Aza hadino ny Radion’ny Gasy !

Ny zavatra nitranga tato ato dia hita fa miverina indray ireo fahamaizanan-tsainan’ny F.A.T. rehafa tsy raikitra ilay sori-dalana manome fahefana feno ny mpandroba fa sori-dalana manome lanja ny fiaraha-mitanana no ho tanateraka, dia avy hatrany dia manao sinema ny F.A.T milaza fa nisy nitady hamono ilay mpanogam-panjakana.

Tsy hisy alahelo @izany anefa na kely akory aza, fa olon-dratsy tahaka ireny, izay namono olona sy nangalatra no ho F.A.T –n’ny baomba. Ny zava-hita nefa dia sinema daholo ireny fa ala-olona hanenjehina ny mpanohana ny ara-dalàna fotsiny.

Hita sy mibaribary izao fa tsy mitsahatra ny voa-jenika ny mpanohana ny ara-dalàna, tahaka ireny tany  Antsirabe ireny.  Indrindra moa fa ireo mpanao gazety ao @ Radion’ny Gasy.

Tokony tsy ho hadinona ireo satria tena mpitolona ho @ rariny satria nanome ny vaovao tena marina. Nantsoin’ireo mpanogam-mpanjakana hoy toy ny “radio pirate”ry zareo  satria tsy nahazo ary tsy ahazo velively fahazoan-dalana avy @ ireo mpandroba fahefana.

Efa ela no nohejihina ny Radion’ny Gasy , ary tadidintsika ireny tantara be nikaroana azy tao @ tranon’ny filolaham-pirenena eny Faravohitra. Nataon-dry lilyson sy ny forongony haza-lambo mihitsy ry zareo , kanefa nohon’ny fahamarinana sy ny tolona dia nijoro, ary fantatr’izy ireo ny ahazo azy raha toa ka voasambotra  ry zareo. Ka aoka isika mpanohana ny ara-dalàna tsy hanadino ny Radio-Gasy velively.

T@ ity raharaha ity indrindra no naniratsira ny mpitsara ny mpandroba fahefana ary nisamborany mpisolovavan’ny Radion’ny Gasy.

Hiaraka hijoro isika aorian’ny Radio gasy,  hiaraka hijoro isika aorian’ireo mpitsara izay mijoro @ lalàna izay tsy noraharahian’ny F.A.T hatr@ volahany.

Ny Radion’ny Gasy dia radio legaliste.ary mpitolona mahery fo ho @ fahamarianana ry zareo ka aoka tsy ataontsika ambanin-javatra. Voasambotra ry zareo izao ary mandalo fijaliana no tsy nisy heloka natao fa nanao ny asa @ maha-mpanao gazety azy.

Tsaroantsika ny fanakatonana sy fampidirana am-pojna ny Radio Mada sy ny Radio Fahazavana ary mbola maro koa ireo voakasika izany tahakan’ny frequence plus sy ireo Radio maro 96 nakatona.

Ny fahadisoana be mohopapana no nataon’yn F.A.T nanakatona ny RADION’GASY satria izy irery no sahy nijoro t@ fahamariana nefa dia niharan’ny herisetra sy ny jadona indray . Ka sarotra @ vahoaka ny handino izany. Izao fanenjehana sy fanimbana fiainan’olona izao dia tsy maintsy hiverina @ F.A.T. na tiany na tsy tiany.

Ny vahoaka no mahita fa haza-lambo no natao t@ Radion’ny Gasy ary miaramila mirongo fiadiana no nandrava sy nisambotra azy. Ny tompon’andraikitra @ ireny moa dia i augustin andrimananoro sy I lilyson rene izay tsy maihtsy hiatrika ny vahoaka rehefa ho avy ilay fotoana ary tsy hisy ho hadino na kely  akory azan y habibiana nataon’izy ireo satria ho tsaraina aminy.

Ka aoka hijoro tsy hanadino velively ny mpanAo gazetin’ny RADIO’ny GASY isika.

TAPENAN-BAVA NYT VAHOAKA KA TSY MAINTSY HITROATRA

4 pensées sur “Aza hadino ny Radion’ny Gasy !”

  1. Misaotra mahatsiaro azy ireo fa sady efa nanao io famoahanana vaovao maimaipoana, tsy natory andro amanalina milofo fatratra, manaparitaka vaovao marina izay afenin’ny foza alikaboryrambo devoly be.

    Mankahery anareo izahay aty, fa na dia lavitra aza tsy manadino anareo.
    Ne izany aza dia mitohy ny tolona. Dada ihany no antsika.

  2. Sady maro @ntsika no tsy nahalala akory ny Radion’ny gasy nefa tena ny ain-dry zareo mihitsy no natolo. ireo no tena legaliste lavitry ny fitadiavan-tseza.
    Tsara koa ny manamarika eto fa i Fetison dia mitady handravina ny teny ivato sy ny teny Ivandry ary i Mamy Rakotoarivelo dia mbola hihaona @ UDR ka ohatry ny misaraka @ lalan’ny ankolafy telo izany . Aoka iay ilay MOLLASON fa tena mamono olona. Aleo hitsagana ilay rafitra tetezamitan’ny ankolafy telo.

  3. Toy izao no mahatonga ny olona tsy sahy tena mirotsaka ao amin ny tolona satria, aiza moa izao no mba mpiaro ireo olona nogadraina na ireo mpitolona na ireo mpanao gazety?
    Toa zary lasa resaka fotsiny ny figadran’izy ireo fa tsy misy mba misaina ny fanaintainan’ireo na iray aza.
    Na ny mpitarika aza mialangalana, sa olona nokaramain’ny FAT ireo hanao radio pirate?
    Mba mijoroa isika ho sahy manohana sy manohitra ny jadona indrindra ireto mpitarika sasany kanosa mihevitra ny hamaha ny olana mora foana.

    TU PEUX JAMAIS NEGOCIER AVEC LE MAL, MEME S’IL ACCEPTE IL OBTIENDRA TOUJOURS LA GROSSE PART ET POUR TOI LA MIETTE.

  4. Tena ontsa dia ontsa ny fo,anefa moa hoy ilay hira izay hoe « tsy vitan-dranomaso… »ka dia ny mivavaka no azonay atao lavim-ponenana ho azy ireo ! Nankafy tokoa ny famakafakana nataon’ny radion’ny gasy ny tena et « cette radio nous manque énormément »
    Fa hono hoa:mba manana mpisolovava ve izay ireo ?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *