Ny mpijapy, opportunistes, akofa

opportuniste

opportuniste
opportuniste
Vokatry ny fihazakazahan’ny Tantatara dia é mavariana ny fihetsiketsika ireo mpitady seza sy te hanakaiky ny Filoha RAVALOMANANA MARC ,izay ita sy tsapa fa tsy maty vonoina ka heverin’ireto mpijapy fa any indray zao no misy ny hery koa faingàna » mikaotikaoty ireo manodidina an-dRavalomanana Marc..
Ireo mpadinika ny fihetsik’ireo mpitaty ra-kena ,ireo manenjika izay mafy eo amin’ireo mpitondra politique dia mahatsapa fa ireo niady toerana ho eo akaikaik’ny hat na tao amin’ny ambassade , na ho membres ireo conférences sy antoko politiques natsangan-drajoelina no itanao..miladilady manodidina ny ankolafy Ravalomanana Marc ,ny TIM..,koa na ireo efa voadaka tao amin’ny TIM aza dia miseho ho mpitarika ny tolona..etsy sy eroa !

Izany fihetsikin’ny » mpijapy izany : opportunistes izany » no fositra sy aretina mamosavy ny fianana politiqie eto M.kara.
Porofo mantsy io fijapiana / opportunisùme fa tsy matotra amin’ny Politique ny olonamitondra-tena toa ireny.
Amin’izy ireo dia izany no atao hoe manao politique : manaraka izay mafy ,na mba hahazoana seza na hahazoana tombotsoa..!

Nandritry ny fitondrana février 2002- décembre 2008 dia nisy ireo nijapy ny Fitondrana RAVALOMANANA MARC ,ary tsy vitany nijapy fotsiny izy ireo fa naka ny Fitondrana mihintsy niaraka tamin’ireo mpanohitra.sy ny frantsay sy ireo nanao kajy fa hisy tombontsoa ho azy ny fanonganam-panjakana..
Fantatro tsara fa misy mamaky tsara izao soratako izao satria mamelabelatra ny tetika ratsy nataony aho..!

Ny zavatra lazaiko eto dia tsy foronona fa niaraha-nahita sy niainana koa ny fampahatsiahivana an’ireo dia mba hahazoantsika maka lesona , ary mba hisorohana ny tsy hiverenan’ireny..!
Ny ankolafy RAVALOMANANA MARC dia malalaka ,tsy misy sivana ny mandray anjara ao..
Ny antoko TIM dia tsy maintsy mitandrina ary tsy hanao tsirambina ka tokony ho mailo ka manao sivana tery dia tery ( kara-panondro , parrainage ,, enquêtes raha ilaina..ary omena karatra misy ny sariny ilay mpikambana…!

ny Fifidianana izay ho Filoha-pirenena no fotoana hiarahan’ny Malagasy manao ny adidiny eo amin’ny Firenena .!
Amin’io fifidianana io no haneho ny Malagasy ny fahefana eo an-tanany : manome ny heviny sy ny safidiny izy eo amin’ny fifidianany izay ho Filoha-pirenena
Amin’ny fidianana ao aorian’ny kirizy dia HITENY SY HANOME NY SAFIDINY NY VAHOAKA…IZAY FILOHA LANY EO DIA VOKATRY NY FITSRAN’NY VAHOAKA NIFIDY ( VERDICT ) ARY TSY HISY AFAKA MANDA IO VOKATRY NY FIFIDIANANA IO !

Ary io fifidianana io no hahitantsika ny herin’ireo antoko paolitika izay nanolotra kandida..

IZANY HERYI IZANY DIA HO FARITANA SY HAMAFISIN ’ NY FIFIDIANANA SOLOMBAVABAHOAKA…!

Izany no lazaina eto dia ho avy izany , ary hiriana ho avy aingana ,izany SATRIA NY VAHOAKA NO TOMPON ’ NY FAHEFANA..
NY FAHEFAN’NY VAHOAKA NO NITSAHIN’IREO MPANONGAM-PANJAKANA…!

NY VAHOAKA NO HANAVAKA AKOTRY SY NY AKOFA AMIN’ NY ALALAN’NY FIFIDIANANA SOLOMBAVABAHOAKA…!

1 pensée sur “Ny mpijapy, opportunistes, akofa”

  1. ireo manodidina « tiko boys » no fosotra voalohany @ zany,satria tadidiko tsara fa mbola vao ho candidat voalohany ny filoha Ravalomanana dia nasiana base eraky ny fokontany tany @ nisy anay, dia mbola association tsotra ftsiny t@ zany, nisy ny fitsinjarana asa mazava fa hoe miainga @ fokntany daholo ny zavatra rehetra, vao nandeha fotsiny anefa ny fizarana t-shirt sy ny madinidinika dia nailika ny olom-boafidy t@ fokontany ary izy ireo no nahazo tsiny tamin’ny vahoakan’ny fokontany avy eo hoe manao fampanantenana poak’aty,rehefa nandeha moa ny taona sy ny volana dia voailika sy notakonana natao fanahy iniana ny tena mpanohana madio sy anisan’ny voalohany mpanangana fa ilay mpisolelaka sy mpitady seza no nahazo vahana ary ireo arema nivadika.Kivy ny tena mpanohana ,aiza ve dia misy minisitra t@ andron’i Ravalomanana, nandritra ny tolona 2002 izy ratsiraka tao anatin’ny RAM, avy eo izy lasa minisitra fa hoe promon’iray @ ireo tiko boys tanakavanan’ny Filoha.

    Izany koa no lesoka nahatonga izao rehetra izao.

    Sa kenda hahay hitsako; soa lavo hahay hamindra. Na izany na tsy izany izahay tsy miala amin’ny ara-dalàna, tsy manaiky mpandroba fanjakana.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *