Tokelaka Filankevitra

Madagascar
Madagascar
Madagascar

Inty misy tononkalo tonga teto amiko, mahatsikaiky izay tsy izy !

Filan-kevitra

Malala a!
Aza mody mihitsy anio ,
fa mazotoa ianao mivory.
Omeo toky, ampifalio;
ary aza avelanao hatory
‘reo minisitra mazoto.
Mainka mihitsy, amporisiho
mba hahavita hitotototo
sy hitantara isam-paritra,
na angano na abobo,
na ‘zay mety hahafinaritra,
hahafaly ny vahoaka.
Vahoaka jamba… !
Tsy hainy angamba!

Hamitahany vahoaka:
Omeo hanina sy toaka
‘zay mitady ny handinika
hahatafita ny madinika.

Omeo daina koa hofohany,
dia sasao ny atidohany,
tsy hiheverany fitserana,
n’aiza n’aiza mety ho toerana
itobian’ireo mpanohitra.
Eny! Hatrany ambanivohitra.

Mody lazao azy ireo
fa henohenoko anikeo,
ny izao sy izao mitady hitokona
sy hitarika ny mpokona
hanimba ty fihinanana,
hampahantra koa ny mpanana.

Lazao ‘reo hamoaka didy
Fa tsy ho afaka hifidy
‘zay tsy tia ny fitondrana.
Mody ‘zay no hoe “lalàna”.

‘Reo mitady hitangorona,
Asaivo, koa, vonoiny vorona
Tsisy ho sahy hisehoseho
Na mpivarotra fripy na reo lamba tonta ‘reo.

N’iza n’iza !

Reo mitady harisarisa
fa maranitra ny sainy,
anaovy fampandriana adrisa,
mody omena izay ilainy:
Ampiakaro ny grady,
ny karamany, etsetra;
Andaharo irony lainga
hain’ny filoha rehetra.


Dia fa mazotoa ianao,
‘ndeha vorio ny samy ngeza
‘Ndeha malaky, zao d’izao,
Hiarovantsika seza.

Aza saininao akory
ny ndeha hody aty hatory;
ary ajanony mihitsy ho ahy
ndrao lasa fakampanahy
raha any ‘lay fanalahidy
ka tsy ho vitanao ny adidy.

Aoka ianao tsy hiasa saina
ny amin-javatra fanao,
f’efa hatramin’ny maraina
no efa ao an’efitra ao
’lay miaramila tena malina.
Azo itokisana iny
Fa hahambina ahy rahalina.

Eo anilany aho no handry,
hilalao ‘lay basy be-ny;
hialoka ao ambany sandry,
hiafina eo am-poto-peny;

Ny molotro aza, hotakonany:
Hasaiko arovany amin’ny molony
‘Zaho mihitsy no hosaronany
amin’ny tena manontolony.

‘rony lambako amin’izany
mba tsy haloto raha voakasony:
efa hesoriko amin’ny tany
hotandremany eo imasony.

Matokisa ianao malala
fa izay mikasa hamely;
tsy ho tafiditra ny vala,
tsy hahita velively,
fa ho reraka, ho valaka;
Manko hasaiko hotampenany
ny lavaka malalaka.

Eny mandra-pahavizany,
Rehefa ‘zaho tsy azon-tory:
Tiako ‘zaho raha handihizany.

Mazotoa ianao malala!

Ny R. FIDIMANANTSOA

23/06/2010

3 pensées sur “Tokelaka Filankevitra”

  1. WWWAAAAOOOOOUUUHHH!
    Tena mahatsikaiky marina, ary tena mampiseho ny fikasan’ireomaim-boninahitra sy matim-bola tokoa!
    Tena nomen’i Andry RADOMELINA daina tokoa angamba, ka mbola misisika ihany ny sasany miaro azy!… Tena ttttsssssss!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *