Avoahay ny gadra politika rehetra, aleo hiverina ny sesin-tany politika hoy ny vehivavy sy ny tanora TIM

Vehivavy TIM
Vehivavy TIM
Vehivavy TIM

Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, io tolak’andro io, tetsy amin’ny foibe toerana misy azy tetsy Bel’Air, ny vehivavy Tiako i Madagasikara sy ny Tanora Tiako i Madagasikara ary mitaky tsy misy fepetra ny famoahana an’Atoa Mamy Rakotoarivelo sy ireo mpiara-miasa aminy ary ireo gadra politika rehetra na sivily na miaramila mbola notanana am-ponja hatramin’izao fotoana izao.

Aleo hiverina an-tanindrazana tsy misy fepetra ihany koa ireo sesin-tany politika hoy izy ireo.

Izany no takiana hoy hatrany ireto Tim tena izy ireto dia hamahana ny fototry ny krizy lalim-paka misy eto Madagasikara.

fanambarana
fanambarana

Marihana fa nifanindry tamin’io tafa fohy nifanaovana tamin’ny mpanao gazety io dia nivoaka niseho indray ireo misandoka anarana ho Tanora TIM tarihan’i Rakotovao Vyvato Rakotomaditra izay manantena fatratra ho lasa ministra ao amin’ny governemantan’i Vital rahampitso.Akaiky ity ny fankalazana ny maherifon’ny firenena 29 Marsta, aiza ho aiza ré raha mbola velona teo i Rakotovao Martin, isan’ireo mpitaritolona tia tanindrazana niady hialan’ny Frantsay teto, rain’ity zaza maditra ity e ?..

.

Jereo eto koa ny sary Photos Tanora sy Vahivavy TIM 25/03/2011 (1/2).
Jereo eto koa ny sary Photos Tanora sy Vahivavy TIM 25/03/2011 (2/2).

.

 

1 pensée sur “Avoahay ny gadra politika rehetra, aleo hiverina ny sesin-tany politika hoy ny vehivavy sy ny tanora TIM”

  1. Misaotra anareo renim-pianakaviana MENDRIKA sy tanora VANONA.

    Samia mijery ny tavan-tsoavalin’ireo vehivahy natao minisitry ny HAT vao navoakany androany!

    Arak’izany anarany hoe: HAT, dia mbola tsy any mihintsy ny tena grand « T » (Transition tout court, SANS LES MOTS haute ni autorité)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *