« Tsy misy Vidin’aina hanambazana seza »

Magro 07 fev 2011
Magro 07 fev 2011
Magro 07 fev 2011

Ankoatra ny fampirantiana ny sary sy soratra mitantara ny zava-nisy ny 07 Febroary 2009, dia saika niompana tamin’izany daty malaza izany ny kabary rehetra teto amin’ny kianjan’ny Magro.

Niditra mivantana sady nampahery ny mpitolona no nanome ny heviny mahakasika izay ny filoha Ravalomanana tamin’ity androany ity, « tsy nanome baiko hitifitra teny amin’ny Lapan’Ambohitsirohitra aho » hoy izy.  Mazava izany araka ny efa nentina teto, na tamin’ireo fijoroana vavolombelona isan-karazany, raha tsy hitanisa afa-tsy ny nataon’ny filoha teo aloha Pr Zafy Albert izay nanamarika fa tsy niainga avy ao anaty Lapa ny fitifirana fa teo amin’ny sisiny roa, vao nentina teto ihany koa ny sora-tanana nataon’ny Kl Charles Andrianasoavina izay nitantara fa ny Lt Kol LyLson no nitifitra dia io nanamafy io ny filoha fa tsy nanome baiko hitifitra.

Ingahy Raveloson Constant dia nanindry mafy mihitsy fa « Roa taona izay no namonoan’i Andry Rajoelina ny vahoaka, nentina natao sorona teny amin’ny Lapam-panjakana ny valala tsy mandady harona hoy izy.Tsy misy « vidin’aina » anefa hoy izy ka hanambazana sy hanomezana toky fa omena seza CT (Kongresy) izay tendren’i Rajoelina ho mahasolo izay novonoiny, raha tena olo_marina i Rajoelina dia manaiky ny « enquête internationale indépendante ».

Rehefa tsy nahomby ny paika niarahan’ i Andry TGV tamin’ny Simao dia rangitina indray ny raharaha 07 febroary hoy izy namarana ny kabariny.

Magro 07 fev 2011
Magro 07 fev 2011
Magro 07 fev 2011
Magro 07 fev 2011
Magro 07 fev 2011
Magro 07 fev 2011
Magro 07 fev 2011
Magro 07 fev 2011
Magro 07 fev 2011
Magro 07 fev 2011
Magro 07 fev 2011
Magro 07 fev 2011
Magro 07 fev 2011
Magro 07 fev 2011
Magro 07 fev 2011
Magro 07 fev 2011
Magro 07 fev 2011
Magro 07 fev 2011
Magro 07 fev 2011
Magro 07 fev 2011

3 pensées sur “« Tsy misy Vidin’aina hanambazana seza »”

  1. Ny olona marina, tsy hanongam-panjakàna velively !
    Ry Tsirahonana aza mbola mahavita milaza fa rahatoa ka ilaina, dia mbola vonona ny hamerina ny zava-dratsy nataony !
    Izany ve no mbola hoe hiaraha-miasa ? Efa mitonon-tena ho mpamosavy !!!

  2. Ka ny vavan’i Asterix RATSY RAHONANA aza mbola sahy milaza ihany tao amin’ny Gazety hoe raha « mbola averina ny 2009 dia vonona aho hanao an’izany »! Olona efa lasa kely loha mihitsy e!.. Ny dikan’izany dia efa miaiky izy fa izy no nanao an’ilay fanonganam-panjakana!
    Sady tsy mataho-tody no efa mivadika ho zazakely ka tsy mahafantatra intsony izay teneniny!…. Omeo « potion magique » indray izy ry Obelix Organes a!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *