Mbola tsy teraka ny hisolo ny filoha Ravalomanana !

Magro 15 Martsa 2011
Magro 15 Martsa 2011
Magro 15 Martsa 2011

Toy ny mahazatra dia nitohy tetsy amin’ny Magro Behoririka tamin’ity Talata 15 Martsa 2011 ity ny tolona nataon’ny ankolafy telo.

 

Ny solon-tenan’ny antoko Teza , I William dia nanambara fa ilaina koa ny kalitao fa tsy ny isa ihany no mahamaika eo amin’ny fanaovana politika. Tsy voan’ny hemorragie ny mouvance Ravalomanana hoy izy fa ny ra maloto no lasa, hany ka mahazo aina be ary mihasalama ny zanak’i Dada. Hatsaraina ny fomba fiasa ary tsy foiben’ny TIM irery intsony ao Bel Air fa ho an’ny ankolafy Ravalomanana mihitsy hoy izy.

Nametra-panontaniana kosa I Pasitera Edouard : « tsy hay isika raha akanga sisa nanamborana na akanga sisa ho samborina ». Mbola misy ihany ny tsy mino fa handresy ny ankolafy telo hoy izy. Tsy vavaka hahazoana seza no atao eto fa vavaka hanavotana ny firenena hoy hatrany ny lahateniny.

Ny solon-tenan’I Moramanga indray kosa dia nilaza fa ny politika dia ho an’ ny olona mazava saina eran’ny izao tontolo izao fa eto Madagasikara dia hafa tahaka ny politikan”I Hery Raharisaina izay mitsikera ny filoha Ravalomanana kanefa hoe hamerina azy no tanjony ary toy izany koa i Emile Ratefinanahary izay milaza fa TIM Eoropa.

Fifanarahana vita sonia aza tsy vita ny nanaganana ny rafitra ka inona no dikany ny rango-pohy ? Nanamafy I Ignace fa tsy misy fankatoavana iraisam-pirenena izany izany raha tsy ao ny ankolafy telo.

Ny sekretera jeneralin’ny antoko FRDL kosa dia nilaza fa ny mpitarika no lasa foza fa ny vahoaka mbola eo foana. I Ambroise no voahosopotaka fa hamadika ny tolona tamin’ny fotoan’androny, kay ireto nilaza izany no vao nahazo ranodranony dia lasa namadika palitao. “Apaisement” ve no ilaina dia reny no mahazo any i Rakotoarivelo hoy ny fanontaniana nataony.

Ho anay FRDL dia tsy mahazo mitondra ary tsy mahazo milatsaka i Andry hoy I Désire. Mbola tsy teraka ny hisolo ny filoha Ravalomanana hoy ny namaranany kabariny.

Hamafiso ny tolona amin’ity herinandro ity hoy I Olivier Rakotovazaha.Tena feuille de rotaka tokoa iny satria tsy mitovy fihavina, tsy mitovy firehana… ilay praiministra. Ireo nefa dia ao anatiny ny mouvance Rajoelina élargie hoy hatrany ny tenany.

——–
Jereo ny sary Photos Magro 15/03/2011 (1/3) 10 photos
Jereo ny sary Photos Magro 15/03/2011 (2/3) 10 photos
Jereo ny sary Photos Magro 15/03/2011 (3/3) 04 photos


Jereo ny video : Manoela

..

8 pensées sur “Mbola tsy teraka ny hisolo ny filoha Ravalomanana !”

  1. Tena marina tokoa fa mbola tsy teraka e!…. Mety hangala-tahaka, fa tsy hitovy na oviana na oviana!
    RAVALO EST TOUJOURS IMITE, MAIS IL NE SERA JAMAIS EGALE!

  2. C’est du déjà entendu !

    … et celui qui l’avait dit est depuis plusieurs années en exil forcé dans la banlieue de Paris, SEM Marc Ravalomanana souhaiterait-il suivre le même chemin ???

  3. MBOLA TSY TERAKA NY HISOLO NY FILOHA RAVALOMANANA!

    Dénigrer Ra8 équivaut à appuyer les actes criminels – inhumains et indignes de toute âme et conscience humaines des HATifs putshistes,

    et donc: maintient la défense d’assassins et hors-la-loi,
    (s’ils n’en font pas déjà partie)!!

  4. Dona kely aloha ho an’ny FRDL e !
    Bravo le FRDL ! Restez aussi perspicace, efficace et perseverant ! Vous avez bien raison : Y a que la Solidarité entre Malagasy qui vaille la peine !

    Il est temps que Les Mouvances Ravalomanana-Ratsiraka-Zafy, integre cette formation politique(FRDL) dans la Direction de la lutte anti-putschiste !
    L’UNION FAIT LA FORCE !!!

  5. Je tiens à rappeler ici que c’était Yves Aimé qui donnait l’ordre d’empêcher Tonton Ambroise d’entrer au MAGRO. Beaucoup n’etaient pas d’accord, ce Yves aimé qui était l’espion de la HAT…Maintenant TONTON EST TOUJOURS LEGALISTES, PAS YVES AIME…
    retenez la lecon.

  6. Piètre photo que celui d’Yves à côté du nouveau-vieux-saleté de pm des SQ Camille ce jour
    Merci pour cette info, lazalazao

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *