Porofo fa tsy misy vahoaka manohana ny FAT !

Don-tandroka, fandrahonana, niteny daholo ireo mpangala sy mpamonoolona ao @ FAT. Vao naheno fa ho avy ny filoha Marc RAVALOMANANA dia nikoropaa daholo. Nahetsika daholo ny miaramila, najoro ny hoe « fiarovana ny sisin-tany »…. Mikoropaka ny mpanogam-panjaka fa nisy zavatra telo nisongandina.

1) Tsy manana vahoka mpanohana ny FAT

2) Tena fanoganam-panjaka no niseho t@ mars 2009

3) Tsy hetsi-bahoaka ireny teny @ 13 mai ireny

Fa nakaiza ila vahoaka be dia be no lazaina fa nifidy ny fitsampan-kevibaoaka izany ? nakaiza izany olona maro be nanala an-i Marc Ravalomanana izany?

Feno miaramila ny Tanàna fa tonga daholo ny olona. Tsy nisy natahotra. Dia ragidro tsy nahita fianarana mihitsy ireny miaramila sy foza ary mpanogam-panjakana ireo tsy mahita fa ny filoha Marc RAVALOMANAN ihany ny an’ny vahoaka.

Mitohy ny tolon’ny mpandàlany ara-dalàna. Fandresena ireny t@ 19 febroary ireny satria hitam-poko hitam-pirenena fa tsy misy manohina ny FAT ary tsy ankasitrahan’ny vahoaka ny mpagam-panjakana.

No lazaina ireo aino aman-jery mpandainga ireo mantsy fa ny vahoaka no nanala ny filoha Ravalomanana. Hita mibaribary izao fa miaina @ lainga sy hosoka ary halatra fotsiny ny FAT.

Nahita avokoa ny Malagasy sy ny vahiny ary ny mpanao gazety fa feno olona ary tsy no karamaina fa tonga daholo ny olona rehetra hitsena ny filoha.

@ fahatogavan’ny filoha @manaraka dia ho avy telo na efatr’eny nohon’ny t@ iny ny olona ary mety ho avy koa ireo mpiaro vahiny avy eo @ SADC.

Tokony handroso @ fanasaziana lalina kokoa sy fanitarana ny sazy ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa hitarina any @ mpanao politika sy ny miaramila ary ny tranom-barotra ny sazy, ka samy mampiatra izany avokoa ny vondrona afrikanina sy eoropeana ary i Etazonia.

Hezahina izany ary atao tanjona mihitsy mba hiverenena’ny ara-dalàna eto Madagasikara sy ho fanasaziana ireo mpanogam-panjakana.

11 pensées sur “Porofo fa tsy misy vahoaka manohana ny FAT !”

  1. izaho koa tena mahita izao fa mbola tena tian’ny vahoaka ny filoha Ravalomanana. Izahay nanohana an’i tgv aza dia toa nanenina satria vao maika nilentika isika, ka ny marina dia aleo ny teo aloaha ihany e! Andeha atomboka eto @ ny ville fa tsy lany maire intsony izay misolantsolana ho kandida tgv eo fa tsy maintsy TIM ihany no ho eo ampihorohoro azy. Aza kivy fa ny mifidy iahny no vahaolana satria manana vahoaka ny ankolafy telo ka azo antoka ny fandresena ny foza

  2. Ny marina tsy mba maty, la preuve !
    Vavan’ny maty andrano izay lazain’i HAT @ TV sy Radio ! Mitsipatsipaka sisa e !

  3. Toutes consultations électorales organisées par des putschistes, sont réputées nulles et non avenues !
    Quand est-ce que les malgaches vont-ils se rendre compte, que toutes ces « élections » n’ont qu’un seul but, c’est de permettre à ses « organisateurs » de s’en mettre un peu plus dans la poche. Se servir au max dans des fonds de campagne ( « dons » émanant de ceux qui soutiennent financièrement ces putschistes ) douteux, qui échappent à toutes règles, sans aucun contrôle quant à leurs origines !

  4. Fangaha tsy vahoana avy any antsirabe sy avy any @ faritany notaterina ireny? 35 cars no voalaza ho nitaterana ireny

  5. Fantaro tsara fa ny olona avy any @ faritra manodidna an’Antananarivo sy ny faritany dia tonga t@ herin’ny tenany sy ny fitiavanay ny tanindrazana. Andro vitsy fotsiny no fanomanana dia nanomboka t@ ny alarobia 15 nilazan’ny filoha ny fahatongavany ka hatr@ Asabotsy 19. Nefa dia tafjoro ihany satria tena tsy makasitra ny mpanogam-jakana’ Tsora ny resaka, hatr@ izay nisian’io fanoganam-panjakana io no nisy izao crise izao. Isika vahoaka kosa hitsangana hiaro ny filohantsika. Aleo maty @ fiarovana ny filoha toy izay matimaty foana vonovonoin’ny foza any.
    Ilay feuille de route iny aloha dia haptraka any an-gabone no mety aminy…..
    NB: ilay risara baomba dia tany @ aeroport-n’Arivomamo no niandry fa sao hono miditra avy any ny filoha. Tsy maintsy ho tratranay io risara baomba io.

  6. Hay ve misy Aéroport any Arivonimamo e ! Toa tena tara be izaho izany kà. Sa nifori-drambo tsy nahasahy nandefa teny Ivato i BAOMBA ACHARDS KARAOTY ka ny miaramila réservistes, rezimanta POUSSINS no nalefa teny Ivato au cas où !!!!!!!!!!!!!!!!

  7. hihi, ka ny vahoaka ndray v ary no handeha hitandrina ny filaminam-bahoaka fa tsy ny foloalindahy?

    Ra vahoaka ny zaza kambotin ‘i dada…efa ela no niala teo ny Filoha hajaina Andry Rajoelina, fa saingy indrisy fa vitsy an isa loatra ny zaza kamboty e!

    mba jereo reny tany Tunisie sy Egypte reny e, refa tena tezitra ny vahoaka, na iza na iza no eo d tsy maintsy miala.

    02 taona izay, mbola tsy hita ihany zany zaza kamboty miseho ho vahoaka zany hatramzao!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *