Notam !

NOTAM 19/02/2011
NOTAM 19/02/2011
NOTAM 19/02/2011

Araka ny vaovao voaray avy Afrika Atsimo dia noho ity NOTAM navoakan’ny FAT ity no tsy nahafahan’ny Filoha Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany ary ny mpiara-miasa aminy androany. Marihana fa efa teo ampanaovana « checking » tamin’ny zotram-piaramanidina airlink tokony nadehanany androany ho any Madagasikara izy no tsy navela indray,  efa namandrika « avion special » ankoatry ny airlink ny filoha hodiana aty an-Tanindrazana kanefa dia tsy afaka niainga izy io noho io NOTAM io.

Tsara ny manamarika etoana fa noho io NOTAM navoakan’ny Hat io no tsy nahafahan’ny prm tonga tany Madagasikara androany.

.

charter contract 19/02/2011
charter contract 19/02/2011

4 pensées sur “Notam !”

  1. Izao no atao hoe fahatahorana tanteraka an’i Filoha RAVAOMANANA!.. Raha marina no nolazaina fa hoe ho gadraina izy, maninona no tsy navela nody dia nosamborina mora foana?…. Matikambo ery ry Christine l’ecervelée hoe efa eo an-dàlam-pikarakarana ny « extradition »-ny kanefa nony hody an-tsitrapo ny Filoha, maninona no nosakanana?
    Tsy hampiova ny fitivanay sy ny fanohananay an’i Filoha Marc RAVALOMANANA izao rehetra izao, fa rehefa sitrapon’Andriamanitra ny hioverenany, tsy hisy ahasakana azy mihitsy eo!

  2. Ny anao koa Atoa RATSY RAHONANA Wilfrid (izay mio aho fa misy fihavanana amin’i Astérix), dia aza manody anao izao tsy hamelanao ny Filohanay mody an-tanindrazana izao! mbola ho tsarain’Andriamanitra ianao sy ny taranakao!

  3. MAHEREZA RY MALAGASY FA TSY MAINTSY MISY FIAFARANY NY TSY ARA DALANA, ENY FA NA DIA MAFY AZA NY FANGIRIFIRIANA AFAFIN’NY DEVOLY DIA ANDRIAMANITRA MAHITA ANSIKA ARY MANANA NY FOTOANY IZY, « … FA IZAY MAHARITRA NO HO VONJENA. »

  4. io ilay faute be, loza dia loza kanefa taratasy ofisialy
    tena Mahamenatra
    en latin :
    singulier persona non grata
    pluriel pernae non gratae

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *