Fanagadrana an’i Mamy Rakotoarivelo no vao mainka hanalaviran’ny FAT ny fankatoavana iraisam-pirenena !

DST Polisy Politika
DST Polisy Politika
DST Polisy Politika

DST : polisy politika !

Nampanantsoina teny amin’ny DST io maraina io ny Sekretera Jeneralin’ny Tim : Mamy Rakotoarivelo.Natao fanadihadiana momba ilay raharaha fanapoahana baomba ny filohan’ny FATizy, io hariva io ihany dia nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ity sampana polisy politika ity ka dia « notanan’ny DST » ny filohan’ny delegasiona Ravalomanana ary hiakatra fampanoavana rahampitso.Natao fanadihadiana sy voatana ihany koa ny mpamily sy ny mpiambina azy.

Vavolombelona mandainga !

Isan’ireo voarakitra ao anatin’ny didy folo izany ary heloka be vava ihany koa kanefa amin’ny mpanao politika Malagasy dia azo atao ny manery sy mampanao vavolombelona mandainga sy miam-panga tsotra izao ny fahavalo politika.Nasehon’i Kaomisera Charlie ny mpanao gazety ary dia nasaina nitantara atsanga tsy aman’orana teo ireo tovolahy roalahy nolazaina fa nanao ny asa, ary dia nasaina nanonona ny anaran’i Mamy Rakotoarivelo sy ny mari-bola ho nanakaramana azy.Araka ny fomba sy fanaon’ny FAT anefa dia tsy mahagaga ny mamorona sy manoso-potaka ny mpomba ny filoha Ravalomanana, ampidirina am-ponja daholo ireo mpomba azy.

DST Polisy Politika
DST Polisy Politika

Ho lavitry ny FAT ny fankatoavana iraisam-pirenena !

Amin’izao hiandrandran’ny FAT fankatoavana iraisam-pirenena izao no vao mainka hanaovany sy hampisehoany ny toetra ratsiny.Io fanagadrana sy fampidirana am-ponja ny mpanohitra azy io no mampanalavitra ny fankatoavana iraisam-pirenena ny fitondran’i Andry Rajoelina.Asehon’ny FAT fa mbola didin’ny be sandry sy ramatahora no iainana eto, tsy misy ny demokrasia ary migadra izay tsy mitovy hevitra sy tsy manaiky manao « rango-poza ».Ireo izay matahotra higadra kosa tonga dia mivadi-dela avy hatrany.Inoana fa hanova ny lalao politika eto Madagasikara indray izao tranga mampalahelo izao ary hitodika any amin’ny DST ny mason’ny mpanara-baovao.

.

 

Jereo eto koa ilay video, Vavolombelona mpandainga.

.

.

DST Polisy Politika
DST Polisy Politika
DST Polisy Politika
DST Polisy Politika
DST Polisy Politika
DST Polisy Politika
DST Polisy Politika
DST Polisy Politika
DST Polisy Politika
DST Polisy Politika
DST Polisy Politika
DST Polisy Politika

13 pensées sur “Fanagadrana an’i Mamy Rakotoarivelo no vao mainka hanalaviran’ny FAT ny fankatoavana iraisam-pirenena !”

  1. Ary dia mahita « vavolombelona »foana ry zareououou ! ! !
    Ts’isy hafa t@ilay mpiandraikitry ny TOPAZA ilay hoe nahitàna ny radion’ny gasy ! Dia ity mpiandraikitra no lazaina fa namoaka ny anaran’i pasteur Lala Rasendrahasina ho nanome alàlana hipetrahan’ny radion’ny gasy tao ! Hoy aho hoe mba sao dia norahonana kosa ary ilay olona !


  2. Milamina izany ny sain’i Yves Aimé Rakotoarison ???

    Efa nitomany ho Secretaire Generaln’ny TIM koooooo!

  3. Izao no tena ahitana ny maha-tena FATn’alika an’ireto HATay ireto!…. Dia mba misaina ve rizareo hoe ahoana, ary taiza i Mamy RAKOTOARIVELO no nanao an’izany,.. ary indrindra inona no tena « source de motivation »-ny?
    Fa rehefa mitady « bouc émissaire » tokoa dia tsy maintsy ny Lehiben’ny Ankolafy RAVALOMANANA foana no atao atsonjay!
    Hitraka foana anefa izahay mpitolona ry Foza orana o!.. Ary aza mieritreritra mihitsy hoe satria gadarinareo i Mamy RAKOTOARIVELO sy ny Mpitarka anay dia ahazo ny fonay ianareo!…

  4. C’est vrai, Hajan, il n’y a pas de fumée sans feu, avec les vols, les rapines, les emprisonnements arbitraires, les tueries, les mensonges, les intox,…. les vocabulares me manquent pour qualifier tes HATay!
    Personnellement, je ne peux que comprendre ton commentaire!Bbbbrrrrrr!

  5. Adin’ny kanosa, akoho lahy fataka (lache), maninona raha mafy tsy i Pr Zafy Albert nanao fanambarana hitam-poko, hitam-pirenena no samborina ? Aiza koa no tsy mandeha ny fanadihadiana ny zavatra rehetra notantarain’i cmd Charles ? Manao sain-jaza, tsy mitandroka afa-tsy izay olona sahiny ihany.

  6. Comment peut-on réclamer la mise en place d’un gouvernement de transition consensuel, inclusif et neutre, tout en intimidant et emprisonnant les membres du TIM, de surcroît avec des accusations ou chefs d’inculpation farfelus ?
    Toutes ces manoeuvres n’ont qu’un seul objectif, c’est de retarder la signature d’une VRAIE FEUILLE DE ROUTE ; celle qui nous mènera réellement vers le retour à l’ordre constitutionnel.

  7. EN SUPPOSANT QUE L’ACTE AIT ETE COMMANDITE PAR LE TIM, RAKOTORIVELO EST-IL SI NUL QU’IL EST ALLE LUI-MEME NEGOCIER AVEC DES TRUANDS? TRES TRES DIFFICILE A CROIRE.
    EST-IL VRAI QUE LA « BOMBE » ELLE-MEME ETAIT SI MINUSCULE QUE MEME LA CARROSSERIE DU VEHICULE DE RAJOELINA N’A SUBI LE MOINDRE DOMMAGE?
    CELA RESSEMBLE ETRANGEMENT A UN MONTAGE.

  8. leo be, leo tolona mihemotra. Efa gadraina sy samborina daholo ny namantsika fa isika mijery ity fatina lamasinina hazo amndalo daholo.
    Lasa tsikonikonina sisa ilay isy hanaovandra FATin’alika maty tsy vanona antsika mianakavy.

    TSY VALAHARA ny fahavalo nefa toa maso mipitrapitra no hijerevantsika azy sisa.

    LEO BE,

  9. Deba,
    Il faut être complètement demeuré, abruti, pour croîre à ce cinéma. Point de vue partagé par l’ensemble de la population, qui se gausse de ces manoeuvres ridicules, mais qui n’osent pas exprimés publiquement leur écoeurement, par peur des représailles.
    Il n’y a qu’à se donner un peu peine pour chercher sur le net, pour se rendre compte des trucages. Tout n’est que manipulations ; et que même les articles écrits par des soi-disants journalistes deviennent contradictoires.
    Ils ne peuvent pas faire des articles cohérents, sur des mensonges, des ragots et des accusations montées de toutes pièces.
    GTT Philippines,
    Pour lutter, ou pour donner un peu plus de poids à nos actions, il ne faut pas hésiter à faire des interventions sur d’autres sites, surtout des sites étrangers qui colportent des contre-vérités, ou qui s’abstiennet de diffuser les vérités, et l’existence du putsch ainsi que ses conséquences sur la vie du peuple malgache.

    Nous sommes convaincus quant à la justesse de notre lutte, mais certainement pas des cons vaincus !!!!

    Libérons nos familles !! Libérons le peuple malgache !!!

  10. Zao no marina amin’io! i Mamy Rakotoarivelo te hiaraka amin’ny Fat dia mitady hirika mba tsy aha-brulé azy au niveau Tim sy Ravalomanana. Niray hevitra i mamy Rakotoarivelo sy ny Dst hoe : ndao alou mba ho-inculoé-na zà d refa avy eo milaza amin’ny Tim hoe: tsy afa-manoatra aho ry zalahy fa izao no mahazo ahy ka dia hangina aho na hiditra ao anatin’ity tetezamita ity ah! zay io f’aza babakoto tsy mandinika ny zavatra rehetra.
    Tsy adala i Mamy Rakotoarivelo tsy ahita fa efa manomboka maty ny an’i magro sy ravalomanana, nefa izy tsy té ho ratsy ary no tsy te very fihinanana amin’ny resaka politka dia io ny cinema mety indrindra mba ho porte de sortie-ny amin’ny magro sy ravalo!

  11. o ry Gorille a! io fomba fampiadiana samy isika io no nampihemotra à 1000km ny tolona
    Izao fampiadiana samy mpitolona sy fanaovana lasopinmpoza samy isika no nialako tao @ forum TIM; kinanjo miala an’ankatso aho dia ambohidempona

  12. Vaovao MATV t@ valo:
    « notsindromina vy maranitra ny divon’ny vadiko,nodorana ny filahiany,noterena hanasonia taratasy miampanga an-i Mamy Rakotoarivelo ny zanako hoy ny reniny,tsy matahotra mijoro vavolombelona izahay fa izany no nahatongavanay eto,sns,sns…. »

    Nantsoin’ny tao @ MTV ny DST fa tsy tratra antso.

    http://ti1ca.com/p4vrlaga-MATV1603-MATV1603.wmv.html

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *