Tsy miova ny hevitray , tsy maintsy milatsaka amin’ny fifidianana ny filoha Ravalomanana hoy Guy Rivo !

Guy Rivo Randrianarisoa, Marc Ravalomanana, Benja
Guy Rivo Randrianarisoa, Marc Ravalomanana, Benja
Guy Rivo Randrianarisoa, Marc Ravalomanana, Benja

Nivoaka tamin’ny gazety Malaza androany fa miovaova hevitra hatrany ny filoha Ravalomanana araka ny nambaran’i Dr Simao, namaly mivantana izany avy hatrany ny mpitondra teniny Andriamatoa Guy Rivo Randrianarisoa. « Tsy atao mahataitra izany fomba filaza izany satria izay foana no fomba nentin’ny sasany hanalavana ny tetezamita. Lazaina fa ny ankolafy Ravalomanana no miova hevitra lava. Hatramin’ny 2009 ka hatramin’izao dia tsy niova ny hevitray, mody ary milatsaka ny filoha Ravalomanana.

Nandeha ihany koa ny resaka tao ao fa misy amin’ireo ankolafy Ravalomanana no mitady seza fotsiny. « Tsy mitady seza na mangataka seza na handray anjara ao amin’ny fitondrana tetezamita mihitsy ny tenako. Tsy fomba fijeriko izany.
Marihiko etoana fa efa notendrena tamin’izany aho tamin’ny Novambra 2009 tany Addis Abeba ary nolaviko ho anareo zay mahatadidy », hoy i Guy Rivo.

Ny vahoaka ihany no any mifidy sy mametraka ireo olona hitantana ny ho aviny amin’ny alalan’ny fifidianana madio sy mangarahara hoy hatrany ny fanambarany. Nanamafy hatrany ity mpitondra teninin’ny filoha Ravalomanana ity fa ny tolona izay atao eto dia ny hafahan’ny Malagasy rehetra milatsaka amin’izany fifidianana izany ary tsy ho sakanana amin’ny endrika feno fitaka toy ny fanagadrana amin’ny tsy rariny, koa noho izany hgoy izy dia tsy miova ny hevitry ny ankolafy Ravalomanana :  » tsy maintsy milatsaka amin’ny fifidianana ny filoha Ravalomanana » hoy hatrany izy.

11 pensées sur “Tsy miova ny hevitray , tsy maintsy milatsaka amin’ny fifidianana ny filoha Ravalomanana hoy Guy Rivo !”

  1. izany mihitsy, dia misaotra fa sady mampianatra ny atao hoe demokrasia ihany koa mba hifantoka an-tsainan’ny vahoaka rehefa voageja 2 taona ;
    misy ny fahafahana ho an’ny rehetra rehefa hampiarina ny lalàna ho an’ny rehetra :
    liberté de penser, liberté de circuler,il n’y a que les ânes qui ne changent pas d’avis
    Il faut surtout souligner que les lois interdisent de fomenter, de diffamer, de tuer, de nuire, de mentir, d’instrumentaliser, de manipuler, de suspecter sans preuve

  2. Ok,elas mais, indro kely hoy ny mpandrafitra : Tsy mahatokitoky an’i DJ sy Ratsy iraka zà raha misy ny fifidianana indrindra ao andamosina koa i renimalala !
    Amiko, miala i DJ ary misy lalàna koa ny filatsahana ho candidat, misy conditions ny itoerana eo @ sezan’ny filohampirenena. Ratsy iraka efa nanao 4 mandats sady MARARY ka tsy tokony hilatsaka intsony !!!

  3. Hiverina tsy ho ela ny ara-dalàna,

    Tena mbola mahery Ravalomanana : « hody, ho any an-tanindrazana aho ».

    Ankona daholo, na isika mpiara-dia aminy aza. Tena ho sahiny tokoa ve ?
    Maro ny nangovitra, ary nisy ireo nitomany.

    ‘Ho raofi-potsiny eo, ho matimaty foana’, hoy ny maro.
    Sahy hifanatrika amin’ireo mpamadika sy mpamono olona ingahy Ravalomanana.

    Vitsy dia vitsy no mahavita izany.

    Izy aloha, hatramin’izao, no hitako fa afaka mijoro sy mitondra an’ity Tanindrazana ity.
    Afaka hifanenjana amin’ireo mpitondra tsy mataho-tody.

  4. Rà Gasy,
    Mahery sady henjana ny filoha Ravalomanana !
    Mirepirepy sy fanina i renimalala, miodina atsy, miodina aroa, manao TRALALA etsy sy eroa fa éhé !!! Soloina ny diplaomaty, irahina ny minisitra fa « tsy lasa » ! Very vola sy mivadika ati-doha fotsiny. Hi hi hi hi !!!
    Madagasikara an’ny Malagasy ary mipetraka ho an’ny Malagasy. Point Barre !

  5. Mbola hafa ihany Ravalomanana sahy mijoro hatramin ‘ ny farany na hanao sorona ny ainy aza , fa ny ankilany indray no toran- kovitra , ny reny malala tsy mahagaga manao zay fomba rehetra hampiadiana antrano ireo firenena madinika rehetra azahoana harena , aiza re la Frantsa taloha e , ankehitriny loto tsy loto manginy fotsiny ny tain ‘ alika eny antsisin dalana; izany ny havoretrany sarkozy

  6. hahaha mirediredy zaza kamboty ! oviana indray dada tonga ?maninona ts mifoha maraina nitsena azy androany fa le sabotsy anaran’ny dadanareo zaza kamboty e! beurk

  7. Bjr,raha ny tena marina ve ry zareo moa ve tsy ny « izay hahavotra ny Gasikara sy ny Gasy no tokony ho katasahina @izao é? sa mbola miziriziry @nofinofinareo sy ny dadanareo hiverina ihany no mbola hanakorontananareo ny firenena?? ny tenako dia mbola mivavaka ho anareo hatrany mba hitsahatra io nofinareo io ka hiova hevitra @izay.MBa tongava saina é!misaotra

  8. Tsotra ny schéma ry mahita.Raha miverina ho an’ny malagasy ny vola vidin’ny solintany ho tradrahina eto madagasikara dia ho tafita lavitra ny malagasy fa raha omena an’i total dia ny vozongo ny hihanankarena lava.Ny an-dRadomelina ny solintany gasy omeny olona, efa tena mitapy.

  9. ->Bemafoy
    Bjr,Voalazanao hoe »HO TRANDRAHINA » mbola tsisy vokany marina anie ny fitrandrahina hatramin’izao é! raha toa ny Bemolanga dia fantatro tsara efa teny amin’io toerana io ny tenako t@izany hoe OMNIS,tsy mahaleo ny sarany ny vidiny!!!!any an-kafa angaha?? ary tsy misy orin’asa Gasy afaka hitrandraka izany tompoko,zava-dehibe tsy takatra eritreretin’ny tsy mahalala izany ary mila vola tsy toko tsy forohina.Na rarahina na tsia dia ny Frantsay anisan’ny specialiste ami’nio eran-tany.Miala tsiny fa tsy misy fanjanahana intsony ankehitrio ary ny fiara-miasa aminy dia fitadiavana ny mahasoa ka dia ny contrat tompoko no atao tsara,ary aza alaina vinany @tsaho rehetra ny tena marina fa manimba saina ny tsy ampy fahalalana é! salut

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *