Nihamaro hatrany ny vahoaka Malagasy nihaino ny vaovao tetsy amin’ny Magro Behoririka androany 16 Febroary 2011.
Ny solontenan’ny tanoran’I Marc Ravalomanana (TMR), I Manoela dia nisaotra ny ambany tanana tsy nanaiky nokaramaina 20 000Ar, hanakorontanana ny Sabotsy izao. Mikasika ny valin-teny nataon’I Hyppolite dia nazava ny teniny, satria efa niamboha adidy ity visy amiraly ity tamin’ny 2009 tsy nety nandray ny andraikiny dia tokony hangina tanteraka izy hoy izy.
Harovantsika hatramin’ny farany ny filoha Ravalomanana hoy I Manoela ary samia mijery izay akaikiny rehefa tonga ilay andro.Nanamafy koa izy fa rahampitso no ho avy ny ampahany voalohany avy any amin’ny faritra hitsena ny filoha.
Ny depioté Zafilahy indray dia nilaza fa manana tantara io Sabotsy io. Ampy izay ny fijaliana ny vahoaka manankasina hoy izy.Ny Alakamisy no fiomanana, Zoma maka bahana, Sabotsy tonga dia lasa.
Ny FAT no mampahantra vahoaka hoy hatrany ity solombavambahoaka voafidy tany Vavantenina ity. Ny vahaolana dia ny fanokafana orinasa ka i Dada ihany no mahay an’ izany hoy izy.
I Pasitera Edouard indray dia nanamafy ilay efa nolazaina : “efa noteniniko tamin’ny Sabotsy fa nahita fahitana aho”.Marina fa misy fizarana vola sy fanangonana vola any ho any hoy izy, fa tsy mahasakana ny sitrapon’Andriamanitra tsy hoavy izany.
Ny ankolafy telo hoy hatrany izy no misahana ny fitsenana ny filoha Ravalomanana ary hatao tsara noho ny fitsenana any i Tantely Andrianarivo izany.
Resaky ny maty an-drano ny hoe hanakana ny fidirany eto ny FAT fa ilay sambo lasan’ny “cyclone” ary tsy mifarana ny cyclone raha tsy miverina i Ravalomanana hoy hatrany ity mahery fo ity.
Ny depioté Rodin indray dia niteny ny vaovao amin’ny hiran’i Sareraka « inona ny vaovao manerana ny tany” hoy izy.
Tsy an’ ny ankolafy telo ihany ny fiverenan’i Ravalomanana fa ho an’ ny vahoaka Malagasy rehetra.Nampita hafatra hoan’ny foloalindahy ihany koa izy, Tadidio ry tafika fa nanasoa anareo koa ny filoha i Ravalomanana , tsy efa ampy ve ireny “requisitions” efa maro be ireny ?
Raha nilamina sy mora ny fiainana tsy nisy nihetsika teo fa mimenomenona daholo ny vahoaka, tsy adala ny malagasy, malagasy leo fahatrana hoy hatrany ity solombavambahoakan’Arivonimamo ity.
Nifanome fotoana rahampitso indray moa ny rehetra.
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:












tena nahafinaritra mihitsy ilay teny amin’ny MAGRO omaly iny an!… Vahoaka ravo, miramrana, falifany!.. Impiry moa isika nahita an’ireny?… Tongava indray androany e!… Ho fenointsika indray ny kianja!… Tandremo tsy tonga an?
Isika vonona mandrakariva amin’ny fahatongavan’i Dada. Milamailo fa be no manangona vato kilonjy any ho any,saingy efa fanatatra koa fa misy ny mpanaramaso izy ireny eny amin’ny tananany eny eh.
MITONGAVA fa aleo ihany mandeha @ilay force one fa iny no mba afaka miampita ilay ocean indienne
mba hitondra ireo matihanina
ka hitady ny tena planina
ho antsika vahoaka
iazy tena efa reraka @tsy tsy fisihan-kanina
fa ilay Tgv anie dia haim-pandeha
fa tsy afaka mia-pita @ilay ranomasom-be
mikotrokotroka be fahan-tany ka tena manimba ny tany
mihodikodina fotsiny eto iarivo ka tena napahatra ny zanak’iarivo
mivonona daholo fa aleo ihany force one fa io no tena ahitana ny hanina