi-disante ‘coopération’ débarque en catastrophe à minuit, sur notre île juste pour élaborer un plan, avec notre Pétain local, et que même les collabo n’auraient jamais imaginé ?
    Il fallait que Raincourt arrive à tout prix AVANT l’arrivée prévue de Ravalomanana.

    Malheureusement pour Raincourt, des centaines de milliers de Malgaches ont fait le déplacement, à pied, jusqu’à l’aéroport, pour soutenir Ravalomanana. Raincourt a dû apprécier.
    Et maintenant nous avons un traitre, sans foi ni loi, à la tête de notre pays. Et il est votre valet. C’est normal. Il est français.
    Et tous les Malgaches savent que ce sont vous, Français, qui êtes à l’origine de tout ceci.

    1- Vous l’aviez aidé à faire son putsch. Il l’avait dit haut et fort que c’est la France qui ‘lui a donné un coup de pouce’. Cervelle d’oiseau en plus.
    2- Vous êtes la source de nos malheurs. Les Malgaches s’entredéchirent. Pour vous, c’est toujours diviser pour régner ?

    Jusqu’à quand ? Jamais vous ne changerez ? Faut-il à tout prix que les intérêts de la France passent AVANT ceux des Malgaches, à Madagascar ? Et vos enfants ? ont-ils aussi cette mentalité ?

    Avant que les Malgaches ne vous poussent dehors, ayez l’amabilité de respecter nos valeurs : les Malgaches n’ont jamais aimé les traitres à leur pays. Pas plus que vous d’ailleurs.
    Demandez à Sarkozy d’enlever ce gamin débile, commettant exactions sur exactions. Nous en avons assez.

    Que devra faire un Malgache pour reprendre ses droits ? Buter un Français ?

  5. Taratasy Ravalomanana nadika avy amin’ny teny anglisy

    Andriamatoa Filoha Chissano sady Rahalahy,

    Misaotra anao aho, ary misaotra ihany koa ny Filoha Emilio Guebuza noho ny fanampianareo ka nahantanteraka ny fitsidiako anareo teto Maputo tamin’ny 22 Febroary 2011.

    Averiko eto indray fa mahatoky anareo tanteraka aho, Atoa Filoha Chissano, ary mahatoky koa ny mpiaramiasa aminao, momba ny vahaolana amin’ny krizy any Madagasikara ary ho ataoko izay mahamora ny asanareo.
    Araka ny efa nolazaiko imbetsaka, dia vonona aho hiarahiasa amin’izay rehetra mikatsaka ny demokrasia, ny fandriampahalemana, ny fahatoniana ( security and stability ) any Madagasikara mba ahafan’ny vahoaka malagasy hiarahiaina indray ao anatin’ny fandriampahalemana sy fiarahamonina tsy misy raorao.

    Fantatsika tsara fa niova tanteraka ny fiainana politika any Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 2009. Maro ny antoko politika madinika vao noforonona ary miankina arabola amin’ny HAT. Izany no mahatonga azy ireo ho maika dia maika hanao sonia ny feuille de route izay nolavin’ny Mouvances telo.

    Atoa Filoha Chissano, fantatro tsara fa amin’ny alalan’ny fifidianana malalaka sy mangarahara izay tokony andraisan’ny Malagasy rehetra anjara malalaka no làlana ivoahana amin’ny krizy. Manoloana izany anefa dia tsy misy demokrasia na fanjakana tandalàna any Madagasikara ary na dia ny Fitsaràna aza dia matin’ny kolikoly; izany rehetra izany dia vato misakana tsy hampisy ny fifidianana malalaka sy mangarahara.

    Noho ireo antony voalaza ireo dia tokony atao ampitandremana ny Feuille de route ary koa tokony atao ho laharampahamehana ny fanafody ialàna amin’ireo vatomisakana efa voalaza ireo mba ahatonga ny fifidianana ho malalaka sy mangarahara.
    Ny Feuille de route izany dia asiana arofanina ary ao anatin’izany arofanina izany ny Komisiona mahaleotena tanteraka ka hanaramaso ny fifidianana.
    Ny Mouvances efatra ihany no tokony hanendry ny membre sy ny hanondro ny asa ho sahanin’io Komisiona io.

    Ny zavatra voalohany tokony ataon’io Koamisiona io dia ny handinika akaiky izay nataon’ny HAT nanomboka tamin’ny taona 2009 mombamomba ny fifidianana ary hanao listra fifidianana vaovao sy tena azo antoka.

    Ny Asa izay ho ataon’ny Tetezamita tena izy dia ny fikarakarana ny fifidianana malalaka sy mangarahara.

    No izany rehetra izany, ny asan’ny Filohan’ny Tetezamita dia tokony ho faritana amin’ny ho amin’ ny fitantanana ny raharaha andavanandro ( affaires courantes ).
    Ny Filohan’ny Tetezamita dia tsy mahazo manao contrat afatsy momba ny fikarakarana ny fifidianana. Izany dia efa voarakitra sy neken’ny rehetra tamin’ny Satan’i Maputo. Izay fanapahakevitra raisin’ny Filohan’ny tetezamita dia tsy maintsy ifanenken’ny membren’ny governemanta.
    Raha misy fanovana ny satan’ny Filoha tetezamita dia ny Ankolafy efatra no tsy maintsy mifanaraka momba izany.

    Ny Feuille de route dia tsy ho azo ekena raha tsy mitondra ny sonian’ ny Mouvances Ratsiraka, Zafy Albert sy Ravalomanana satria ireo Ankolafy ireo no Antoko politika lehibe sy azo antoka. Noho izany ny hevitray momba ny hitantanana ny Tetezamita dia tsy maintsy atao ao antin’ny Feuille de route.

    Noho izany dia takianay ny fihaonan’ny Chefs de file’n’ny Mouvances efatra any Madagasikara miaraka amin’ny Mpanelanelana mba hahatomombana ny Feuille route izay atolotra ny SADC rehefa vonona.
    Io fihaonan’ny Chefs de file efatra io dia ho karakarain’ny SADC miaraka amin’ny Communauté internationale.
    Ny Filoha Ratsiraka sy izaho dia efa vonona ho any Madagasikara noho ny fangatahan’ny SADC. Takianay anefa ny fiantohana ny securiténay sy ny an’ny mpanampy anay rehefa tonga any Madagasikara izahay.

    Atoa Filoha, mbola averiko etoana indray fa vonona aho hitondra ny anjarabirikiko amin’ny famahana ny krizy any Madagasikara. Izany no anton’ny nangatahako ny Fihaonan’ny Chefs de file n’ny Mouvances Efatra any Madagasikara.
    Matoky aho fa ny dinika amin’ny samy Malagasy dia hitondra vahaolana maharitra.

    Misaotra indrindra tamin’ny fandraisana mafàna sy ampiralahiana nataonao tamiko sy tamin’ny mpiaramiasa amiko teto Maputo 22 Febroary 2011.

    Raiso Andriamatoa Filoha ny haja ambony atolotro anao.

    Sonia : Ravalomanana

  6. Bien évidemment, le rôti français brûle ! Un remaniement ministériel est inévitable suite à l’affaire AIR BEN ALI. Mais comme disait un forumiste, « on déshabille Pierre pour habiller Paule » (MDR) !
    Ca ne change RIEN. L’équipage Sarko est cuit, cramé, foutu !!!
    Soignez vos yeux cernés, Messieurs, ou c’est Salpetrière sans escale !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *