Tsy misy mahasolo ny sonian’i filoha Ravalomanana !

Mektoub
Mektoub
Mektoub

Nitohy toy ny mahazatra ny fihaonan’ny ankolafy telo tetsy amin’ny Magro Behoririrka tamin’ity Talata 22 Febroary ity.Ny depioté Mektoub avy amin’ny ankolafy Zafy raha nandray fitenenana dia nanamarika ny fifandraisan’ny politika sy ny fampihavanam-pirenena : “hoy i Ratsiraka : en politique, il n’y a pas d’éternels ennemis, ary hoy i Zafy :  tsy milamina i Madagasikara raha tsy ny Malagasy mihitsy no matsapa fa samy Malagasy ary tsy misy azo ahilika. »

Namaly an’ilay mpanao politika nanao taratasim-bola tsy misy antoka ihany koa izy. Sitrapon’i Voninahitsy ny nampigadra ny tenany hoy I Mektoub . Tsy gadra politika iny fa mpanao politika nigadra. Taranak’i Radama II i Voninahitsy hoy izy ,  matohotra mafy an’ i Ratsirahonana I Voninahitra izay sady manao tantara diso no manoratra tantara diso. Ramasy Adolphe, Alain Ramaroson, Voninahitsy no nampitifitra an’ i Zafy tany Diégo fa tsy i Ravalomanana hoy ihany ity mpanao politika tanora ity. Mbola nanamafy ihany koa ingahy Mektoub fa mifandray tsy tapaka ary mivory eny  amin’ny Villa La Franchise ny ankolafy telo momba ny fodian’ izy roalahy.

Mahakasika ny  “feuille de route” indray dia «caduque, nul et non avenu» io hoy izy. « Incontournable » ny filoha roalahy amin’ny famahana krizy ary izay dia midika fa tsy azo idovirana ny fodian’izy ireo an-Tanindrazana hoy ihany ity mpikambana ao amin’ny ankolafy Zafy Albert ity. Tsy misy mahasolo ny sonian’i filoha Ravalomanana,  Zafy Albert ary Radidy hoy ny namaranany ny kabariny androany.

Solotenan'i Diego
Solotenan'i Diego
Reverend Satrobory
Reverend Satrobory
Mektoub
Mektoub
Marcel
Marcel
Mamitiana
Mamitiana
Magro 22 fev 11
Magro 22 fev 11
Magro 22 fev 11
Magro 22 fev 11
Guy Roger
Guy Roger
Dezy
Dezy
Solotenan'i Mahajanga
Solotenan'i Mahajanga
Berthine
Berthine

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *