Governemanta ambony tsikoko !

gvt 26 Martsa 11
gvt 26 Martsa 11
gvt 26 Martsa 11

Tafatsangana androany tokoa ilay governemanta, lazaina fa iraisana na dia hita ho sandoka sy misoloky na « usurpation de titre » daholo ny ankamaroany, governemanta nolazaina fa hitondra mankany amin’ny fankatoavana iraisam-pirenena, hono, kanefa ny azo antoka dia ho lavitry ny afo ny kitay, nanamafy izany tamin’ny antso an-tariby ny filoha Ravalomanana fa tsy hahazo fankatoavana iraisam-pirenena izany mihitsy ireo.

Raha atao indray mijery dia hita fa peta-toko sy zara fa vita ihany ny fandrafetana ilay governemanta, raha tsy hiteny afa-tsy ny eo amin’ny minisiteran’ny ati-tany, nanendrena an’Atoa Florent Rakotoarisoa izay manam-pahaizana momba ny lalana, kanefa efa nidradradra ireo « admnistrateur civile » fa tokony ho iray amin’izy ireo ihany no hitana ity toerana ity.Ny dikan’izany dia tsy hahazo « fankatoavana » eo amin’ny olona ho feheziny akory izy fa dia omby hijery « Florent » eo ingahy ministra.
Pierrot Rajaonarivelo, isan’ireo mbola voaheloka hiasa an-terivozona nanomboka tamin’ny taona 2006, izay mbola tsy nahazo famotsoran-keloka na amnistia hatreto kanefa dia nahazo toeram-boninahitra.
Ny minisitry ny fifandraisana, Atoa Rahajason Harry Rolland na Rolly Mercia, isan’ireo mpanao gazety efatra nitana anjara-toerana lehibe teo amin’ny famafazana lainga ny mpiray tanindrazana, niray petsapetsa tamin’ny fanonganam-panjakana 2009, isan’ireo mpanakiana sy mpanonontonona anaran’olona tsy mitovy fijery aminy eo amin’ny radio Viva, mpanao gazety mahay manodina ny lainga ho marina.

Isan’ireo minisitra tafajanona tamin’ny toerany ihany koa ny minisitry ny fitsarana sady mitana ny fitombokasem-panjakana, Rtoa Christine Razanamahasoa , isan’ireo mpahay lalana nanagana ny governemanta an-dalam-be tamin’ny fotoan’androny.
Voadaka am-bava-fo ny Vice Amiral Ramaroson Hypolite rehefa tsy nety nahazo fankatoavana iraisam-pirenena mihitsy na dia niezaka mafy dia mafy aza, isan’ireo manamboninahitra ambony nanome ny fahefana an’i Andry Rajoelina izy, torak’izany koa ilay minisitra mpiandry nitondra biramina namaky minisitera tamin’ny fotoan’androny dia Organés Rakotomihantarizaka.

Governemanta ambony tsikoko ihany ny fahitana azy araka izany, na dia ny famerenana ihany koa aza ireo efa minisitra tsy manjary sy tsy nahavita azy tany aloha tany, toa ny : Ndremanjary Jean André, Jean Jacques Rabenirina, Ny Hasina Andriamanjato, Rasamoelina Henri, Reboza Julien Antoine Zafera Rabesa.

Fa isan’ireo sira nampisy ngidy ny governe-manta koa ny fijoroan’ireo zanak’i Dada natao kankana hanjonoana ny fianakaviam-be iraisam-pirenena.Ry Yves Aimé Rakotoarison izay toa lasa minisim-panjakana kanefa na ny diplaoma hanany aza tsy sahy novakiana imasom-bahoaka, ry dokotera Raharisaina Hery isan’ireo solombavambahoaka tsy mahazaka ny vahoaka tamin’ny farim-pifidianana nahalany azy tany Sambava tamin’ny fitsidihina farany nataony teo, isan’ireo mpanao politika nalaza noho ny fanaratsiana an’i Andry Rajoelina kanefa izao lasa tandapa izao, ry Vyvato Rakotomaditra mpisandoka sy mpisoloky ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara.

Sanatria tsy fanafokana na faniratsirana akory izany fa milaza ny marina ihany izay efa niaraha-mahita.

.

decret n 2011-140 p1
decret n 2011-140 p1
decret n 2011-140 p2
decret n 2011-140 p2
decret n 2011-140 p3
decret n 2011-140 p3

3 pensées sur “Governemanta ambony tsikoko !”

  1. Tena marina tsy misy kianina ny teninao Solo RAZAFY a!
    Tsy miaingo ambony tsikoko akory ireo fa milomano anaty diky!.. Jereo anie izany Ministera mba tazonin’i Voalavo fotsy Mémé e! Inona no tena ataon’izany hoe « relations avec les institutions » izany?… Tena sady kely ati-doha no tsy misaina, … toy an’i Hery RATSIMISAINA ihany moa izy io!
    Ry VyVato hamster moa tsy tenenina intsony!
    Mitodika aminareo miasam-panjakana ny tenanay, indrindra ianareo Chef de service su Direktera, ary DG: DIA TSY MENATRA VE IANAREO HOE OLONA MPAMADIKA NO HITARIKA ANAREO?… SA DIA TENA MAFY NY SAOSY AHODINA KA AOKA ALOHA HIHINANA?
    Sao mihevitra ianareo ireo fa mbola ho eo rehefa tonga ny Governemanta ara-dalàna!…

  2. Ny Hasina Andriamanjato est revenu sur scène comme ministre de la Télecommunication.
    Et quel programme de mis ouvert !
    ==> Mise en place de PASSERELLE UNIQUE en matière de communication à travers la nation malagasy
    ==> contestée par la banque mondiale, et confrontée à la réticence des opérateurs de télécommunication présents à Madagascar
    _

    PRIMO: en supposant que vous êtes reconnu, et ce qui n’est le cas actuellement : un gouvernement de TRANSITION assure la bonne marche des affaires courantes ainsi que l’organisation d’une l’élection présidentielle CREDIBLE et ACCEPTEE par tous (nationaux et international)
    Pour toute propaggande aux présidentielles anticipée, veuillez SORTIR EN DEHORS du palais présidentiel
    _

    SECUNDO: Suivant votre esprit de crétinisme économique, ce n’est jamais ainsi que ce régime (qui a démantelé systématiquement un plan de l’économie malagasy) pense RATTRAPER les pertes grandioses suite aux dégâts dévastateurs résultant de cette révolution ORANGE et coup d’état:
    1. – à la destruction de l’usine fabricatrice de produits malagasy TIKO
    2. – le pillage des ressources naturelles, pierres précieuses – exportation illicite de bois de rose, menés par les proches des tenants du pouvoir de fait PM Camille Vital et Andry Rajoelina
    _

    TERTIO: cela ne vous suffit pas de vous être attaquée aux stations radio qui affichent d’idées différentes à vos interprétations, mais vous souhaiteriez rester à l’écoute des conversations téléphoniques de chaque citoyen malagasy. Vos éducation et nostalgia pour la mise en pratique de techniques communistes tuent notre liberté fondamentale d’expression, revenez-y en URSS si ça vous chante, on en a eu assez pendant la période prior à 2002

  3. tena marina io, gouvernementa etsy, gouvernemanta eroa, dia nahavita inona hatramin’izay ?
    zesta no tena betsaka, fisehoana sy faka-tahaka fa tsy misy fotony.
    Mora ny manimba ry jiolahy isany fa tsy hainareo ny manamboatra.
    Maro izahay no tsy vonon-tandroka.
    Saingy tena mahazendana ireto loham-poza ka tsy hay ny miady amin’adala

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *