Andranomena sy Ambatomena indray no fotoana !

Andraharo 10 Martsa 11
Andraharo 10 Martsa 11
Andraharo 10 Martsa 11

Tamin’ny fandraisam-pitenenana nataon’I Jean Louis RAKOTOAMBOA teny amin’ny kianjan’ny Magro androany dia nilaza izy fa  fongorona hatramin’ny fakany ny krizy, izany no tanjon’ ny ankolafy telo hoy hatrany ny tenany . Koa rehefa tonga ny fifidianana dia mahazo milatsaka izay milatsaka ary raha te handeha amin’izany i Andry dia arahabaina soa fa raha tsia dia miala izy.

 

Nanao tatitra momba ny fanaterana ilay atonta-taratasy teny amin’ny masoivoho ihany koa Rakotoamboa. Rahampitso dia eny Andranomena ary ny hariva dia any Ambatomena  no fotoana indray izay  hitenenana fa tsy mety ny fanohananareo mpanongam-panjakana, mila hery isika ka tongava daholo hoy ny filoha nasionalin’ny Teza

Kianja Magro 10 Martsa 11
Kianja Magro 10 Martsa 11

Ny Sekretera Jeneralin’ny antoko TIM, Mamy RAKOTOARIVELO  dia nanambara fa tsy ekena ny “feuille de routen’i Simao”  amin’izao fotoana izao ary fahalalam-pomba no nahatongavana tany. “Feuille de présence » no natao sonia ary tsy nanao rango-pohy izahay ankolafy  Ravalomanana. Mila ny fodian’ny filoha Ravalomanana maika isika hoy Rakotoarivelo. Nihaona tamin’i Simao izahay ary tsy nety nandray ny taratasy fangatahana izy raha tsy manao rango-pohy izahay. Aleo ny filoha Ravalomanana no manao  rangom-pohy raha mety izy. Ny sasany tia seza no maika hanao rango-pohy ka mihazakazaka, ny ankolafy telo kosa dia tsy maintsy mijoro, mitaky “conférence au sommet”  ny mpanao politika ambony ary tsy hisaraka isika raha tsy tratra ny tanjona.

4 pensées sur “Andranomena sy Ambatomena indray no fotoana !”

  1. Misaotra anareo any antanindrazana éééééé

    Aza adino ny gadra politika namantsika rehetra ry namana. Aza adino koa ireo nikarakaa ny radion’ny gasy. Nafindran’ny foza an Tsiafahy ireo omaly, fa na lavitra aza dia aza ré Tompoko oooooooooo.

  2. Mankahery hatrany satria tena mbola lavitra hezaka ity ady @ tsy ara-dalàna ity. Avondrony ny hery ary aoka tsy ho mora ho zarazaraina

  3. Aza MANAIKY ZARAzarain’ny vahiny miintsy ,ireto tsotsoka mitsabaka ny raharahmpirenena Malagasy sy Afrikana ! MAIKA hangalatra ny harempirenen’ny firenena madinika fotsiny nefa may vava milaza tsy mila an’ny Afrika ilay rangahy fohy kely io!!!

  4. Mapmé be le dremiseza alin mpitady seza sy mpivadika palitao fa nony injay nataon’i FETISON hoe: soava dia ianao sy ny feuille de route ny sima o dia sadaikatra

    beuh,miodikodina beuh! an§ an§ mbola afaka manampy nareo fa Ambava hihihihi angaha tsy efa nahazo 99,99% T@NY REFERENDUM RIDICULE TENA TOUTOU mivadika tsy tahotra tsy henatra !ty dremi SEZA ,MALHEUREUSEMENT LE RIDICULE NE TUE PAS !!!

    f’abagaha tsy enao ry dremi seza le hitan’ny olona tanaty 4*4 namono MALAGASY IRAY RA aminao ,zay mi rouler « R » OHATRA NY TAMBANIVOHITSA !any ampita any ange ka ny tamabawax no mi rouler « R »,ry faty mianakavy mi rouler R DAOLO !TAOLANA NY NIFY DIA MIHOMEHY NY TENA é!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *