Magro, Hisy sori-dalana vaovao indray !

Tsy toy ny mahazatra, na dia Alahady aza ny andro  fa niditra mivantana tetsy amin’ny kianjan’ny Magro, tamin’ny antso an-tariby ny filoham-pirenena Ravalomanana, androany  20 Febroary 2011.Nanazava ny zava-misy eo anivon’ny vondrona SADC izy.

Noho ny fahitana ny zavatra nitranga tamin’ny Sabotsy (omaly) dia nanapa-kevitra ny SADC fa hivory amin’ity  herinandro ity hoy ny kabarinin’ny filoha,tsy maintsy asiam-panovana ka amboarina ilay « feuille de route » ary izay no maha tara ny dian’i Joachim  Chissano eto amintsika.Nanamafy ny filoha Ravalomanana fa tsy iny naparitaka iny no endrika faran’ny sori-dalana fivoahana amin’ny krizy.

Nanisy fanazavana mahakasika ilay fihetsiky Joachim i Chissano ihany koa izy. »Tsy maintsy hiaro any i Dr Simao izy satria mpiasany iny ary mpiray tanindrazana aminy » hoy Ravalomanana.  Mpiasan’ ny SADC izy ireo ary tsy maintsy manaraka ny toro-lalana ny SADC hoy ny fanazavany ihany.  Hanao « offensive diplomatique » aho ary tsy mantsy mahita lalana hafa isika,  ary tsy maintsy misokatra amintsika ny varavarana hoy izy, tsy maintsy mahita lalana aho », aza matahotra fa mino fotsiny ihany hoy ny namaranany ny tatitra.

8 pensées sur “Magro, Hisy sori-dalana vaovao indray !”

  1. Misaotra anao Atoa Filoha fa tena tsy manary anay tokoa ianao!.. Izahay koa dia vonona foana hanaraka ny baikonao!
    Tsy maintsy ho azontsika ny fandresena raha mitohy foana ny fihetsiketsehantsika!
    Samy ho tahian’Andriamanitra daholo anie isika mianakavy!

  2. angà mbola tsy ampy ny SALEGY ?????? Hataonay VALSE indray amin’ny manaraka ary ‘ty pinces mba ampidino fa tssssssssss !

  3. Sûr ry TenaGasy a!
    Tena nahay nifidy ny « logo » kosa aloha ny TopMada ho an’ny Tsipaky ny miala aina e!. Jereo anie raha tsy tanam-poza tratran’ny « haut les mains » e: sady mitsangam-bolo ary ny maso mipitrapitra matahotra sy mipararetra mafy!…
    Herim-boatay fotsiny sisa e!
    NNNNNNTTTTTTSSSSOOOOOOOOO!

  4. Raha tena dinihina daholo ny zavatra nisy teto Mada h@ roa taona lasa dia ny FRANTSAY mazava loatra no tena mamdidy sy manapaka ny tanindrazantsika koa miangavy antsika tsy aleo ve ireo frantay ireo no hitadiavana HEVITRA fa tsy misy hafa tsy izay no tena VAHAOLANA satria tsy ho henoiny mihintsy izay mba hevitrao fa NY AZY IHANY

  5. Vakiana fotsiny ny fika masison’ny FAT, ary dia resaka S no mandehandeha ! Mahantra tokoa ka ny vava no amidy sisa ! mieritreritra an’iny vehivavy ao @ FAT iny aho hoe : mba fière ve izy @ fomba fitadiavany VOLA hamelomany ny taranany ? ka mba vehivavy nianatra ihany nefa dia tsy misahirana loatra ara-tsaina fa VAVA fotsiny no amidy ? dia mipotsaka ny MILLIARD ? HERY FAMORETANA NO AMPIASAINA ? INTOX daholo no fomba ataon’ny FAT sisa fa tsy misy hevitra marina sy mitombina intsony !!!! HAFA NY TALOHA NDREMATOA SY RAMATOA ISANY FA NY RATSY ATAO KOA ANIE KA MITATAO EO AMBONY LOHAN’NY ZANAKAREO E ! TSY MATAHOTRA NY HIFANENA AMIN’NY MASON-DRAMALAGASY VE IANAREO ATSY HO ATSY ? SONDAGE AVO LENTA TSY TAKATRY NY LOHANAREO INDRAY INY T@ SABOTSY INY O !!! MAZAVA @ LOHANAREO TSARA FA MBOLA TSY MISY TAFAVOAKY NY ALA ETO KA AZA MISIOTSIOKA FA MANKARARY SOFINA !!! RAPPORT DE FORCE MAZAVA BE KOA INY T@ SABOTSY INY AN § NY TANTARA DIA MBOLA HITOHY !!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *