Mbola hanaiky ve ianao ?

29 Mars 1947

29 Mars 1947
29 Mars 1947
Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana,

MBOLA HANAIKY HO ANDEVON’TY FOZA ORANA VE IANAO
Izao no zavatra mitranga , raha tsy hotanisaiko afa tsy ireto:

Halatra 4×4 izay niafara atao amin’ny Palais d’Etat Iavoloha
Vonoan’ olona isan’andro vaky izao , basy miaramila io
Fanodikodinana volam-bahoaka ataon’ny mpitondra
Fanakatonana Radio sy TV
Fitsarana mitongilana eny Anosy, isan’andro vaky izao
Vary lafo be
Hena lafo be
Lasantsy lafo be
Miakatra ny isan’ny mpitsinjoka fako
Maloto ny Tanàna
Elakelan-trano feno maloto, tatatra maimbo tsy voadio, Tananan’ny mafy ady e
Mpitrongo voa homana
Ny MATY MATY IHANY, tsy misy vola hitsabona
Ny salama aza tsy misy atokona
Gadraina zay miteny
Place de la democratie, tsy misy intsony io,
Reconnaissance International, tsy hisy mihitsy io
Ny vola efa ho lany
Ny inflation mbola hiakatra hatrany

AHOANA NY AMPITSONAO

NY HO AVIN NY ZANAKAO
NOSOMPARAN TY FOZA ORANA
FIRENENA MITOMANY
ZAZA MALAGASY , MASO MITOMANY,
NOANA NY KIBO
NY AMPITSO TSY HITA IHANY

HANAIKY VE IANAO

Mikorontana ny saina
Misaraka ny mpivady

RY MALAGASY TIA TANINDRAZANA
MIJOROA ANDROANY
TONGA NY FOTOANA
RAISO TY AMPINGA
NY RAY AMAN-DRENY EFA MATY
IREO MAHERY FO 1947
MALAHELO IZY IREO

ISIKA TSY HANAIKY
MALAGASY TSY HANAIKY

HO ELA VELONA MADAGASIKARA
TIANAY IANAO
TSY MAINTSY MANDROSO

1 pensée sur “Mbola hanaiky ve ianao ?”

  1. Misaotra an’i Mpitsoka e!
    Dia tena adala tokoa ve isika no mbola hanaiky an’izao?.. Rahoviana ihany vao mba hitroatra e!.. Efa tsy mihinan-kanina intsony ny zaza, ny vary efa 1.600 Ariary ny kilao, ny siramamy efa 3.000 AR. ny kilao,… Dia mbola tsy hieritreritra ihany ve isika e?
    Mitsangana amin’izay raha TENA HIARO NY HOAVN’NY ZANANTSIKA ISIKA!.. Sa tsy raharahantsika ny ho avin’izy ireo e?… Asakasantsika ihany fa Andriamanitra dia efa manampy izao amin’ireo fisehoan’ny marina ireny; isika indray anefa no miraviravy tànana!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *