29 martsa 2011

Tonga ity ilay andro, andro manan-tantara, satria ny 29 mars 1947, dia naripaky ny frantsay ireo Malagasy tia tanindrazana marobe.

Mbola miverina indray izany ankehitriny ka ny Malgasy ihany nohirahin’ny frantsay hanao izany asa maloto izany. Ireo tafika sy polisy ary zandary malagasy natao hiaro ny vahoaka no mandray baiko avy @ mpanogam-mpanjakana hirahin’ny frantsay.

 

Aiza ianao ry Malagasy ? Mitsangana ianao ry Iarivo,  tsy izao no hamelàna ity tany ity. Ario ny tahotra ary raiso ny ampiga. Isika vahoaka Malagasy no hampiseho an’izao tontonlo izao fa tsy ekentsika ny fanoganam-panjakana sy ny F.A.T ka HIROTSAKA AN-DALAMBE ISIKA NY ANDRON’NY 29 MARS 2011. Tsy misy, ary tsy hisy tahotra ny @ izany satria ny lalana dia antsika ary tsy mandoro trano na mamono olona isika fa mirohantra an-dalambe.

 

Tapenam-bava, henjehina @ basy, samborina ….ny Malgasy nefa tonga ity ny fotoana, feno ny kapoaka. Hifarimbonantsika rehetra izany ka noho izany dia:

–          Miantso ireo izay afaka tonga avy any @ faritra,

–          ireo faritra manodidina an’Antananarivo,

–          ary indrindrindra ny vahoakan’Antananarivo

haneho ity andro ity ho andro iray toa zato.

 

Eny ANALAKELY sy AMBOHIJATOVO DAHOLO  ISIKA REHETRA NY ANDRO-n’io 29 MARTSA io. Tsy hisy hipika amintsika ny zava-mitranga rehetra koa samia miomana na ara-batana, na ara-pitaovana, na ara-tsaina sns…. Ny Malagasy no hiteny @ io andro io, ary ho potehitsika hatramin’ny fakany izany fandrobana sy fahabaniantsaina izany, ka hanagana tetezamita tena izy isika.

Tsy maintsy tratrantsika ireo toanjona manaraka ireto:

 

1)      Mivoaka tsy misy fepetra na hatak’andro ny gadra politika rehetra ary mitsahatra ny fanenjehana.

2)      2)miverina an’tanindrazana ny filoha roalahy dia ny Filoha marc Ravalomanana sy ny filoha Didier Ratsiraka.

3)      Iaraha manomana ny fifidiana ho avy.

4)      Sokafana ny aino aman-jery rehetra.

 

Tsy misy ho tanteraka anefa izany raha hiandry sy hijery fotsiny isika fa tsy maintsy mihezaka, mifampitaona ary miara-mirohotra. Ny firaisakiana irery ihany no ahafantsika handresy @ ity tolona ity.

Koa tongava daholo ry Malagasy. Ny talata 29 martsa 2011, eny Analakely sy Ambohijatovo no fotoana, ary isika no tompon’ny fahefana, ary mbola antsika ihany koa ny tanàna, ka tsy hisy tokony hatahorana.

Tsy maintsy hampitahotra anefa ireo bibidia mahazatra, ka avelao hanao ny ataony eo fa ho hitan’izao tontonlo izao. Ny 30 sy 31 mars 2011 dia hijery ny momban’ny Madagasikara ny SADC ka raha manakorotana eo ireo bibidia dia hohitantsika miaraka eo ny vokany fa tsy maintsy ho rigana ireo ragidro mitam-basy, tsy mahalala ny adidiny fa jamban’ny vola sy ny fahefana ary ny toerana ireo.

 

MITSAGANA RY TANORA, MITSAGANA  K’AZA  MANANA  AHIAHY

6 pensées sur “29 martsa 2011”

  1. HO AVY Ê!

    Midera ireo olon-tsotra tonga tsy tapaka eny amin’ny Magro ny tenako,
    Ireo gasy manana ny maha-IZY azy,
    mihevitra ny HO AVY NY TARANAKA SY FARA AMAN-DIMBY
    ary mieritreritra ny hamerina an’i Gasikara eo amin’ny toerana ambony ho REHAREHAn’ny tsirairay, fa indrindra isika izay mifanerasera amin’ny any ivelany

    Nisy fotoana tafaresaka t@ Mauricien ny tena, hoy izy: tohizo, aza hatsahatra mihintsy ny tolona mankany amin’ny demokrasia mihainga avy amin’ny fahafahana maneho hevitra, ny fanajàna ny zon’olombelona, …

  2. Toy ny filazan’i HoAiza ny teniko e: HO AVY IZAHAY ARY HITONDRA NY FIANAKAVIANA!
    Aoka anefa ho atao manara-penitra tsara fa tsy mikorontana. Noho izany dia mangataka ny Mpitarika ny ara-dalàna izahay mba hikarakara sy hanomana an’io diabe na Fivoriambe io!
    Tsy maintsy mirodana io FATn’alika io e!

  3. Ziry,
    Azontsika atao tsara ny makeny andalambe, »mandehandeha » tsy misy mpitarika fa makeny Analakely sy Ambohijatovo isika, fa rehefa samy manaoizay ny rehtra dia hisy fandresena lehibe. Mandehandehana hoy aho satria mino aho fa tsy ho sakana’ny EMMO-REG izany, ary ho hitanareo eny koa ny mpitarika tsy @maha mpitarika azy fa @ maha mpitolona azy.
    inty misy vaovao tokony ho fantan’ny maro. voaaza tao @ MAGRO ny 22 mars teo. Ka i Tabera no nilaza izany. Misy andiana miaramila mijoro ka tsy iditra antsehara raha toa ka manakana ny hetsi-bahoaka ny EMMO-REG: Ioambany ito ny fanamafisana izany:

    Tabera Randriamanantsoa ”Hisy raha eto alohan’ny 31 martsa”
    23/03/2011

    Fampitam-baovao maro no nentin’i Tabera Randriamanantsoa tao amin’ny Magro Behoririka omaly. Nambarany fa hisy iraka avy any Afrika Atsimo hijery ny zava-misy eny an-kianja amin’ity anio ity, ka nanentanany ireo mpitolona ho avy maro.

    Nambarany koa fa misy iraky ny filoha Ravalomanana avy any Afrika Atsimo nihazo an’i Mozambika nampahafantatra fa tsy nety ny asa fanelanelanana nataon’ny Dr Simao. Araka ny fantatra dia niala ny alatsinainy hariva tany Afrika Atsimo ity iraka ity, ary omaly ihany dia efa nisy fihaonana tamin’ny mpitondra Mozambikana, fihaonana izay mbola hitohy amin’ity anio ity. Fahombiazana ny dian’izy ireo hatreto. Ankoatra izay dia nambaran’i Tabera fa hisy delegasiona hanatitra taratasy eny amin’ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina Ankorondrano, amin’ity anio ity, hampahalala ity farany koa fa tsy mety ary tsy ekena iny sori-dalan’i Simao iny.

    Fa nanaitra ny maro ny nilazan’i Tabera fa nisy miaramila nihaona tamin’izy ireo ary nilaza fa hijoro tsy homba ny atsy na ny aroa ary nampanantena fa raha misy kosa manakorontana ny olona manao fihetsiketsehana am-pilaminana dia ho avy izy ireo. Nanaitra koa ny filazany fa misy mpitondra ao amin’ny FAT milaza ny hanao ampamoaka mikasika ny fandaniana mihoapampana sy ny halatra niseho tato anatin’izay roa taona izay rehefa tonga ny fotoana. “Tsy maintsy mijoro hanavotra ny firenena ny ankolafy 3”, hoy i Tabera Randriamanantsoa. Nambarany moa fa dia hisy raha eto mialoha ny 31 martsa.

  4. ary mba aiza ho aiza ny gasy any ampita amin’izao ?
    tena mafy ady sa misolelaka sa very hazon-damosina daholo ?
    toa mahalasa heritreritra be niany sa ?
    hita izao fa tsy ho fotsy hoditra mandrakizay dia mihenahena, mba mila fanazavana io ….

  5. Vaovao tsara be araky ny faniriako hatry ny ela ny amin’ny 29 Mars !!!!

    Enga anie tsy hisy olana, fa dia ho tafita soa amn-tsra !
    Momba ny Gasy any am-pita moa dia efa ela aho no naipy teny tamin’io ary mamerina hatrany, eo am-poton’ny ONU-UE ry zareo any am-pita ka dia tokony hisy hetsika toy izao farafaha ratsdiny in-2 isan-taona.
    Nefa moa dia faniriana hatrany ny ahy, fa dia ny tsirairay no mandinika sy manatanteraka e !

    Eo no ahalalàna ny fihetsem-po ho an’ny Tanindrazana !

  6. Toa tsy nisy valiny ny resaka ataon’i Mbola ?!
    Tsy hoe voatery tsy maintsy misy valiny kosa aloha e ! Fa…..
    mba nanantena ihany hoe hisy olona avy amin’ny GTT International

    na avy amin’ny TIM
    – na avy amin’ny Antoko hafa manohana ny Prezida mba hitondra resaka momba ireo any dilam-bato !

    Aiza ianareo GTT Philippines-USA-Belgique-GB-……………………etc e !

    Ndao hiray fa izao no andro- Izao no ora !
    Ny hirantsika ihany e !
    …..Ka tianao va ?
    Ny hiaraka amin’ahy?
    Ka tianao va ?
    F’izaho efa sahy ?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *