Niavaka ity andro androany ity tamin’ny fankalazana ny andron’ny vehivavy, nandeha namboly hazo teny Amboambohangy Ambohimalaza (Imerinkasinina) ny antoko Tim notarihan’ny Sekretera Jeneraliny, Andriamatoa Mamy Rakotoarivelo. Na dia somary nangatsiaka aza ny toetr’andro dia tsy nahasakana ny hafanam-pon’ny zanak’i Dada izany. Tamin’izany no nidiran’ny filoham-pirenena Ravalomanana mivantana tamin’ny antso an-tariby nitondra ny fiarahabana hoan’ireo vehivavy Malagasy, nampahery sy nitondra fisaorana ihany koa ny vadin’ny filoha, Ramatoa Lalao Ravalomanana.
.
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:












Misaotra ééé!