Badolahy i Yves Aimé ?

Villa Elisabeth 12 Martsa 11
Villa Elisabeth 12 Martsa 11
Villa Elisabeth 12 Martsa 11

Vory lanina teo amin’ny tokontanin’ny Villa Elisabeth indray ny ankolafy Madagasikara omaly, nahitana ireo mpitarika politika isan-tsokajiny, notarihan’i Pr Zafy Albert.

 

Samy nanambara ny tsy fankatoavana ilay tondro zotran’i Dr Simao amin’ny endriny natao rango-pohy iny avokoa ireo mpandahateny rehetra. I Rev Satrobory dia nitondra fisaorana ny filoha Zafy Albert mivady nampian-trano ny hetsika. Nanao tatitra ny momba ilay fanaterana antotan-taratasy teny amin’ny Masoivoho vahiny nataon’ny mpitarika sy ny vahoaka i Manoro Regis. Hevi-dehibe roa no natolotray azy ireo, ny tsy fanekena sy ny tsy mampitombina ilay tondro zotra nataon’i Simao ary ny fangatahana ny hisian’ny fihaonana an-tampony eo amin’ny ankolafy rehetra hamahana ny krizy ary izany dia tokony hatao eto Madagasikara.

I Mamy Rakotoarivelo kosa indray dia namaly an’i Yves Aimé Rakotoarison, « taratasy ho mariky ny fahatongavana fotsiny ihany iny natao rango-pohy  teny Ivato iny, matoa rango-pohy indray mandeha no natao fa tsy rango-pohy maromaro », olona bado tsy mahalala ny dikan’ny sonia nataony i Mémé hoy izy. Tsy mahasolo tena ny ankolafy Ravalomanana ireo hoy izy fa mitady seza fotsiny ihany, mahakasika ilay filazana fa ny 2/3 no nanara-dia an’i Yves Aimé dia notsipahiny marindrano izany, « Izahay ireto izany inona? hoy izy sady nampitsangana ireo mpitarika ny ankolafy Ravalomanana tonga teny an-toerana izy.

Marihana moa fa mbola hitohy amin’ity herin’andro ity ny fanaterana taratasy eny amin’ny Masoivoho vahiny samihafa ka ny rahampitso Alatsinainy dia ny ambasadin’i Inde sy ambasadin’i Maorisy no hanaterana izany.

Fanampiny – Sary

Photos Villa Elizabeth 12/03/2011 (1/4)
Photos Villa Elizabeth 12/03/2011 (2/4)
Photos Villa Elizabeth 12/03/2011 (3/4)
Photos Villa Elizabeth 12/03/2011 (4/4)

29 pensées sur “Badolahy i Yves Aimé ?”

  1. Asa na mba inona no eritreretin’ilay tavafotsy bobo Mémé iny an’ireo olona izay tonga maro eny @Magro eny foana!
    Izaho aloha dia efa ela no nahatsikaritra ny maha-hafahafa ny fihetsik’ilay bobo iny e!.. Tsy dia hita firy, kay lasa nisolelaka koa ny v..din’i andry RADOMELINA!
    Dia mba ahoana koa ry Dr Hery RAKELISAINA!… Tena olona tsy misaina fa dia tsy mendrika azy akory ny anarany!
    Raha mana-kambo ianareo nania ireo, dia araho ny tenin’i Dada: aza ny anarany no antsointsoina fa mamorona antoko hafa: MATIKAMBO KANEFA TSY MAHASARIK’OLONA AKORY!

  2. Tondro zotra mitovy amin’ny hoe soridalàna ihany koa ê!

    Nisy fotoana be ny mametra-panontaniana hoe ‘aiza i Yves Aimé’
    Ny zavatra tsapa tamin’ny ankolafy Ra8 nankeny Ivato, dia toa hita soritra teny amin’ingahy Y.A. io ny fandehan’olona entim-po na koa sosotra toa ny avy nifanditra?

    Koa rehefa io no mitranga, ampian’ny hoe ‘tsy resy lahatry ny maro an’isa mpiray trano aminy’,
    dia azon’ny jiolahimboto lalaovina : badolahy zany i Yves Aimé.

    (TSOTR’IZAO.
    Mbola nanampy trotraka nampivandravandra izany indray ilay fanalàna ambava kisary fanasana azy hitafa avy tamin-dramatoa Onitiana Realy!)

  3. Soa ihany fa lasa ireny, misaotra an’Andriamanitra fa mampatsiahy an’i Gideona ity, telonjato lahy sisa no tavela tamin’ny amanaliny? Na ho any izy tsy misy ny olana fa afaka manangana olona vaovao ny Tompo

  4. Tena Badolahy tsy ampy fisainana mihitsy aloha ra iny Yves Aime’ iny ary fantatro tsara. Ny Dr Raharisaina dia hita fa manao polifika fa matahotra ny ho voasambotra t@ ny afera Radion’ny Gasy dia nanaraka tao. i Rajo moa dia efa fantatra hatr@ elefa fa te ahazo toerana ka nanakorotana ny MA.MI.FI. i aina dia nitarika ny MATITA ary nanao engagement hiditra @ politika fa haka toerana hono… Tsy notonotoniko @ tsy misy dikany ireo anarana ireo fa fantr’ireo izay tena mahalala azy tokoa.
    Vola, toerana, voninahitra.. izany no fanaon’ny ambany saina rehefa hanao politika…

  5. Tsy bado izany i Yves Aimé fa tena farany matsilo. Fantany fa mihatery ny lalana izoran’ny ankolafy telo raha nivoaka ny tondrozotran’ny fanelanelanana iraisam-pirenena notarihan’i Simao ka naleony nanapa-kevitra sao tara loatra.
    Fantatrareo ve fa roa taona lasa izay raha mbola hita nahazo vahana ny hetsika notarihan’i Andry TGV teny @ 13 Mai, dia nihazo an-Antananarivo Ingahy Yves Aimé mba hihaona sy hitady fiaraha-miasa t@ Andry. Saingy, noho ny sakana (verrouillage) nataon’ny manodidina an’i Andry tamin’izany dia tsy tanteraka mihitsy izany fikasana izany. Tamin’izany fotoana izany indrindra no niantsoan’i Pdt Ravalomanana an’i Yves Aimé ka ireny nahatonga azy nikabary teny @ kianjaben’i Mahamasina ireny. Nanomboka teo dia niverina niaraka t@ Ravalomanana indray ity mpanao politika fetsilahy ity, izay tsiahivina koa fa anisan’ny nampihena be ny vaton’ny TIM t@ fifidianana solombavam-bahoaka farany noho ny teny navoakany feno fireharehana ka nanafintohina ny olona tany @ faritra Anosy iny.
    Vava moa no hamidy rehefa manao politika, ary hananan’ingahy io raha izay ka aza gaga isika. Ary tsy i Yves Aimé irery fa maro ireo milaza azy ho mpanao politika izay manaraka ny fitsokan’ny rivotra fotsiny fa tsy manana hevitra matotra sy mazava.

  6. Tsy sanatria omby na kisoa eny amin’ny abattoir ny vahoaka malagasy, ka terena hiditra ao anatin’ity tondro-zotra na sori-dalana mitondra any amin’ny fahafatesana ity !
    Efa fantatra izao ve fa tsy hamokatra, tsy hitondra vokan-tsoa ho an’ny mpiray tanindrazana, dia mbola hiniana atao ihany ?

  7. Tondro-zotra na sori-dalana hivoahana amin’ny krizy iny natao sonia iny, fa tsy sanatria hitondra fahafatesana, araka ny voalazan’i Kintanamanandrambo akory.
    Inona no hita ao :
    – Entanina ny rehetra hiditra ao anatin’ny rafitry ny tetezamita, ary ao anatin’izany rafitra izany no hiaraka hitady vahaolana maharitra
    – tsy ny mouvances efatra ihany no manana hevitra hampandrosoana an’i Madagasikara, fa misy hery be dia be hafa, ary ireny hery hafa ireny nonantsoina hiditra ao anatin’ny tetezamita :(tarik’Atoa Rajaonarivelo Pierrot, tarik’ Atoa Monja Roindefo, tarik’Atoa José Vianney, tarik’Atoa Tehindrazanarivelo, tarik’Atoa Lecacheur, tariky ny HPM, tarik’Atoa Voninahitse ao amin’ny les AS, tariky ny Escopol, sns ; ireny rehetra ireny dia tsy voasolo tena tao anatin’ny mouvance efatra, tafiditra ao anatin’ilay feuille de route izao.
    – voalaza ao fa rehefa tanteraka ny « environnement politique et sécuritaire favorables » dia mahazo miverina Atoa Ravalomanana. Anjarantsika izany ny miaraka manorina io environnement politique et sécuritaire favorables izany. Tsy misy teny mihitsy ao milaza fa tsy mahazo milatsaka hofidina Atoa Ravalomanana.
    – ho azo ny fankatoavana iraisam-pirenena, rehefa tanteraka ny voalazan’ny tondrozotra
    – hiverina ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa amin’ny communauté internationale.

    Heveriko fa lalana tsara mivoaka amin’ny krizy daholo izany rehetra izany.

  8. Tariky ny foza rehetra izany !!!!
    Tsy paiso mihintsy izahay ka hino sy hanaiky ny praomesin’i domelina ! Efa nahita ny vokany ny vahoaka malagasy !
    Ny tariky ny mpanendaka sy ny mpangalatra bois de rose adinonareo !
    MDR !!

  9. Tsisy afa tsy ny FIDINANA ANDALAMBE IHANY NO MANALA IO DOMELINA IO FA AOKA MBA TSY HO LALAOVINY LAVA EO FA POTIKA NY FIRENENA é! akoho tsy naneno ohatr’izay lanin’ny kary !!!
    Aleo izy hitifitra raha sahy dia hasaina miditra ny tafika Amerikana SY ANGLISY fa ireo pays ireo matahotra an’Andriamanitra ny mpitondra ka tsy tia mandatsa-drà !!!
    Ny ambony fandaniampotona raha ity ra8 hitodika amin’OUA ,vidin’ny tsostsoka na omeny tany misy safira otran’i Si MA O FOTSINY NY MPANELANELAN SURTOUT TSY MPISOLELAKA VAZAHA OTRANDRY Wade no hantenaina hamaha olana eto ,jereo ny nanaovany an’ny gtt nanoraka2 andradomelina tany sonagaly,harovany tgv satria any aminy izy dia manaiky ny hatao hoe :frantsafrika ,fitaovan’ny tsotsoka ireny fa aleo firenena ngezabe ihany no hianteherana .

  10. Zo> Tsy ny mouvances efatra ihany !IREO AZA EFA BE DIA BE IREO IZAY NANAO SONIA TANY Maputo ihany fa tsy izay mitady seza rehetra io ,ny mpanogana

    panjakana rajoelina efa anaty ireo olona rehetra tanisainao reo ,izy no solotenan’ireo olona rehetra tanisainao ireo ,koa raha tsy kilalao izy ty koa izay mitomany vedette mpitady seza rehetra io hampidirina daolo ,tsy ny mpivarotra anana sy voatabia aza no tokony hampidirana fa tsy izay sola rehetra ny efa NILETRA sy nitavana ny volampanjakana ireo rehetra io !!!
    OLona tokony hiditra amponja rehetra io tadiavinao hano sonia daolo koa !
    Tsisy AFATSY Ny fidinana andalambe ihany no manala io fitondrana fanjanahantany io fa ny sisa RESABE SY FANADANIANANDRO fotsiny mba hipetrahndrajoelina ami fanjakana nagalarina ,enga anie ka ho tonga saina amizany reo zay mihevitra hitady vahaolana ,tsisy afa tsy ny » SOULEVEMENT POPULAIRE » no hanafaka antsika amizao krizy izao !

  11. Un des post censurés par le pseudo »modérateur » du forum tim.org

    >>>>>>>>>>>>>>
    12 mars 13:19, par N.R. (#2958)

    La communauté internationale par le biais de la SDAC s’est finalement rendue compte que Ravalomanana n’était qu’un menteur et habile comédien. Monsieur SIMAO, l’émissaire et médiateur a été envoyé sur le terrain pour constater la réalité : la tendance politique et l’opinion de la population. Il est alors évident que cette réalité n’a rien à voir à ce que raconte Marc Ravalomanana et des internautes inconditionnels acquis à sa cause, car le mouvement d’opposition est limité dans une propriété privé de la capitale, appartenant au président déchu. AIlleurs : RIEN !!! dans les provinces RIIIEEEEENNNN !!!
    Le reférendum du 19/11/2010 n’est que le reflet de cette réalité avec l’adhésion d’une grande majorité des électeurs, malgré l’objection des 3 anciens présidents et la réticence de la CI. Mais le peuple s’est prononcé pour tourner la page. La feuille de route de la SDAC s’est donc inspirée de cette nouvelle constitution VOILA LA REALITE !

    Lorsque vous évoquez la puissance nuisible de ra8, OUI il l’ETAIT avec l’argent qu’il a volé et surtout ses mensonges qui ont faussé le jugement de la CI.
    OUI il était puissant car il a réussi à convaincre la CI de tout bloquer afin pour pouvoir affirmer par la suite que Andry RAJOELINA est un incompétant etc…

    Mais voyez vous, si Andry RAJOELINA est toujours là contre le « monde entier » c’est que le peuple est avec lui pour démontrer au monde entier qu’il est maître de son destin.

    Envoyé par: bila (Adresse IP journalisée)
    Date: sam 12 mars 2011 09:52:33
    >>>>> Marc Ravalomanana devient de plus en plus exclusif dans sa mouvance

    Rehefa jerena ny fizotran’ny tantara dia toa de plus en plus exclusif i Ravalomanana dans sa mouvance fa i Rajoelina kosa de plus en plus inclusif dans la sienne .Ca saute tellement aux yeux !!! c’est une évolution qui n’est pas en faveur de Ravalomanana !!!

  12. Na ho lany rora eo aza ianareo ra- ZO & NR hanaratsy an-dRA8,
    izao fotsiny: matahotra azy ten’isany matoa manao izao fihetsika FAMEHEZANA NY OPPOSITION IZAO ry mpamono olona, mpamarotra tanindrazana, mpisoloky, … jiolahim-boto lahy sy vavy isany

  13. NR….N’est Rien ?
    Tsy mahagaga raha ts’isy dikany ny zavatra soratany !
    Io indrindra anefa izao no nanohana an’i Pdt Ravalomanana t@ 2002 kinanjo diso paika satria ts’isy intsony ny tsolotra madinidinika fa nataon’ni BIANCO levona dia izao manaratsy izao !
    Ndeha any @ tgv misolelaka sao mba avelany manasa ny pneux ny tômobili’i Mialy ary lazao i Zanô Maimbozafy hanokatra forum ao @ madagate, dia any samia manasoasoa ny mpanongampajakana ! efa kely koa sisa dia ho vita ny mpanohana sy mpamatsy vola (i Sarkôpotaka io) ny prézidà soloky nareo ! hihihi

  14. NR!la feuille de route n’a pas encore été discutée par le sadc et la CI.Donc elle n’est pas validée.Quel peuple s’est prononcé?Dans les provinces,les habitants ne sont pas au courant de la situation faute de réseau d’informations (instrument politique aux mains de Radomelina)mais ils ne sont pas pour autant acquis à la cause de TGV qui n’effectue pas souvent des déplacements en provinces.Actuellement, la pauvreté gagne du terrain et la famine guette dans certaines régions.Mais le pire c’est que Radomelina a encore le culot d’accorder 99% des revenus pétroliers aux étrangers.

  15. Misaotra an’i NR amin’ny fandinihana nataony.
    Mampazava tsara ny fiovan-kevitry ny Communauté internationale io fandinihana nataonao io.
    Nanamafy io koa angamba ny fihetseham-bahoaka tany Tunisie sy ireo firenena arabo, ka nahatsapan’ny communauté internationale fa zon’ny vahoaka ny manaisotra ny mpitondra jadona eo aminy.

  16. Rehefa tsy hitory i Ravalomanana, izahay no hanangana collectif, hitory an’i Simao sy ny akaolitany pour DELIT DE CHANTAGE ET EXTORSION !!!!!
    En droit pénal français, l’EXTORSION est un DELIT dont l’incrimination se trouve à l’article 352-1 du Code pénal français.
    Il s’agit du « fait d’obtenir par violence, menace de violences ou contrainte de signature, un ENGAGEMENT, UNE RENONCIATION, la révélation d’un secret ou la remise de fonds, de valeurs ou d’un bien quelconque ».
    Le DR Simao est payé pour servir de MEDIATEUR, et non pour JOUER AU MAÎTRE-CHANTEUR !
    Dans une médiation, il n’y a pas de place pour les menaces et contraintes, ni autre chantage !
    Une médiation doit se faire dans un cadre neutre, au sein duquel une atmosphère sereine est nécessaire, loin de toutes agitations et pressions !
    Si le Simao montre des signes d’incompétence pour jouer ce rôle de médiateur, il faut le dégager ! Il ne faut pas le payer pour passer uniquement de « bons moments » à Madagascar, à admirer et jouer avec les oiseaux des îles !

  17. Omany ny fifidianana e !
    Izy ihany no ahafahantsika mahafantatra marina izay tena hevitry ny vahoaka. Samy mahay miresaka sy mifanasa vangy daholo, fa aleo ny vahoaka no hiteny.
    Efa nanomboka niteny aloha ny vahoaka tamin’ny 17 novembre 2009. Efa nekeny tamin’izany ny itondran’Atoa Andry Rajoelina ny tetezamita.
    Ny momba an’Atoa Ravalomanana dia izao : ilay tondro zotra nataon’Ingahy Simao dia milaza fa azo heverina ny fiverenan’Atoa Ravalomanana « après l’instauration d’un climat politique et sécuritaire favorable ». Ndao hiara-miasa isika hahatanteraka izay climat favorable izay. Atsaharo ny ompa sy ny teny ratsy : raha ny fahaizana manompa sy miteny ratsy aloha no hitsarana ny maha marim-pototra ny hevitry ny tena dia azo antoka fa tena marim-pototra tokoa ny hevitry ny mpomba an’Atoa Ravalomanana.
    Ny momba ny inclusivité sy ny consensualité, dia mihariahry izao fa miha inclusive sy consensuel hatrany ny mpmba an’Atoa Andry Rajoelina ary mihena an-toerana miha exclusif sy non consensuel hatrany ny mpomba an’Atoa Ravalomanana.

  18. O ry ZO sy ny FANJAKA sy ry NR ary ny FATin’alika rehetra:
    f’angaha rehefa i Yves no manara-drenirano
    dia i Mamy sy ny RAKOTO rehetra izao no hanjehina atao izay idirany any Tsiafahy noho
    ny resaka manif sy baomba izay itan’isany ihany no mamorona azy?

    Oadray marina: i Lalitera efa any aza hono nefa toa nitadiavina hirika ihany koa
    rehefa hitan’i Camille fa mifototra any aminy ny riaka!

  19. Aiza re izany ra-ZO sy NR ary ny FANJAKAN’NY FATin’alik’ê!

    Ary ahoana ireny Alain Ramarosaona nitanjozotra nankeny ambohitra niaraka tamin’ny bandidos navoakan’ny amboa avy tany Tsiafahy ireny,

    Feno fahendrena ny vahoaka malagasy nefa dia mbola ireny : santionan-jiolahy toa ny mananibohitra ireny no aroso eo ambany masony

    AZA AFOTOTRA ATY AMINAY NY VONO OLONA, SY NY HABIBIANA REHETRA VITA, sy mbola mitohy mandrak’ankehitriny

  20. TSY MISY ary (aza manonofy atoandro) TSY HISY FILAMINANA eto

    raha mbola BASY sy fisamborana ary lainga no arangaranga sy afafy isa-minitra lava izao etsy sy eroa.

    Ianareo no matahotra fadiranovana an-dRa8.

  21. 17 novembre inona ? Consultation pour se mettre des flouzes dans la poche ?
    Consultation non reconnue par la communauté internationale !
    Izany ve no fahaizanareo mandinika ?
    Efa nosoratako teto, raha 1 ny heloka lazainareo fa nataon’i Ravalomanana ( tsy misy izay tsy ho diso izay mandia an’ity tany ity ), ny vitanareo hatramin’ny NOVEMBRE 2008, dia 1 000 0000 !
    Tsy fanasàna vangy izany, fa tena atao hoe REALISME SY OBJECTIVITE !!!
    Ho antsika mpitolona !
    Hoy ilay olona mpahay lalàna izay omaly, raha nisy fivoriana momban’ny Fitsaràna :
    « Toute retraite aux regards de causes justes, est un aveu d’échec ; il faut être fermes face aux critiques  » ! R. Badinter
    Somary ampiako kely amin’ilay hoe : La vraie justice finira toujours par triompher !

  22. HoAiza,
    Mahatsikaiky raha resaka baomba sy ny karazany ihany, no resahina !
    Sary roa sa telo SAMIHAFA no navaokan’ny mpanao gazety, ka asa iza no nanome baiko hoe : Ataovy tahak’izao ny fipetrak’ilay vato, fa sao dia lazain’ny olona hoe lainga !
    Na amboarina tahaky ny inona aza ilay izy dia efa mazava fa lainga marivo fototra !!!
    MDR !!!!!!!
    Ô ry foza tsy misy ati-doha ! Raha dynamite no tao ambanin’ilay vato, efa nanidina tsy hita teo, na vato na inona !! Kely toy ny pitipoà mihintsy raha ny ao anaty lohanareo ao ! Ny sasany aza mbola nahavita nilaza hoe : Na ny ahitra nanafenan’azy aza mbola hita teo !!!
    Venà, tsy misy toy izany !!!

  23. Lu dans un quotidien malgache :
    Diaspora en France
    « Le collectif des ressortissants malgaches en France, issus des six ex-provinces soutient le Général Camille Vital pour la nomination du Premier Ministre de consensus.
    …….
    Sa reconduction pourrait faciliter l’acquisition de la reconnaissance internationale ».

    Voalohany. Iza indray ireo mpisandoka ireo ? Roa taona izay ny krizy, tsy mba re sy hita atramin’izay kanefa milaza fa tia tanindrazana, sa ny reconnaissance internationale fotsiny no tadiavina ?
    Io Collectif sandoka io ve, tsy ry zareo « Tsimialonjafy » loharanon’ny krizy ihany ?
    Faharoa. Collectif des ressortissants malgaches en France hono no anarana entina ; Matoa ry zareo mba aty Frantsa, dia mba tokony olona nandia fianarana fa tsy badraodra sy venà be. Tsy mahay mamaky teny ve ireo olona ireo ? Satria mifandika be amin’ity feuille de route-n’i Simao, izay tsy misy valeur ity, no zavatra angatahiny !
    Sa rehefa sans qualité ny mpitondra potsista, dia tsy mahamenatra intsony ny miteniteny foana ?
    Olona mba nianatra ve dia manaiky ny fisian’izany fanonganam-panjakàna izany ?
    Nianatra ve, dia manantena fa hoe hanome « reconnaissance » an’io governemanta tsy misy dikany io, ny Communauté internationale ?
    Very ny firenena raha olona toa izao no milaza fa solotenan’ny malagasy ao Frantsa !!!

  24. Tsy aleo ve dia lazaina eto ho aingana e !!!

    Ho an’i tsivanona mamorina izany vaovao izany dia izao no izy :


    Izahay Diaspora eto France, ary manerana an’i France iray manotolo dia ;

    – Manohana ny Prezida Ravalomanana tsy misy fetrany
    – Mistispaka ny Fitondran Hat amin’ny hery sainay rehetra
    – Miapanga ny HAT ho manao Didy Jadona, hampahoriana ny vahoaka tsy mandady arona !
    – Mitaky Fiverenan’i Prezida Marc Ravalomanana
    – Mitaky ny Ara-dalana
    – Mitaky ny famoahana ireo Gadra Politika rehtra tsy an-kanavaka
    – Mitaky ny famoahana ireo andiana Miramila migadra tsy amin’ny rainy
    – Mitaky ny Fialàn’i TGV amin’ny Fitondràna

  25. Mitady hevitra mafy ry zo et compagnie hanaovana raisonnement n’adala eto, kanefa tsy adala toa azy ny vahoaka, ilay noteneninao tamin’ny 17 novembre dia fifidianana kara pokontany dikan’izany tsy mitombina, faharoa ny olona nanao azy dia tsy voafidimbahoaka fa mpanongampanjakana, ben’ny tanan’Antananrivo angamba, fa tsy ho filohanay malagasy rehetra mihintsy satria mihosondra ny tanany tamin’ny fiakarany teo.
    Ary mahagaga ihany anie ilay radomelina anareo e! talohaloha tany toa hoe: mila mody eto madagasikara i Ravalomanana hamaly ny fiampangana azy, dia namoka didy sandoka ry razanakisoa fampisamborana azy. Rahafa hoe hody anefa izy tamin’ny fevrier teo dia mihidy vody daholo ny FAT sy ny ekipany, ka nosakanana ny fodiany. ODOIE!!!! olona mananjo hody eto antanindrazana ny malagasy rehetra ry zo sandoka a!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *