29 Martsa hampiray ireo tia tanindrazana !

Nitambatra ny herivelona La Rotonde 26 Martsa 11
Nitambatra ny herivelona La Rotonde 26 Martsa 11
Nitambatra ny herivelona La Rotonde 26 Martsa 11

Manoloana ny fankalazana ny 29 Martsa 1947, dia hanao hetsika goavana ireo hery velona mitambatra ao anatin’ny mpanohitra ny FAT amin’ny Talata ho avy izao.Nanao valan-dresaka hoan’ny mpanao gazety izy ireo, tetsy Besarety io hariva io ka nampahafantatra ny mombamomba izany.

Fantatra ary fa hiara-hirodorodo hanatitra fehezam-boninkazo hoan’ireo mahery fo lavo tamin’ny ady ho fanafahana an’i Madagasikara, ny ankolafin-kery rehetra, manoloana ny tsangam-baton’ny MDRM etsy Ambohijatovo.

Nitambatra ny herivelona La Rotonde 26 Martsa 11
Nitambatra ny herivelona La Rotonde 26 Martsa 11

Manomboka amin’ny iray ora sy sasany izany ka ho avy hanotrona izany ireo ray aman-dreny samihafa tarihan’ny filoha Zafy Albert. Andro iray manan-tantara amin’ny firenena io andro io koa nanentana ny vahoaka Malagasy rehetra hanotrona izany ireo mpandahan-teny indrindra ireo tanora ho avin’ny firenena. Tsy nangataka fahazoan-dalana moa izy ireo noho ny maha fahatsiarovana ireo tia tanindrazana, fa raha sanatria mampiasa hery ny mpitandro filaminanan dia « tsy hahasoa an’i Andry Rajoelina izany, tsy hahasoa ny vahoaka, ary tsy hahasoa ny firenena » hoy ny Sekretera Jeneralin’ny antoko Monina, Atoa Gabriel Rabearimanana.
.
.
.
.
Jereo koa, Photos Conférence de Presse Herivelona, La Rotonde 26/03/2011 (1/2).
Jereo koa, Photos Conférence de Presse Herivelona, La Rotonde 26/03/2011 (2/2).
.

8 pensées sur “29 Martsa hampiray ireo tia tanindrazana !”

  1. Maninona moa raha tohizana hatramin’ny farany izao fiaraha-mientana izao fa tsy ajanona fotsiny ho an’ny 29 Marsa? Raha mba miray toy izany daholo anie ny rehetra manohitra an’ireo FATn’alika ireo dia hitsoaka ho azy ireo e!
    Ireo HATay ireo mantsy dia manao adim-borontsiloza: manao andia-maro dia mibontsina ery satria manana fitaovana!.. Fa rehefa irery dia mavozo ka milefa karà amboa voadaka vody!

  2. Tena hevitra mety mihitsy Ziry O. izany hevitrao izany raha ny amiko, satria, izaho koa dia efa nanoso-kevitra ny hampitoy ny hetsika amin’ny 26 Jiona !
    Tokony amin’izao fotoana izao dia efa homanina izany hetsika izany mba hanana ny lanjany !

    Ahoana ny hevitra o amin’izao ?:
    Eny Mahamasina ny FAT amin’ny 26 Jiona, fa isika indray kosa eny Ambohijatovo !?

  3. Nous espérons AUCUN port de fusil à balles réelles venant de qui que ce soit

    ni

    INFILTRATION de foza pour faire retomber d’inexplicables troubles sur notre côté

  4. Ary ahoana raha samy mitondra kapoakam-bary daholo dia iny no kapohina eny amin’ny filaharana?

    Izany hoe manao tabataba no tena tanjona !Ny daba kosa lehibe loatra, fa raha Kapoaka dia tena izy lay kaaaa!!!

    Milaza koa anie io kapoaka velivelezina io fa matin’ny hanoanana ny vahoaka e !
    Toa hevitra tsara io Ra-Ziry sy HoAiza a !

  5. Mamerina in-droa manan’ny antitra e !

    Samia mitondra kapoaka velivelezina hanaovana tabataba !

    Ka raha sanatria misy tsy fahafahanao, dia any an-trano , eo an-tokotany dia efa mety !

    ASAIVO MIVELY DABA NY ANKIZY

    ho firaisana amin’ny tolona manohitra ny HAT !!!

  6. O ry reto a, izany ve ny fitiavan-tanindrazana? Fahatsiarovana ny maty anie io andro io fa tsy hoe fety akory è. Zao vao milaza tsy anontaniana ny mpamosavy any @ tanàna. maninona raha @ fatin’ny Dadanareo sy mamanareo no mively zay tiana velesina. Miseho eto daholo ny habibiana sy ny adalana ary ny toetran’alika jiaby avy any anati’ala @ reto olon-dRa8 ireto. Miray tsikombskombs @ « osy mainty sy rameva avy tany Lybie nohafaran-dRa8 koa ireto. Sady ny fonja koa mbola malalaka ka tsara raha manao habibianan ao koa ny mpanakorontana

  7. 28 martsa 2011 androany… mba misy mahatadidy sy mahatsiaro izany daty izany ve ireto olona milaza azy ho tia tanindrazana sy be resaka ato ireto? Mba misy manome haja sy vonnahitra ho an’ilay olona tokana sy irery tamin’io daty io ve?
    Sa natao ho hajain’ny alika sy ny zanak’adala ary ny zanaka makorelina rehetra tahaka ny 29 martsa?

  8. Toutes les manifestations que le FATy envisagent d’organiser demain 29 mars 2011, ne seront que pures SACRILEGES vis-à-vis de ceux qui ont combattu le colonialisme ; et constituent de véritables injures et insultes, proférées envers le peuple !
    Même ceux qui avaient vécu les dures périodes de l’ère coloniale, n’ont jamais vu un tel système d’oppression !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *