Fahamarinana ve ny tsy famelana ny onjam-peo hafa hiasa kanefa misy onjam-peo avela hiteny izay tiany tenenina na dia manompa aza ?

Antsahamanitra-HMF-12 Martsa 11
Antsahamanitra-HMF-12 Martsa 11
Antsahamanitra-HMF-12 Martsa 11

Nanao fotoam-pivavahana lehibe hoan’ny firenena ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana omaly tetsy Antsahamanitra. Ankoatra ny vahoakan’Andriamanitra maro tonga nitrotro am-bavaka teo, dia hita teny an-toerana ihany koa ireo mpitarika politika toa ny Pr Zafy Albert, Fetison Rakoto Andrianirina sy ireo maro tsy voatanisa.

Toy ny mahazatra dia nandefa hafatra hoan’ny firenena ireo mpitondra fivavahana ao anatin’ity HMF : manoloana ny toe-draharaham-pirenena izao dia ny fanarahana ny fahamarinana ihany no ivoahana amin’ny krizy hoy izy ireo, « Ny marina dia marina ihany no harahinao mba ho velona hianao » (Deot.16/20a). Raiso ny andraikitrao hoy ny HMF fa aza miandry ny hafa ho tia ny firenenao sy hijery ny taranaka.
Nanao atso avo hoan’ireo tompon’andraikitra mahefa samihafa ihany koa ry zareo : aza am-pijaliana ny vahoaka ka hanaovana herim-pamoretana mba tsy hiteny, sy hanaovana sangodim-panina politika lava izao. Aza mitazam-potsiny ny fahoriana sy sy ny tsy fahamarinana ianareo mpiandry ondry rehetra na ny mpitondra fivavahana na mpitarika politika hoy ny HMF.

Tao anaton’ireo teny fampieritreretana nataon’ny HMF ihany koa ny nametrahany ahiahy hoe :
Fahamarinana ve ny tsy famelana ny vahoaka tsy haneho hevitra? Fahamarinana ve ny tsy famelana ny onjam-peo hiasa kanefa misy onjam-peo avela hiteny izay tiany tenenina na dia manopa aza ? Fahamarinana ve ny fanenjehina izay milaza ny marina ? Fahamarinana ve ny fampitahorana sy fampihorohoroana sy fisamborana isaky izay mihetsika ? Fahamarinana ve raha olom-bitsy tsy voafidin’ny olona no hanapaka sy hisolo tena azy ka manery azy hanaiky izay tsy eken’ny sainy ?

Mbola lavitr’ezaka ny fampijoroana ny fahamarinana eto amin’ny tanintsika hoy ny HMF koa mivonona miaraka aminay.

Fanampiny – Sary :

Photos Antsahamanitra HMF 12/03/2011 (1/5)
Photos Antsahamanitra HMF 12/03/2011 (2/5)
Photos Antsahamanitra HMF 12/03/2011 (3/5)
Photos Antsahamanitra HMF 12/03/2011 (4/5)
Photos Antsahamanitra HMF 12/03/2011 (5/5)

 

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *