Mody ny Filoha Ravalomanana ary mirotsaka ho fidiana indray !

Magro 11 Fev 11
Magro 11 Fev 11
Magro 11 Fev 11

Vory lanina toy ny mahazatra teto amin’ny kianjan’ny Finoana ny vahoaka androany 11 febroary 2011.

Rev Satrobory dia nilaza fa tsy maintsy arenina ny firenena ary tsy misy afa-tsy ny Filoha Ravalomanana ihany no mahavita izany.

Ny solon-tenan’ny ankolafy Zafy Albert, Mektoub indray dia nilaza fa efa matahotra daholo ny FAT ao anatin’ny sambony amin’izao tsy fahampian’ny vary izao izay mampikaikaika ny vahoaka Malagasy indrindra ny vahoaka madinika nanohana an-dRajoelina.Samy nangalatra ny varin’ny Tiko daholo ny FAT izay tarihin’i Andry Rajoelina,hoy ihany izy koa ry zareo no tompon’andraikitra voalohany amin’izany krizim-bary izany.

Ny solombavambahoaka teo aloha voafidy teny Atsimondrano : Benjamin ihany kosa dia nampitandrina ny vahoaka manoloana ny lainga afafy etsy sy eroa .Misy mantsy ny milaza fa nankatoa ny sori-dalan’i Dr Simao, hono, Ravalomanana.Tsy marina izany hoy ity zanak’iDada ity.Tsy miala amin’ireto foto-kevitra ireto isika hoy izy dia ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana an-tanindrazana,ny famoahana ny gadra politika rehetra mbola voatana any am-ponja,ny fiaraha-mitantana ny tetezamita ary farany ny fifidianana malalaka ahafahan’ny rehetra mirotsaka hofidiana.

Nifanome fotoana ho tonga marobe eo an-kianja indray ny mpitarika sy ny vahoaka rahampitso,hisy toromarika vaovao horaisinaamin’izany.

Magro 11 Fev 11
Magro 11 Fev 11
Magro 11 Fev 11
Magro 11 Fev 11
Magro 11 Fev 11
Magro 11 Fev 11
Magro 11 Fev 11
Magro 11 Fev 11
Magro 11 Fev 11
Magro 11 Fev 11
Magro 11 Fev 11
Magro 11 Fev 11
Magro 11 Fev 11
Magro 11 Fev 11
Magro 11 Fev 11
Magro 11 Fev 11
Magro 11 Fev 11
Magro 11 Fev 11

6 pensées sur “Mody ny Filoha Ravalomanana ary mirotsaka ho fidiana indray !”

  1. Izay mihitsy ny tanjona lehibe hitolomantska e: ny fodian’ny Filoha RAVALOMANANA ry ny hilatsahany ho fidiana!… Tsy maintsy mandresy isika satria momba ny MARINA hatrany i Andriamanitra!

  2. Aleo koa samy hilatsaka i Ravalomanana sy Rajoelina dia ny ONU no arbitre mijery h@ voalohany ny fanaovana ny lisi-pifidianana, fanaovana ny kara-pifidianana , ny fizarana azy, ny fanaraha-maso sy ny fanisam-bato!!!

    Dia ho hita eo izay tian’ny olona! Izaho mahatoky izay lazaiko e!

  3. Rado,
    ONU ? Perso, je n’en fait pas confiance ! Renimalala est derière. Faut que DJ parte. Un point c’est tout !!!

  4. Salama daholo isika Tompoko
    efa ela izahay avy aty Majunga izay no tsy nifankahita tamintsika namana mpiaramitolona ka faly mifankahita amintsika mianakavy .
    Natao ihany no tsy hiteny fa terena hiteny satria mahita ny tsy fetezana nahita ny zavatra nolazainy ingahy Alain Ramaroson ny tenako dia voatery hiteny
    voalohany indrindra dia anotaniako anao io ry Ingahy Alain Ramaroson nataonao aiza ny vato safira milanja folo kilao nalaina tao amin’ny MINATV tamin’izany fotoana izany ny vidim-baton’olona tsy voalohanao io hatramin’izay ka hatramin’izao no hainao ny miteny an’i Président Ravalomanana ary ianao misaho ho miandraikitra ny sécurité io mba nanao rahraha miaramila sa le maniraka olona manakan-dalana eny aminy lalam-pirenena no talentanao
    faharoa marika ny faiblesse fatahorana ny Filoha Ravalomanana izao ataonareo izao ka raha araky ilay teninao ry Ingahy Voninahitry J.E raha tena sahy ianareo raha tena lehilahy marina avelao izy hody izao aza izy mbola tsy eto efa mikorontana ambony ambany ianareo atramin’ny Ingahy Jeneraly isany ka maika fa tonga eto zato andro anareo fa indray andro an’ny VAHOAKA MALAGASY

  5. Nahita tamin’ny gazatte la verité sy la gazette ny tenako androany milaza fa ny cénateur Lanto Rabenatoandro ( Antsirabe ) ny député ny Arivonimamo sy ny sasany tsy voatanisa eto hono manomana GROS BRAS SY FANAKOROTANANA NY TETEZA-MIHITATRA ka ho samborina indray miampy an’i Ingahy Mamy Rakotoarivelo .
    faiblesse daholo ny filazana an’izany fa ,raha tena lehilahy sahy hifanandrina amin’i Président Marc Ravalomanana ianareo dia eny ankianja mifankahita

  6. Mazava ny conférence de presse tany Afrika Atsimo androany fa mody Radada. May volom-body ny mpanao ratsy ary tena matahotra. Sao dia mba manao Tai-Chi ary manana DAN maromaro Radada iny no may volom-body tahaka izao ingahy jeneraly alain ramarosonina?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *