Any amin’i Dada ny lakilen’ny fankatoavana iraisam-pirenena ! (+video Ravalomanana en direct à Magro)

Magro 28 Martsa 11

Magro 28 Martsa 11
Magro 28 Martsa 11
Samy nanamafy daholo ny mpandaha-teny rehetra teto amin’ny kianjan’ny Magro tamin’ity androany ity fa tsy hahazo fankatoavana izany io governemanta vao teraka io, « rehefa izy telo mirahalahy filoha teo aloha no manaiky izany dia ho azo ny fankatoavana iraisam-pirenena » hoy ny Printsy Elakovelo avy amin’ny ankolafy Ratsiraka .

Nanamafy izany moa ny fidirana tamin’ny antso an-tariby nataon’i filoha Ravalomanana ary nanambarany fa tsy misy atahorana na kely aza momba izany .Tsy hanaiky io ny SADC, tsy hahazo izany fankatoavana izany izy ireo raha tsy mifanaraka amiko hoy izy , tsy ara-dalana io governemanta vao najoro io satria tsy manara-penitra ny nanaovana azy, ny fanendrena ny Praiministra izay ambara fa marimaritra iraisana kanefa mbola « unilateral » hatrany noho izany dia tsy ekeko io governemanta io.

Momba ireo mpivadika palitao niditra ao amin’ny governemanta io dia notsipahiny fa tsy nanome alalana n’iza n’iza momba izany ny tenany,  » ireo olona nandeha tany dia tsy manaraka ny baiko izay omeko, raha misy milaza fa avy aty amin’ny ankolafy Ravalomanana dia lainga izany ary efa mahalala izany daholo ny firenen-drehetra ». Ianareo no aoka hijery izay tokony hanaovana ireo mpamadika palitao hoy ny namaranany ny kabariny.

Hatreto izany dia any amin’i Dada ny lakilen’ny fankatoavana iraisam-pirenena, rehefa izy no miteny hoe tsy mahazo io dia tsy mahazo izay.Mila manaiky an’i « Ramose » aloha ny FAT satria efa be izay fampanantenana nataon’ny FAT hahazoana fankatoavana izay fa mbola « gisa mainty » ho azy hatreto.
.

2 pensées sur “Any amin’i Dada ny lakilen’ny fankatoavana iraisam-pirenena ! (+video Ravalomanana en direct à Magro)”

  1. Misaotra ééééééééééééé.

    Matory be ilay hetsika sy vahoaka dada a!
    Mila injection de vitamine mihintsy.

  2. Misaotra betsaka Atoa Filoha a! Tena mahatoky anao izahay e!
    Ary efa fantatray fa tsy ahazo fankatoavana mihitsy ireo mamba vola sy seza ireo!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *