Profesora Ampamoaka !

Conf Presse Pdt Zafy au Carlton 03 fev 11

Conf Presse Pdt Zafy au Carlton 03 fev 11
Conf Presse Pdt Zafy au Carlton 03 fev 11

Nitondra fanazavana mahakasika ny raharaham-pirenena tamin’ny vahoaka nanatrika azy sy ny mpanao gazety maro be tao amin’ny Hotely Carlton ny filoha teo aloha Zafy Albert.

Na dia notadiavin’ny FAT ho sakanana aza ny fihaonana, tongavan’ny ekipan’ny FAT,  Zazah Ramandimbiarison mihitsy mba tsy hahazoan’ity « Rain’ny Demokrasia » ity maneho hevitra  dia tanteraka ihany tamin’ny ora farany.

Nanao ampamoaka lehibe momba ny fanondranana an-tsokosoko ny ‘andramena’ ny filoha. Nandefa  horonan-tsary fanadihadiana mahakasika ny tsy mety sy ny afera maizina momba ity bolabola ity ka teo no nahafantarana  fa i Andry Rajoelina mihitsy no ati-doha mikotrika ny fanondranana ity hazo sarobidy ity.

Nanao jeri-todika ihany koa mahakasika ny raharaha momba ny 26 Janoary 2009 sy ny 07 Febroary 2009 ny tenany.

Nambarany tamin’izany fa nisy andian-jatovo 300 mahery teto nofanina hanakorontana sy handroba teto Antanananarivo ka mpikambana iray ao amin’ny FAT ( Alain Ramarson ? ) no namolavola izany, efa noketrehina mialoha hoy izy fa ny rnm sy tvm ary ny mbs no hodorana mialoha amin’izay tsy afaka mifanerasera amin’ny vahoaka ny filoha, avy eo ny fananany manokana mba hampalemy azy.

Nahitsy ihany koa izy nanambara fa tsy ny mpiambina ny lapan’Ambohitsirohitra no nitifitra ny vahoaka ny 07 Febroary fa efa taty amin’ny sisiny roa, io hoy izy dia fifanarahana nataon’ny FAT tamin’ny « francmaçon » , mila manao sorona olona 40 mba hampahomby ny tolona sady tsy hisy famatsiam-bola rahateo raha tsy vita io sorona io, araka ny fitsanganana vavolombelona nataon’ny Profesora.

Noararaotiny ihany koa ny nanome ny heviny mahakasika ilay tondro zotra hivoahana amin’ny krizy novolavolain’ny Dr Simao, « tsipahanay marindrano io » ary tsy hisy hiditra amin’izany hoy ny tenany.

Nofaranany tamin’ny teny hoan’ny vahoaka ny resaka, « ampy izay ny roa taona » mifohaza sy mijoroa hoy ny Pr Zafy Albert, tsy mila an’i Andry Rajoelina ny vahoaka Malagasy !

8 pensées sur “Profesora Ampamoaka !”

  1. J’ai déjà déclaré sur ce forum que notre pays est sous l’emprise de la franc-maçonnerie mais un forumiste ne voulait rien savoir puisqu’il est membre de cette communauté peut-être. En vérité cet ampamoaka du Professeur Zafy est largement suffisant pour nous réveiller.

  2. Faites le rapprochement entre le catholicisme et la franc-maçonnerie… trouvez la ou les vraies différences entre distribuer la lumière et la mission de civilisation.

    Quand vous regardez les membres de la franc-maçonnerie, en France et en Afrique, ils sont pour la plupart des catholiques…

  3. Ce qui m’étonne surtout chez Lezafy est cette manière de se faire passer pour un naïf. Oublie-t-il que les franc_maçons dont il parle sont ses colons et fils de colons que lui même a soutenu depuis longtemps?

  4. Il y a plusieurs sortes d’Obédiences dans le monde ! Faut préciser, G.O., G.L.F. ou D.H. ???
    Faire le rapprochement entre le catholicisme et la Franc-Maçonnerie, c’est mélanger les torchons et les serviettes ! (salut Kintana)

  5. Be dia be ny manque à gagner teto Madagasikara tamin’ny Fitondran’i Ravalo
    dia manomboka maka izany izy amin’ny alàlan’ny Bois de rose sns, zay no antony hametrahany an’i boay kely eo. Ary ny firenena toy Lafrantsa, Amerika, ny CI (Onu, UA) dia eo ambanin’ny control ny daholo.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *