Antso avo ho an’ny Pr Albert Zafy

Eo anatrehan’ny Fandehan-javatra nikasika iny fanaovana sonia teny Ivato CCI iny, dia mizara sy misavoritaka be ihany ny hevitry ny maro !
Nametraka fitokisana mafy avy amin’ny antso avo nataonao anefa ny saina ankehitriny, mikasika ny Hanangànana Governemanta – transition vaovao, ary hanalàna an’i Andry Rajoelina amin’ny Fitondràna, amin’ny alalàn’ny Fomba rehetra na inona na inona !

Izay politika na fomba hafa tokony handrodanana ny Fat dia tsy mazava tanteraka aminay vahoaka, fa ny mazava aminay, dia tsy ankasitrahanay amin’ny herinay rehetra io fitondràna Rajoelina io !

Noho izany, na inona fihetsikin’ireo Hetsika hafa rehetra (mouvances), na inona, dia ,

  • Manohana anao mandrakariva izahay, hanala io fitondràna Rajoelina io, izay tsy mikasa hafa tsy tombo-tsoa ho azy, eny fa na hatramin’ny famonoana olona sy fanagadràna olona tsy amin’antony aza, dia tanterahiny izany, ho voka-tsoa ho azy sy ireo mpiray tsikombakomba aminy.
  • Mazava ho azy fa sarotra dia sarotra ny hanatanterahana izany, anefa dia mino izahay vahoaka, fa raha misy mitarika anay ho amin’izany, dia mbola feno fanantenana ny maro aminay hanala ny FAT eo amin’ny Fitondràna !
  • Mety haharitra koa ny fanatanterahana izany, ary fantatra tsara, fa ny mikasika ny miaramila no isan’ny vain-dohan-draharaha tsy maintsy alamina, mba ho tanteraka izany!

Koa miangavy an-tanan-droa aminao izahay vahoaka, hanao fifampiraharahana amin’ireo manam-boninahitra miaramila, mba hiverenan’izy ireo ho eo ambanin’ny Fitantanam-bahoaka politika.
Manaraka izany koa, dia mbola miangavy anao ihany, mba hifandray amin’ireo Tantana politika izay manohana ny Fialan’ny Fitondràna FAT, toy ny

  • FRDL na Front Republicain et Democrate pour la Liberte
  • Ny MFM

Tsy mendrika ny hitarika ny Tany sy ny Fanjakana ny FAT tarihin’i Rajoelina, na mijery fotsiny ihany ireo andian-jiolahy, mpangalatra sy Mpamono olona eo ambanin’ny fifehezany fotsiny aza !
Koa miandry ny hevitrao sy ny hetsika ho tarihinao izahay vahoaka, fa mangetaheta fahafahana na ny lafiny fanjanahan-tany fotsiny aza no jerena eo anilan’ny fahoriam-bahoaka.
Mino sy mahatoky izahay, fa hitazonina hatrany ny tanjona tianao ho tratrarina ianao, dia ny fanalàna ny Tarik’i Rajoelina eo amin’ny Fitondràna amin’ny Fomba rehetra !

3 pensées sur “Antso avo ho an’ny Pr Albert Zafy”

  1. Miangavy ny prof Zafy Albert hanohy ny fitsidihana masoivoho vahiny rehetra mba hanazava azy ireo fa feuille de soutien no nosiniavin’ny solontena ny ankolafy Ravalomanana fa tsy ilay feuille de route akory.Noho izany tsy manan-kery ny feuille de route entin’i Simao.Ny GTT any ivelany dia tokony hampilaza ny instances onusiènnes fa tsy nanao sonia ireo avy ao amin’ny TIM.

  2. Aza omena tsiny aho raha mamerina ity Article ity mba ho vakiana indray mandeha, fa raha ny fijeriko dia miara-dia amin’ny Fanambaràna natoan’ny Ankolafy telo.


    Saingy tsy ampy ny fifampidinhina amin’ny Antoko politika hafa !

  3. Iangaviana mba Atambaro amin’ny Antoko manohana ny SEM Marc Ravalomanana ny antoko

    – MA.MI.FI
    – KA SAHIA

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *